Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera
rhaj0 - 19/06/2014 19:24 |
Ny mpanao baolina Espaniola sy Alemana hono mahazo manao, afa-tsy alina alohan'ny lalao. Ny Costa Ricana hono rahefa @ 2eme tour vao afaka miverina manao. Ny Breziliana hono mahazo manao fa tsy atao "acrobatic". Ny Frantsay hono tsy mahazo manao lava alina. Ny Nigeriana mahazo manao @ vadiny fa tsy @ sipany. Fa raha ny fahitako azy, dia ny vadin'ny mpijery baolina izao no tsy manao ... ilaozan-drizalahy mitakisina miaraka @ akamany mijery baolina |
rhaj0 - 23/06/2014 12:34 |
rhaj0 - 26/06/2014 12:44 |
Raha ny fahatakarako azy, dia ny ilain'ny vatana dia 1- protein, mikaly ny hozatra (ry bokony aty mihinana supplements, izay tena sahala @ provandy) 2- mineral, toa potassium, manampy ny fiasan'ny hozatra (tsy ho crampE) 3- carbohydrate, toa siramamy, ho an'ny angovo 4- rano Ilay 1 sy 2 dia atao fahazarana itaizana ny vatana. Ka hitako hoe, toa mikaly tsara daholo ihany ny olona, na gasy izy na vazaha na braziliana. Rahefa mandalina aza ny aty (ny hitako aloha) dia te-hiverina @ fisakafoanana tsotra rizareo tandrefana aty. Ny azy anie ireny steak be matavibe ireny ka tsy tsara ho an'ny fahasalamana akoriny e.. Ireny no kisarin'ny "ampy sakafo" = matavi-boraka. Ilay 3 sy 4 dia atao fahazarana rahefa aloha, eo sy aorian'ny filalaovana... Fa dia "ampy sakafo" re (ny gasy) fa ny teknika (sy ny endurance) sy indrindra ny psikolozika halalinina e.... |