Menu

Feb 26, 2016

Vision 2020

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 26/02/2016 12:13
Tsy hoe tany @ dokotera maso io, fa fibanjinan'ny Tanora ny ho avy @ taona 2020.

http://money.cnn.com/2016/02/12/technology/recycling-carbon-dioxide-liquid-light/index.html?iid=ob_homepage_tech_pool&iid=obnetwork
I am a scientist ... Liquid Light is the first company that's developed a catalyst (a combination of water, sunlight, electricity and other chemicals) to make other chemicals out of carbon dioxide.

Ka namorona kompania izany i ramatoakely, ary ny tanjony dia ny hanodina ny CO2 ho kemikaly azo ampiasaina hamboarana zavatra (ohatra tavoahangy plasitika)

http://money.cnn.com/video/technology/2016/02/23/shyam-gollakota-ambient-backscatter.cnnmoney
I am a computer scientist ... This tech powers devices without batteries.

Ka ny angovo efa eny ho eny ihany izany no ahodin'ilay ranamana Karana eto, mba ho angovon'ny zavatra manodidina eo

http://money.cnn.com/video/technology/2016/02/12/quoc-le-artificial-intelligence.cnnmoney
I am a research scientist... Using artificial intelligence to solve the world's problems

ka ny artifisialy intelizansa no hamaha ny olana mahazo antsika, hozy ilay ranama vietnamiana.


Ka dia tena mahavelom-bolo sy mahavelom-panantenana ny ataon'ny Tanora eee..


Fa inona no hidiran'ny Fivavahana/Finoana @ izany... ny fanontaniako dia, mba ahoana kosa hozy ny Kristiana @ fibanjinan'ny taona 2020 ??? Ngo dia, sanatriavin'ny vava ladian'ny lela, ka hoe:

"Izaho Kristiana... mamaky Baiboly sy mivavaka isan'andro mihiratra.. miasa mafy mba ahita ny "fiainana mandrakizay" ho ahy, sy ny havako ary ny namako."


rhaj0 - 26/02/2016 14:12
Iray minitra fotsiny no angatahiko anao, ka ireritreretanao hoe, (raha) tena "imagination" fotsiny tokoany ireo Tantara-Anganom-Baiboly nampinoana anao io.

Iray minitra fotsiny...

Dia tsy hitanao dia very anjavony fotsiny ve, na fotoana, na vola, na angovo @ izany resaka "imagination" izany???


Soa ho'a fa ny Ankizy efa tonga saina eee... Ka dia velom-bolo sy velom-panantenana k'lou raha izaho.

Fa nareo moa, raha te-hihiboka sy hihidy @ finoanareo ao, dia ... ao izany ianareo ee... be teoria sy imagination ao, nefany mikatsentsitra tsy an-kenatra ny zavatra m(if)anohitra @ finoanareo.




Feb 25, 2016

Miteraka nefa tsy... niray

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 29/02/2016 12:24
T@ tapa-bolana, dia nisy tovovavy nilaza, ary niziriziry, fa ... i Jesosy hono no rain-janany.

Hainao ihany ilay finoana hoe, i Maria virijiny hono mba nitoe-jaza dia niteraka, nefa TSY niray t@ Josefa akoriny, ka dia mba torak'izay koa izany hono Irazazavavy.

Rahefa nampiresahina ny dokotera tao, dia hoz'izy :
https://www.naij.com/727521-pregnant-teenager-claims-jesus-father-unborn-baby-doctor-said.html
“For all I know, her pregnancy seems normal. Her claims of ‘Virgin pregnancy’ are technically true, but that doesn’t mean there was a divine intervention. I can tell you that it’s a boy, but there no way for me to determine if it is Jesus’ son until he is born. If she asks for a DNA test at that time, then we can tell you who the father is.”

rhaj0 - 29/02/2016 13:11
ka tsy vao izao mantsy ny sipa(kely) bevohoka no milaza fa misy idiran'Atra ny nampitoe-jaza azy..

http://www.examiner.com/article/mother-claims-daughter-is-pregnant-with-jesus
Are we seeing a 21st century replay of a promiscuous young girl blaming her pregnancy on God?

Nefa koa, TSY i Maria no voalohany nilaza (na nolazaina) fa virijiny-nitoe-jaza
http://www.nairaland.com/193520/there-many-other-virgin-births

Buddha was considered and believed by his followers to have been begotten of God and born of a virgin whose name was Maya. Long before the Christian era...

The Siamese (Taiwan), had a God and saviour who was Virgin Born whom they called Codom. In this very ancient story, the beautiful Virgin had been informed in advance that she was to become the mother of a great messenger of God...


India has a number of messengers who were divinely conceived and two of them bore the name “Chrishna” or “Chrishna the Saviour” (note the similarity with Christ). Now Chrishna was born of a chaste virgin called Devaki...

In Egypt, long before the Christian era, and before any of its doctrine was conceived, the Egyptian people had several messengers of God, who were conceived through Immaculate Conception. Horus was known to all of ancient Egypt as having been born of the virgin Isis ...

Plato who was born in Athens in 429 B.C. was believed by the populace to be a divine son of a pure virgin called Periction...


Raha mba averiko indray, dia ireto izany ireo ohatra-na Virijiny niteraka God, @ sivilizasiona isan-karazany eto...
- i Maya niteraka an'i Buddah,
- Virjiny Siamiese niteraka an'i Codom,
- i Devaki niteraka an'i Chrisna,
- i Isis niteraka an'i Horus,
- i Periction niteraka an'i Plato
- ary koa, i Maria niteraka an'i Jesosy
- dia Ikalakely Latifah vao teraka t@ tapa-bolana


ka dia io izany eeee... raha fehezina :
TSY i Maria no voalohany, ary TSY izy koa no farany, no milaza, na lazaina, fa "virijiny-mitoe-jaza". Fa kosa, @ izao taona 2000 izao, dia tena azo atao tokoany izany, @ alalan'ny "insémination artificielle".


Na dia tsy miray tamina lehilahy zany, dia afaka miteraka ihany ny vehivavy. Fa mila tsirin'ainan'ny lehilahy ihany anefa izany. Inty youtube manazava ny fatao @ io "Insémination artificielle" io.




rhaj0 - 20/12/2016 22:08
Toatoa izao izany no tena fandehany. Ampitomboana ny fahalalana.




rhaj0 - 22/12/2016 16:02
Dia @ izao krismasy izao, dia rahefa mahalala ny fandehany, dia ny fanontaniana dia hoe:
taiza ho aiza @ io, raha toa io koa no nahaterahan'i Jesosy, taiza ho aiza eo no "nilatsaka ilay fanahy masina"?

1- ilay sperme tafiditra t@ ilay ovule, ve, dia sperme-n'ny FM ve no nahay nitsoriaka dia tafatsofoka tao?
2- sa indray atody efa fohy, no nidoboka tao @ uterus-ndRamaria tao? dia iny no nitombo tao
3- sa indray, Jesosy efa nisy tanana aman-tongotra no natafatsiropaky ny FM tao an-kibon-dRamaria; dia izay ilay hoe "nibitaka" tao?
4- sa kosa, ilay atody nitombo iny, no notondrahan'ny FM, ary dia lasa "zanak'Andrmntra" ilay izy

taiza ho aiza, t@ io fitombon'ilay tao an-kibon-dRAmaria io, taiza ho aiza na hoe oviana ho'a no "nilatsaka ilay fanahy masina" eee?...

rhaj0 - 22/12/2016 17:51
Ndao azany raisina tsirairay ny paika nety nahabevohoka an-dRamaria



1- ilay sperme tafiditra t@ ilay ovule, ve, dia sperme-n'ny FM ve no nahay nitsoriaka dia tafatsofoka tao?

Indrindra moa fa hoe, tavela virijiny hono i Ramaria na dia nanatody azany, dia.. tena possible izany. Inty ny fanaovana azy... mila mitandrina fotsiny izany ny Fanahy Masina rahefa mampiditra iilay seringue lavabe


Dia ny fanontaniana izao, dia hoe:
Dia ahoana k'lou no nahazoana ny sperme-n'Andmntra tanaty tioba eee...

rhaj0 - 22/12/2016 20:29
2- sa indray atody efa fohy, no nidoboka tao @ uterus-ndRamaria tao? dia iny no nitombo tao


Ka ilay #1 teo izany insemination artificielle: ilay sperme no asosa ao @ fivaviana. Eto kosa, in-vitro fertilization, ka atody no asosa ao @ fivavian-dRamaria. Toatoa izao ny fanaovana azy... Fa eto izany mila mitandrina mihintsy satria, alaina aloha ilay ovule, dia aty ivelany no ampiraisana @ ilay sperme, dia izay vao asosa miditra ao @ fivaviana indray



Fa dia mitombo ihany ny fanontaniana, hoe:
- Dia ahoana k'lou no nahazoana ny sperme-n'Andmntra eee...
- Dia ahoana koa ny fampidirana raha (sperme na atody) ao @ fivaviana izany, t@ l'an zero?? Angaha nisy seringue toa io t@ izany, na koa ultrasound hanarahana ny fampidirana ilay seringue

rhaj0 - 23/12/2016 12:59
Ts'haiko aloha nareo, fa izaho rahefa misy vao teraka iny, dia .. miasa kely ny coco, dia hoe, 9 volana talohan'io moa izany... nafana ve ny teo amour-mpatana, sa ny teny amour-ndranomasina, ka dia... 

Fa @ izao Krismasy izao, dia ... lasa miasa toa izay koa ilay coco eee... Hoe dia tena ahoana tokoany moa izany izy tao.

Ny Anjely hono izany, hozy ny tao @ Baiboly, no niteny an'i Josefa hoe, ho bikina ny fofom-badinao, ary zanak'Andrmntra ilay zaza.
1- Ka ny Anjely ve izany no infirmiere tao, dia nanisika ny sperme-n'Andrmntra, na koa ilay atody efa nofohezin'ny sperme-n'Andmntra...
2- sa dia tena i Andrmntra en personne mihintsy no naninona naninona an'Ikala Maria kely tao, izay vao 12 taona ary virijiny?..

rhaj0 - 04/01/2017 15:17
Misy hipaotezy iray hafa koa kay ny maha-bikina.. misy mantsy ny manontany hoe, raha misy tsirinaina ve ao anaty baignoire na koa anaty piscine, satria mantsy misy tokoany rizalahy mety midegany sy mitapisaona, dia alefany ao ilay tsirinainy, dia hoe, mety ho bikina koa ve izay mandro ao?

toa hoe, misy pirobabilitia kely dia kely ny hetezan'izany, hozy i ragogola.

Ka dia mety izay koa ve izany ny naha-bikina an-dRamaria eee.. nony nandro t@ renirano izy, dia nofafazan'Andmntra ny tsirinainy ny renirano, dia nanaovany hypnaotisima vinaninany tao, ka Ikala Maria irery no nahazo ilay tsirinainan'Andmntra t@ izay viavy rehetra nandro teo...

rhaj0 - 04/01/2017 19:38
Ankotr'ilay tsirinaina anaty rano, dia hipaotezy iray koa izao, dia hoe, raha misy tsirinaina tafapetaka ny lamba, ka mikasoka ny fivaviana, dia tafatsirapaka dia tafiditra ve ilay tsirinaina ka mety maha-bikina?

Dia hoy Ragogola hoe, tena kely dia kely ny piraobabilitia..

Fa raha tafita ihany, izay ilay fahaganagana, dia ny fanontaniana dia ho hoe, dia IZA no nametaka ilay tsirinaina t@ akanjon'Ikala MAria? nisy Anjely ve nametaka izany, sa... sahala @ Bill Clinton, dia i Andrmntra en personne mihintsy no nampitsitsitra ny tsirin'ainy t@ akanjon'Ikala Maria???

Na t@ ilay tsirinaina tanaty rano, dia i Andrmntra en personne koa ve no nampitsitsitra ny tsirin'ainy tao @ dobo filomanosana na fandroana tao???

Feb 3, 2016

Zika sy ny ... finoana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 03/02/2016 18:27
Miala any indray izany ny virus Zika.

Raha ny fahalalako azy, dia raha viavy bevohoka no voany, dia ho voan'ny microcephalie ilay zaza rahefa teraka; kely ny ati-doha, ary dia hahazo olana fahasalamana samy hafa ilay zaza, na ny fitomboany, ny fiteniny, mety ho voan'ny fanintona ets... Reko teo koa fa raha miray amina olona voan'ilay virus, dia mifindra ilay virus.

Ka noho izany, dia hozy ny olona (radoko, siantista, ets..) hoe, eo ampiandrasana ny vaksiny:
1- raha tsy bevohoka ianao, ka amina tany misy risque, dia aza mba bevohoka
2- raha bevohoka ianao, ka misy risque ho voany, dia esory ny zaza.

Dia ahoana hozy ny Finoana... ny fanontaniana mipetraka manokana dia an'ireo Katolika
1- ka hoe "aza mba bevohoka" : dia mbola hiziriziry ny tsy azo ampiasana condom foana ve i Vatican ??
2- ka hoe "esory ny zaza" : dia mbola hiziriziry ny tsy mahazo manala zaza foana ve i Vatican (sy ireo fiangonana hafa manohitra izany koa) ??


T@ virus-n'ny SIDA, dia niziriziry i Vatican ny @
1- TSY mahazo mampiasa condom, sy
2- TSY mahazo manala zaza


Fa @ ity indray mitoraka ity hono, raha ny rereko, dia toa hozy Fransisy, toatoa ny hoe, "izay ataonao dia ataonao, fa hi-accompagner anao ny Leglizy"

Midika ve izany, fa tsy hiziriziry @ resaka condom/manala zaza intsony i Vatican.. sa izaho no manonofy ??..

(ity koa mantsy no hitako tatsy @ CNN
"I think the message will be that whatever you as married Catholics decide to do, we will walk with you," he said. "That we'll encourage you to follow the church's precepts, but when you don't, we will still love and accept you."

rhaj0 - 04/02/2016 16:02

RBNIRrehefa tena miaraka Aminy ianao tsy tokony hatahotra na kely aza.

Dia ao izany ianao sy ny pensée magique-nao ee... Ny moka (manana ati-doha kely toa loha-paingotra) angaha moa mahalala an'izany fa tsindrominy ao ianao, dia raha miampitapita, ohatra hoe amin-janakao ny virus, dia voan'ny microcephalie ao ny zafikelinao, dia "plan'Atra" hoz'ianao izany izany eee... Plan'Atra hampatonga saina anao, fa TSISY izany plan'Atra izany eo, fa ianao no mila mandray an-tanana ny fiainanao, dia tsy mankany Bresil, na manao condom ets...

rhaj0 - 11/02/2016 17:24
FA dia izaho ve moa haninona, fa

1- tsara raha mitady "la paix dans le monde" iana(re)o kah...

2- tsara koa rahefa TSY mandrevirevy-gaigy an'izany "fiainana any an-koatra" izany, fa ny eto an-tany ihany no fiainanao, ary rehefa maty ny mekanika dia vita...

3- raha mihevitra ianao fa izany Andrmntr'Israely izany no "namorona" na ny planeta Latera, na ny galakisia, na raolona tao Canaanites ka hatrany Amazonia, na ny vato na ny rivotra, dia rahefa TSY maneritery ny fi(s)ainan'ny olona ianao, fa ny fi(s)ainanao ao ihany no teriterenao ao, dia reveo ao azany kouh..

4- fa asa ianao raha mbola @ ilay hoe "apetrakao an-tanan'i Jehovah ny fiainanao", na koa hoe, fariparitanao toa rambon'osy ao hoe, ny AndrmntrAO no manao an'izao sy izao.. Io koa dia reveo ao ny anao rahefa TSY maneritery ny fi(s)ainan'ny olona sy ny fiaraha-monina ho'a eee...

rhaj0 - 12/02/2016 19:10
okey dokey.. fa favy izany rahefa TSY maneritery ny fi(s)ainan'ny olona hafa (izaho anisany, dia ny Ankizy koa) ianareo ee... Hainao ihany mantsy ny Mpino hafa namanao, fa tena mamango io araka ny filazanao azy io hoe, "wah-wah-wah.. raha tsy izany... gna-gna-gna

tealala - 17/02/2016 17:37
nahita rohy aho fa tsy aiko raha hoe mety teny frantsay ilay izy dia somary sahirana ihany moa ny tena mamaky ilay terma tekinika behttp://www.hominides.com/html/theories/theorie-evolution-idees-fausses.php

rhaj0 - 17/02/2016 21:03
Les croyants ne sont pas tous créationnistes... Croire en un Dieu est tout à fait compatible avec l'étude des sciences. On peut avoir des croyances et aussi comprendre le monde qui nous entoure. Le créationniste a une lecture littérale des textes religieux, alors que le croyant sait qu'il faut interpréter les textes.

Io izany ilay atao izay mampetimety ny baolina eee... "interpretalatation".

Les évolutionnistes ne sont pas tous athées... Cela n'a rien à voir. L'étude de la nature, de la faune, de l'astronomie et des mécanismes qui les régissent n'empêche pas de croire en un Dieu pour, par exemple, donner un sens à sa vie. 

hi hi hi.. io izany ilay alahady mangalatra akoho, dia ny alatsinainy manendy akoho eee... ka rahefa tsy takan'ny hoza-dohany, dia tsy mba sahala @ majorité-n'ny siantista, ka hoe rehefa tsy hay dia tsy hay, fa lasa mivarina minomino foana.

Misy ve Dieu?

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 03/02/2016 15:32
Naravin'ny wikipedia eto ny arguments..
https://fr.wikipedia.org/wiki/Arguments_sur_l%27existence_de_Dieu

Fa resaka Dieu (an'ny tandrefana) ny naraviny tao, raha ny fahazoako azy.

Ny an'ny Malagasy ohatra izao, dia nisy ROA ilay IZY...
1- Andriamanitra == Dieu moral
2- SY Andriananahary == Dieu créateur

f'io moa dia noravan'ny Kristianisma tao @ kolotora sy ny sain'ny Malagasy, ka dia...

rhaj0 - 04/02/2016 14:39

RBNIRJESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Ny fahazoako ny resakao dia hoe
- i Jesosy no manaporofo fa misy Atra
- i Atra nefany no namorona (nanaporofo) fa misy Jesosy

Ka dia vita boribory (vetaveta) ao izany ny (sai)nareo eee... 

TealalaMisy ka, fa ny anarany no samy nanova ny azy, dia samy manana ny fanompony ny azy ihany koa.

Izaho koa dia tena miombo-kevitra aminao :
Eny misy Andriamanitra... ao @ imagination (collective) an'ny tsi11 ao, ary dia samy nanome anarana ny AZY, nanova ny AZY, nanompo araka ny ireveny ny AZY ao koa...

Fa izao fotsiny, ny Andrmntra ao @ imagination-n'ny Atheista (na izaho), rahefa mampiresaka (eto), dia ilay Andrmntra ao @ imagination-n'ny Mpino...

Ka "imagination" daholo izany, fa ny réalité, dia TSISY Andrmntra.. TSISY an'izany Créateur Omnipopotent izany.. ary TSISY an'izany Moral Omnipresensent izany... indrindra moa ilay hoe "mandray an-tanana ny fiainanao".. angano angano ampilamina ny sain-draolona (sy ny fiaraha-monina t@ izany fotoan'androny) fotsiny daholo izany.

rhaj0 - 04/02/2016 18:04
Lalina ny fanontanianao...

Raha ny an'eritreritro eto, dia eny... "samy Andriamanitry ny tenany ny olona".. Ny ataon'ny tsi11 ao, dia izy tenany no nanao sy tompon'antoka tao. Fa any @ imagination-ny ao, dia lazainy fa Andrmntra. Donc.. izy tenany ihany no ataony hoe Andrmntra ao io...

Dia rahefa vorika indray ny zava-bitany sy izay fi(s)ainany ao, dia lazainy fa Devoly hono ho'a no tompon'antoka @ izany.. Ka dia, eto koa izany "samy Devolin'ny tenany ny olona".

rhaj0 - 04/02/2016 18:54
Tsy azoko tsara ny tian'i Tealala tenenina..

Fa raha ny @ hoe "ao @ imagination-ny" lazaiko io ambony io, dia ampatsotsotra azy, dia jereo anie ny tantaran'i Caillou (Saison 1 épisode 29) : Le meilleur ami de Caillou.

Dia jereo tsara hoe, IZA moa i G. (atsy @ 2:00)




rhaj0 - 08/02/2016 17:28
Izay izany no nampinoana anareo. Hoe noforonin'Atrareo ianareo, dia nameny "libre arbitre", ary dia ataony mihinan'ny tsakaokany miaraka @ zavatra hafa noforoniny tao. Dia i Andrmntrareo @ io nefany TSY tompon'andraikitr'izay loza ao, na dia IZY izany hono no fototry ny zava-drehetra ao, ary na dia IZY izany koa hono no manam-pahefana na ny fahafaha-manao @ izay zava-drehetra eto.

io indray k'lou dia "n'engage que celui qui y croit." Ianao sy ny finoanao ao io ihany no mampanodiina ho borika ao io.

Fa rahefa voa izany nareo ao, dia hoy fotsiny izaho avy aty ivelany hoe, ny (n)ataonao ihany ho'a no mahavoa anao ao eee..
1- ny nataonao t@ izay zavatra tao, ohatra ny moka, sy
2- ny ataonao minomino raha foana ao io, ka nampatonga anao nanao io zavatra (kitoatoa sy vorika) ataonao ao io

rhaj0 - 09/02/2016 14:07
Eny "tsy mino" an'i Jesosy aho. Raha ny marina, "mino" fa hoe ni-existe ixy, fa "tsy mino" ny (ankabeazan'ny) fampianarany sy kabariny izao.

Fa ny hoe "mankahala" dia mbola asiako bemol kosany. Ny anao moa, reflexe sahala ny an'i olombaovao Kristiana Georges W Bush, ka raha vao tsy mitovy revy (Jesosy) aminao dia fahavalo sy "mankahala" daholo, ary lazainao fa "miady nhy olona", na koa ilàna(re)o ady.

Fa nareo ve ry RBNIR tsy mba mahay miaina @ taona 2000 @ izay, ka miaina ao anaty diversité d'opinion aaaa... Ireny politisiana rehetra aty ireny izany aminao dia mifankahala sy miady daholo... Efa hoe TSY sahala @ ao @ box-kelinao ao ho'a ny tontolo.

Dia izaho koa ho'a TSY hotr'anareo, ka "mitory" ka "mitory" fa nahazo baiko, ary mino fa raha "mitory dia avotra" ee... Izaho miteny sy mizara ny hevitro, manavoitra ny absurde/aberrant/ridicule... dia mivanitika...

Dia tena mila mivoaka @ box-kelinao mihintsy ianao re ry RBNIR, fa na ny fijerinao ny tontolo sy ny olona azany dia tsisy afa-tsy ny fahateren-tsaina sy fahaterem-piaina anaty box-kely: poretinao ho toa ana(re)o daholo ny olona..

rhaj0 - 12/02/2016 16:14
Vao t@ ity herinandro ity aho nahita horonantsary ny @ Karana sasany sy ny Andrmntrany. Dia misy karazan'olona ao @ sosaity, toatoan'ny hoe, zareo ireo no solontenan-draolona, sa ve hoe mpanelanelana ny raolona @ Andrmntrany ao. Dia misy fotoana iray @ kalendrie, dia mivory zareo ireo, ary dia mifoka marijuana gaigy be eo. Fa @ izay hono izy no @ ilay etat afaka mifandray @ izao Andrmntrany izao. Ary @ io no anafahana ny otan'ny mpiara-monina aminy. Dia ao zareo, velomin'ny mpiara-monina ao fa tsy miasa, ary tena midoroka gaigy be ao mihitsny.

Ny fijeriko an'izany, dia izay no takan'ny hoza-dohan'ny Belazao tany aminy tany, ary dia roboka tao tokoany ny mpiara-monina tao @ box-keliny t@ izany tao. Izay azany ka atao ahoana. Fa h@ izao moa zareo mbola manao an'io, ka dia ...

rhaj0 - 14/02/2016 23:28

tealalatsy sahinao iany no manonona ilay anarana no tiako tenenina.

Tena tsy takatrao ny tiako tenenina.. Izao indray azany eee.. Nisy ilay tantaran'i Caillou iny in-1 mandeha. Dia nanapa-kevitra i Caillou fa manana namana izy, dia i Georges, ao @ imagination-ny ao. Dia in-1 andro, niara-nialalao i Caillou sy i... Georges. Dia nipelipelika i Caillou ary dia vaky ny vazy. Dia rahefa nanontanian-drainy hoe, iza no namaky ny vazy, dia hozy i Caillou: i Georges!!

ka ahoana ry Tealala.. asainao "manompa" an'i G. izany ny rain'i Caillou?
Hoe, "ilay G. alika maty tsy vanona ity, namaky ny vazy!!!..."

Dia mba takatrao @ izay ve, fa dia i Caillou navela teo i Tealala.
Ka ahoana: mbola asainao manompa an'i G. foana ve aho izao ???


Marihina kely fotsiny fa i G. (God na i Georges izany eee...) no anaran'ny namana imaginaire-n'i Caillou.
Dia mety hoe i V. (Vishnu na hoe i Veorges izany eee) ny an'i Apu, ilay karanakely namany..

rhaj0 - 17/02/2016 20:51

rhaj0Ato http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_07
Dia jerevo tsara ilay echelle des temps fa amina million re ry Gasy1zay a... [dia jerevo tsaara koa ny fisampanany]... dia rahefa azonao io, dia mba ampianaro @ ankizy, dia ilazao izy hoe, fony zaza ihany re rankizy ilay conte de fee bibilikan'i madame eva, fa efa lehibe vory saina ianao izao ka dia izao no izy...
http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/images/evograms/hominid_evo.jpg

- Ka miainga avy atsy ankavia ianao izany ee..
- Dia ilay fisampanany voalohany, ilay nitsipika any ambony ireo lasa simpanzehy sy bonobos.. (vao omaly aho nahita momba ny bonobos, fa raha hi-sex ireo, tena champions mihintsy 
- Ka dia nisampana izany iilay izy, satria nivoatra ny sasany, ka ni-s'adapte mandeha tongotra roa, sy nivoatra ny nifiny... Rahefa mivoatra izy io, dia ilay tsipika mena no milaza fa tsy miverina ilay fivoarana, ary tsy afaka miray @ iretsy lasa simpanzehy sy bonobos intosny ilay nivoatra ireo.
- ny @ ilay tsipika mena, dia toa ilay nohaniniako an'i Strong3 izy teo, ka hoe, tandremo sao mahita Homo Erectus ka dangidangitra ao.. na miray aminy azany i Tealala dia TSY hiteraka ianareo 

- Dia torak'izany hatrany.
- Dia jereo tsara ny echelle des temps ho'a, fa ohatra hoe, ny Australopitheque dia nivoatra ho Homo Habilis, afaka teo @ 2 millions d'années teo. Ary raha ilay fototra etsy ambony ka h@ Homo Sapiens, dia efa 6 sa 7 millions d'années d'évolution.

Ka rahefa (misy) miteny ianao hoe taranaka ragidro, dia azonao @ izay izao kosany fa TSY taranaky ny simpanzehy sy bonobos isikana, fa cousins ireo.. ary any amina 6-7 millions d'années any ilay razana iombonana.

ka aiza ho aiza @ io sary io no mbola tsy mazava ?..


Fanamarihana: efa homo sapiens daholo isikana efa ho 100.000 h@ 200.000 années lasana. Ka raha (n)ampinoana ianao hoe, i Madame Eva anie ka t@ 6.000 taona lasana no noforonina, dia ... ilazao i belazao hoe, mandehana mahazo, fa tsy fotoanan'ilay tafahidy amina vohitrakely intsony izao hoe ianao, ka ampinoanoana resa-jaza toa izany.

rhaj0 - 18/02/2016 02:14
O ry RBNIR... mila fantarinao hoe, inona sy inona no (n)ataon'ny siantista ka mahatonga @ ireo fanazavana ireo. Manangona artefacts dia manao mesure sy analizy ary kirakira no nataon-dreo nifandimby, ary amarinina tsara fa mifameno sy mifandrary daholo ny zava-drehetra alohan'ny hipentsopetsonana. Voa-verifier-n'ny saintista hafa independent daholo izany. Raha tena tia ahalala anie ianao, dia afaka mikaroka mamaky scientific paper, ary ahita sy afaka ny hitsara ny natao rehetra eeee...

'ngo dia heverinao sahala @ Baiboly azany ireo resaka ireo, ka pouh pouh pouh izao resaka rehetra izao, dia tonga dia arahina fiventesana hoe, "marina hany izany" (amen amen allelluya). Ny vavolombelona arangaranganao @ io, olona tsy nanao mesure/analizy/kirakira/.. akoriny, fa izay perception-ny tao, na Ifatsora manao tour passe-passe, na Ivavolombelona domelin'ny tsihaitsihay ao, ary tonga dia minou fotsy... Dia izany ve no anteheranao ny fi(s)ainanao ho'a h@ izao eee...

Tsarovy (na fantaro) fa ny ataon'ny Siantista anie ka mifampiditra eee... ny methode na izay teknika ary teoria ampasain'ny mpandalina ka mitondra @ ireo fanazavana ny lasantsika ireo, dia methode sy technique ary teroia izay katsentsefinao ao io, ka mahatsaratsara ny fiainanao ao. Ka rahefa akipilinao ny Siansa, dia 'ndana manaja-tena sahala @ ireny Amish ireny ho'a, fa tsy mihatsara velatsihy, dia manetry ny zavatra katsentsefinao lava ao.

rhaj0 - 18/02/2016 15:45
ny lois inona aloha no tianao tenenina..

Raha ny lois eo anivon'ny fiaraha-monina, dia vokatry ny fandinihan'izay teo ny fiaraha-monina io eee.. Hitanao tsara @ izao ère moderne izao, fa misy ny législateurs, ary mamorona na manavoatra, na mandrava ny lois tokoany moa zareo, dia raolona ao ihany koa no mampihatra azy.

Dia azonao izany ohatra hoe, ny "aza misotro toaka", dia t@ 1900s tany dia voarara izany tao zamerika tao, fa efa tsy "heloka" systématique intsony io izao, fa kosa, misy lois be dia be mamariparitra ny azo sy tsy azo atao raha ny @ io eee.. Ny marijuana indray izao no manaraka...

Ka raolona ihany no mamorona ny lois, dia ... taloha fony tsy nipataloha moa, sarotra be ny mampihatra azy (na izao azany tsy hita izay tena anaovana azy), ka dia atao hoe i Andrmntra no nanao ny lois (nakapoka t@ vato na baiboly), na koa nanome ilay Andriana ny fahazavana (ohatra i Jesosy), ary dia mikombona daholo ny olona eee...



Raha ny lois physiques (iuniverselles) indray dia... vokatry ny fikarohana/fanadihadiana/kirakira/... ataon-draolona koa io eee... ary dia nofintinina ho "lois" mba hampazava ny fiasan'izao tontolo izao.

Dia kOpy ianao, fa rahefa mivoatra mitombo ny fahalalana, dia mety misy lois mila ahitsy... Ohatra izao ny loi gravitation an'i Newton, tsy hoe diso, fa nahitsy no-préciser-na hoe aiza no mi-appliquer.


Fa io izany rahefa "miova" araka ny fivoarana ny lois, dia aza mikirapaka fa izay ny fiainana eeee... Aza mba mivarina dia minomino foana ka hoe, ny lois dia mandrakizay tsimiova fa nisy izany Andrmntra izany no "nametraka" azy. Raolona, araka ny fivoaran'ny fiaraha-monina sy ny fahalalany tao ihany no "nametraka" an'io mazava...

rhaj0 - 18/02/2016 17:06
ilay reflexe hoe, mametraka hoe "iza no nametraka ny lois".. io k'lou dia izay izany ny anao ry Tealala.

izany reflexe izany, raha ny fahitako azy, dia miaraka @ ilay reflexe hoe, "rahefa tsy takatry ny hoza-doha, dia akapoka ho Andrmntra".


Ny ahy aloha, rahefa TSY takatra, dia TSY takatra, dia izay izany, koa maninona moa..
fa tsy eo dia hamoromporona na hivarimbarina amina finoanoam-poana hoe, izao sy izao eeee... Tsy efa hitanao foana ve @ Tantara, fa dia izay faritan'i be-famaritra-toa-rambon'osy dia ifikiran'izao adala sy hendry fragile @ tsy-fahalalany ao rehetra izao, dia mierina anefa ny fotoana, dia oainina foana, satria,... ianao ao, eny ianao irery ao, no TSY mahatakatra, fa ny zanakao any aoriana hahatakatra.


rhaj0 - 18/02/2016 17:32
ilay "lois physiques universelles" dia mi-décrire ny fiasan'izao tontolo izao fotsiny eee.. TSY hoe i raolona no "namorona" azy, fa nanavoitra azy fotsiny izy..

hafahafa mihintsy ho'a ny reflex-e-nao ry Tealala.. tena latsaka lalina loatra ao an-tsainao mihintsy ny hoe, misy "mamorona" ny izao sy izao. Efa hoe, efa oainina foana ho'a izay reflexe izay, rahefa nanao be-famaritra-toa-rambon'osy tao..

Tena tsy mety ve ny sainao ho'a, kahoe, manaiky fa TSY takatra ny resaka, dia TSY takatra izany. Teboka.