Menu

Sep 24, 2016

Fihavanana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera


rhaj0 - 24/09/2016 14:27
Raha ny fiaraha-monina malagasy FAHINY kosa aloha no dinihina, dia, raha ny fahatakarako azy, dia :
Misy tokoany io concept Fihavanana io ao @ Malagasy.

Marina fa misy koa ny ady an-trano, toa ny tany @ firenena hafa rehetra, ady an-trano izay tarihin'izay debadeba ao; fa rahefa ao anaty fianakaviana, miitatra mpiray monina ao, dia misy tokoany ity hoe Fihavanana.

Jereo ny rakitr'i Flacourt (1610s) ohatra, izay nahita dia nitatitra ny fiainana andavanandron'ny Malagasy t@ fotoan'andron'ny taloha.

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f112.image
Flacourt page 86: Pour ce qui regarde l'hospitalité, ils l'ont entre eux, s'entre-assistent de vivres les uns des autres, et ne denient point à manger à ceux ils enqui leur demandent, quand ils en ont les moyens, s'ils mangent, ils départent ce qu'ils ont à tous les autres, et le plus souvent ils ne gardent rien pour eux, estimant cela à l'honneteté, ce que pratiquent tant grands que petits, par une coutume ou inclination naturelle.

Dia resaho anie izay zokiolona ao aminareo ao, fa dia misy tokoany izany firaisam-po aman-tsaina sy fanahy teo @ Malagasy izany talohaloha teo.

Ary sahy milaza aho, fa izany dia mbola (misy) tavela ao @ ati-panahin'ny Malagasy (sasany) ankehitrio.

endriny - 26/09/2016 12:41
Ilay fihavanana izany dia tsy hoe tsy nisy akory fa nisy saingy telo reny ihany no fototry ny fihavanana teo @ Malagasy : iray taranaka, iray foko, mpifamaky ra.

Ka ireo no hitan'i Flacourt satria mbola kely ny foko tamin'izany 1600 izany.

Fa vao nandalo ny vola, dia tao anatin'ireo foko ireo ihany dia nisy olona na antokon'olona nivarotra ny havany atao andevo ho any an-dafy. Ohatra i Massavana. Izay no nahatonga ilay hafatra hoe aleo very tsikala sy ny varotra tsy raikitra, satria hay na varotra tsy raikitra aza dia naha raikitra ady taloha.

Fanambadiana tsy raikitra dia lasa ady ifamonoana.

Ka ireny rehetra ireny no nahatarika ny olon-kendry, olobe hanorina ireo ohabolana hita ireo, fa tsy hoe izay no fiainana nisy, fa izay no tanjona.

rhaj0 - 26/09/2016 13:08
Ny fahazoako ny an'i Endriny izany, dia ny Fihavanana (izay soritan'ireo ohabolana sy oha-pitenenana Malagasy) dia hoe, toatoa ny "faniriana" na "tanjona" ilay izy fa tsy zava-nisy.

Izaho kosa mihevitra fa niainana ilay izy, ary toa ny tavela ao anatintsika lalina ao. izaho mihevitra fa indraidray dia mivoaka tokoany, ilay fandraisana ny andaniny izay eo ho "havana".

Raha hoy i Endriny hoe, ny vola sy ny ady sy ny famarinana ho andevo ny "havana", dia ... ekeko fa mety marina tokoany izany. Nefa, raha ny fahatakarako azy, izany TSY midika hoe, TSISY ilay "fihavanana" ao am-po/saina/fanahy Malagasy, ao @ ilay soatoavina gasy

Ohatra izao, ao Amerika Atsimo koa (toa Peru sa Venezuela izy teo), dia mety hoz'ianao hoe, ny vola sy petrole sy ny guerilla ve "soasoa" ?? Nisy fandaharana t@ TV hitako indray mandeha, fa hozy ilay rangahy ONG izay nikasa hanao asa soa tany ambanivohitra hoe, sioka tokana fotsiny no nataon'ilay olombe fa dia tafavory olona niray ary nanome tanana hanampy azy (hanampy ny mponina tao) ary nandray an'Ingahy ho toa ny "havany" koa.

Izaho "mino" fa any Dago, dia mbola misy koa izany. (I Endriny izao no mahalala kokoa, fa izaho moa tan-drenivohitra sy touriste t@ tany)

endriny - 27/09/2016 06:49
Izaho tsy niteny hoe tsy nisy fihavanana fa efa ireo nambarako aloha ireo ireo fototra telo nisehoan'ny fihavanana. Saingy ny ankoatr'izay dia saritaka no misy ka lasa atao resaka tanjona fotsiny ny fihavanana sisa.
Mbola misy ve ny fihavanana ankehitriny? Efa manitsaka izay vao manao aza fady no betsaka. Na eo amin'ny fiangonana, na politika na fiarahamonina dia fihavanana mila tambiny avokoa. Ka raha izay no atao hoe fihavanana, havako raha misy patsa dia izay izany koa, be dia be ny fihavanana raha izany, ary tsy nisy ny adilahy politika na adim-pinoana teto na aditany raha nisy fihavanana. Ahoana ireo malaso sy dahalo any atsimo?
Ny hitako tena misy fihavanana ankehitriny dia eo amin'ny fifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana. Satria ny havana ihany aloha no miditra voalohany.

rhaj0 - 27/09/2016 13:32
Misy petra-javatra roa kosany ee... ny raharaha iarahana miaina sy monina ao, sy ny raharaham-pirenena. Tsy tadidiko fa tsy Andrianampoinimerina ve moa iliay niteny fa "ny raharaham-pirenena TSY ahalalako havana" ??

endriny - 28/09/2016 15:08
Dia io izao no itarafana ilay hoe tanjona ilay lafatra fihavanana, fa tsy voatery hoe tena niainana akory. Dia misy koa ilay teny hoe na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary.

Ka ireo dia mbola taratry ny adilahy politika ankehitriny izay mitady foana an'ity fampiahavanana ity. Saingy tsy nahita irika mihintsy, na ny irika amin'ny adilahy no hita. Eo indray aloha

endriny - 30/09/2016 06:08

rhaj0
Izay Fihavanana izay kosa ve tsy toa ny @ izao fotoan'androny izao hoe, libertE sy dEmokrasia... tsy tena hoe efa iainana, fa "tanjona" sy "soatoavina" ary ezahina ho tandremana toa ny anakandriamaso??


Ny fahalalako azy dia toa izao foana ny fihavanana hatramin'izay. Izay iray fasana sy iray taranaka ary iray foko sy mpifati-dra ihany aloha no mpihavana.

Ka izay indrindra no nahatonga an'ireo toerana maro raha tsy voahodidina hadivory sy hadifetsy dia voahodidina tamboho. Ny an'ny sasany aza moa tamboho roa sosona mihintsy. Araka ny tantara moa izany dia ny olona taloha rehefa mandeha na mita Tanana fotsiny ihany aza dia tsy maintsy mitondra lefona na tsolo miandahy miambavy.

Tamin'ny fampandrian-tany nataon'ny vazaha no tena nivohizana an'io fihavanana io, mba andaminany ny tany izay nananosarotra tokoa satria ady foana no nisy teto nanomboka ny faraparan'ny taonjato faha 19 ka hatramin'ny 1950. Ry mopera no tena nomena ny ezaka nanatontosa an'io.

Fa ny fihavanan'ny Ntaolo dia mifototra fotsiny amin'ny hoe: "Velona iray trano, maty iray fasana". Izany hoe izay iray trano ihany aloha no mpihavana, ary manodidina nantsoina manokana hoe mpiray vodirindrina, Ka ny nifandraisana tamin'ny mpiray vodirindrina dia ny tapatapak'ahitra isan-kariva. Sira aza tsy nifampizarana na nifanakalozana tamin'izany ka nahatonga ilay fiteny hoe: "izay manan-tsira mahay mahay mahandro".

Ny Katolika moa no tena nivohy ny fampianarana teto tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany, ka izy no tena nampianatra sy nanaparitaka an'io teny hoe fihavanana io, mba ankatoavan'ny endizena ny voanjo ahazo faka eto Madagasikara. Ka na efa lasan'ny voanjo aza ny tanin'ny tena, dia ny endizena ihany no tenenina hoe: "Fahendrena ny fanajana vahiny". Dia ilay endizena ihany no asainy miasa ilay naoron'ny voanjo. Miasa tsy misy karama io no sady voan'ny karavasy a, kanefa ny tena tsy maintsy mitondra vatsy ho entina miasa ny tanin'ireo voanjo ireo, fa izy tsy nanome sakafo, fa fihavanana ihany no nomeny...

rhaj0 - 30/09/2016 20:11
Iverenako kely ny resaka Fihavanana

EndrinyRaha ny marina dia Society sy Fraternity no tena hoe fihavanana, saingy ireo akademisianina moa nahay ka nataony hoe fiaraha-monina ny Society, kanefa ny fiaraha-monina tokony hoe social life na hoe associative way of living (dikan'ny teny anglisy tamin'izany faha 1800) io.


rhaj0Tena mba tsy miombo-kevitra @ Endriny kosa aho @ ity resaka Fihavanana ity. Izaho mihevitra fa tsy mijanona @ "Velona iray trano, maty iray fasana" ilay firaisa-miaina, fa miitatra @"Trano Atsimo Sy Avaratra".

Ny fifampitsimbinana @ fialofana sy sakafo io izany, ary h@ ny fifanomezan-tanana fataon'ny Taloha (sy ny Zokintsika) dia taratry ny fomba firaisa-miaina Malagasy koa. Tsy "Fihavanana" ve izany, hozy i Endriny??

Ny fitaizana ny Ankizy koa, raha tsy diso ny fitadidiko ny tatitr'i Flacourt, dia iraisan'ny vohitrakely.

Ny fahazoako ny Fihavanana, dia hoe... ilay "havana" dia tsapa toa ny "singan'ny tena" mihintsy. Toa ny "Tanan-Kavia Sy Havanana". Fa rahefa misy moa ny tsy mety, na tsy fifanarahana, dia "tapaka" izay fahatsapana "Tanan-Kavia Sy Havanana" izay, ary dia "Ho Hitan'Ny Havany" (hafa) eo ilay andaniny.


ka ilay "Fraternity" dia hoe
- a group of people sharing a common profession or interests.
- the state or feeling of friendship and mutual support within a group.


Nefa ho'a ny fahazoako ilay "havana" dia "singan'ny tena".

Ataoko fa misy maha-samy hafa kely kosa ny hoe,
a- izaho sy Endriny dia samy liana ny mifanaretsaka eto, ary mifanohana @ izay atao na resahina eto
b- izay tsapa, na hoe izay filAna na koa sentiment an'i Endriny ao, dia tsapako, ary manetsika ahy, na tiako ary ezahiko amena fahafam-po, et vice-versa.

Sa miteniteny foana aho dia mi-idealiser ny Malagasy???

endriny - 08/10/2016 18:20

rhaj0
Tena mba tsy miombo-kevitra @ Endriny kosa aho @ ity resaka Fihavanana ity. Izaho mihevitra fa tsy mijanona @ "Velona iray trano, maty iray fasana" ilay firaisa-miaina, fa miitatra @ "Trano Atsimo Sy Avaratra"....

Ny fahazoako ny Fihavanana, dia hoe... ilay "havana" dia tsapa toa ny "singan'ny tena" mihintsy.

Ka tsy izay ve no nolazaiko hoe misy zohihavana efatra: Iray razana, Iray foko, mpifamaky ra (fati-dra), dia ny fanambadiana. Ireo ihany no zohihavana amin'ny fihavanana

rhaj0
Ny fifampitsimbinana @ fialofana sy sakafo io izany, ary h@ ny fifanomezan-tanana fataon'ny Taloha (sy ny Zokintsika) dia taratry ny fomba firaisa-miaina Malagasy koa. Tsy "Fihavanana" ve izany, hozy i Endriny??

Ny fitaizana ny Ankizy koa, raha tsy diso ny fitadidiko ny tatitr'i Flacourt, dia iraisan'ny vohitrakely.

Izay no atao hoe firaisan-kina sy rafi-piarahamonina, fa tsy fihavanana akory. Ny fiaraha-monina rehetra dia misy izay daholo araka ny ivom-paramaritana ara-paritra misy azy. Fa tsy izay no atao hoe fihavanana.
Fa ilay resaka entina anentanana antsika amin'ny politika sy ny finoana ankehitriny hoe Fihavanana, Fihavanam-pirenena sns zavatra tsy mitombina akory fa terena sy alentika anatin'ny sain'ny olona mba hisy fotsiny. Dia I Rhaj0 izao tena nandairany tsara

rhaj0 - 11/10/2016 02:13

endrinyFa ilay resaka entina anentanana antsika amin'ny politika sy ny finoana ankehitriny hoe Fihavanana, Fihavanam-pirenena sns zavatra tsy mitombina akory fa terena sy alentika anatin'ny sain'ny olona mba hisy fotsiny. Dia I Rhaj0 izao tena nandairany tsara

Ny "nandaitra" tamiko kosa k'lou dia ilay hoe "ny raharaham-pirenena TSY ahalalako havana". Tsisy idiriran'ny Fihavanana ny resaka Firenena.

inty misy miezaka manazava ny Fihavanana, ary iombonako hevitra

http://www.liana-mada.net/fihavanana/index.php/fr/voambolana/4-fihavanana

Il ne fait qu'un avec sa famille parce qu'il partage avec ses membres le même Aina, le flux vital hérité des ancêtres qu'il transmet aux descendants. Une mère dit de son enfant qu'il est une part de son être : « sombin'aiko ity zanako ity, aiko izy ».

Il ne fait qu'un avec son environnement parce qu'il ne sépare pas de son être la nature qui lui offre les conditions de sa survie (« tontolo iainany »). Le paysan déclare « ainay ny tanimbary, ain'ny tantsaha ny omby ». Le champs, le zébu participent à sa vie, par conséquent ils font partie de lui.

Il ne fait qu'un avec sa communauté. Ils vivent ensemble, ils fêtent les moments heureux, affrontent les difficultés et subissent les peines . « Miara miaina : miara mifaly, miara ory ». Parce qu'ils partagent le même cadre de vie, les mêmes aléas de l'existence, ils constituent une unité vivante.

Le fihavanana peut être défini comme l’union et l’interposition du lien social, et du lien interpersonnel qui découle de cet esprit d'unité. Une idéologie fondée sur des relations matrimoniales et parentales ayant servi à asseoir la cohabitation pacifique de groupes de populations, qu'elle soit réelle ou construite

Le lien interpersonnel,
Le lien interpersonnel, que le sociologue et philosophe allemand Georg Simmel appelle la « sociabilité », renvoie aux relations familiales, amicales ou de voisinage et à toute autre forme de relation basée sur le contact de proximité.

L e lien social
L e lien social est une théorie de Jacques Lacan, connue également sous le nom de théorie des quatre discours. En effet le lien social désigne en sociologie l'ensemble des relations qui unissent des individus faisant partie d'un même groupe social et/ou qui établissent des règles sociales entre individus ou groupes sociaux différents. Nous rencontrons cette expression chez Durkheim, qui lui préfère toutefois l'expression "solidarité sociale".

La solidarité sociale
Pour Durkheim la morale est extérieure à l'individu, elle existe dans toute société organisée et est le fondement de la solidarité à l'intérieur d'un groupe. Cette morale exerce son emprise sur les individus de façon plus ou moins forte. Lorsqu'elle est forte, elle pousse les hommes les uns vers les autres et fortifie le lien social ; lorsqu'elle est faible alors le lien social se défait.

Les Malgaches partagent la même échelle de valeurs, outil de référence à leurs jugements. Parmi ces valeurs, il en est une à laquelle ils sont particulièrement attachés : le fihavanana . Cette relation résulte d'un mode de pensée propre au Malgache.

Il est maintenant plus aisé de comprendre pourquoi le fihavanana apparaît comme l'un des biens le plus précieux de tout Malgache C' est une des valeurs fondamentale de la culture malgache, le fondement même la moralité et de la société malgache




Dia inty koa manaraka
http://www.cairn.info/revue-tiers-monde-2008-3-page-507.htm

RABEMANANJARA (2001, p. 27) écrit : « On était solidaire parce qu’on se réclamait de la même lignée. On était solidaire en raison du voisinage et de la proximité, face aux périls et aux nécessités. L’aide mutuelle s’exerçait spontanément dans de nombreux domaines et de nombreuses circonstances. On était ensemble pour le travail des rizières, pour l’entretien des terres des personnes malades ou absentes. On était ensemble pour réparer ou construire les tombeaux. On portait secours aux vieillards, aux infirmes, aux souffrants. En cas de décès, c’était la communauté qui se chargeait de tout. Dans le contrat social, on était les uns pour les autres. » Cette dernière phrase est très forte et elle montre bien l’effacement de l’individu au profit de la collectivité. Ceci est confirmé par RAZAFINDRATOVO (1971, p. 52), selon qui « le lignage avait sa morale sociale, sa justice, normes épousant l’intérêt de la collectivité. Socialement, l’individu doit éviter la perte du baraka, honneur individuel certes mais avant tout collectif, toute infraction personnelle étant susceptible de ternir l’honneur de tous. »
12
Ce qui frappe les observateurs de la société malgache est la volonté affichée du consensus à tout prix. « Conduites et actes physiques ou de parole obéissent les uns et les autres à l’ethos du fihavanana, un idéal d’harmonie et d’entente sociale qui [...] force les hommes à s’auto-contrôler et à se retenir d’exprimer un désaccord trop marqué » a pu écrire OTTINO (1996, p. 445). Dans ces conditions, « dès lors qu’il est clair qu’une question doit être évoquée publiquement et que les solutions ou mesures qu’elle implique n’ont aucune chance de recueillir l’unanimité et que, pire, elle menace la sauvegarde de cette unanimité et, au-delà, l’idéal du fihavanana, elle peut, quelle que soit sa gravité et son urgence, être écartée, ignorée et renvoyée sine die. » (p. 452)

endriny - 13/10/2016 15:26

rhaj0
Ny "nandaitra" tamiko kosa k'lou dia ilay hoe "ny raharaham-pirenena TSY ahalalako havana". Tsisy idiriran'ny Fihavanana ny resaka Firenena.


Indroa io hevitra io izao nonavoitranao teto, kanefa ianao dia milaza fa niainan'ny Malagasy ary mbola iainany ny fihavanana. Dia gaga aho raha io hevitra eo ambony io no itarafana fa misy tokoa ny fihavanana eto sy teto Madagasikara. Mbola misy ilay hoe: Na amboako na amboan'olona, rehefa vandana dia kary"

Dia averiko indray koa fa sadasada efa hatramin'izay izany fihavanana izany teto Madagasikara, fa filamatra sy tanjona tiana ho tratra fotsiny io. Ny zana'Andriamasinavalona izay namorina ny tendrombohitra 12 aza niady an-trano. Ny tanindrana sy ny Tanivo mbola donkiho tsy hay afenina, ny ambany Tanana sy ry zareo ery ambony ery mbola mifangarika izay tsy izy. Dia mbola averiko indray fa ny fiangonana sy ny mpanjanaka te hampandry ny tany no tena nivohy io fihavanana io mba hampanaiky ny Malagasy andoalika amin'ny frantsay fahizany.

I Flacourt tsy nilaza Fihavanana mihintsy fa ny firaisan-kina sy ny rafi-piaraha-monina no nolazaina tamin'izany andro izany.Fa ry zareo mpikaroka sy te hampandoalika an'i Madagasikara taty aoriana no nilaza izany fihavanana izany.

Tsy izay rehetra lazain'ny vazaha akory dia marina. Raha tsy izany dia tokony hanaiky ny baiboly ihany isika satria io no nolazain'ny vazaha ihany koa.

rhaj0 - 13/10/2016 17:21
Raha hoe misy anivony (niveau) isan-karazany ny fiainana, dia ny Fihavanana
- eo anivon'ny Firenena aloha izany dia TSY MISY an'izany. Miombo-kevitra isika eto.
- eo anivon'ny fianakaviana sy namana, dia ... MISY?? Miiombo-kevitra ve isika eto ??
- eo anivon'ny mpiray vodi-rindrina na ny iray vohitra, dia TSISY an'izany hozy i Endriny?

Rahefa mijery ny olona (na peuple) isan-karazany eto an-tany aloha aho, dia, ny fahatakarako azy, dia ireo izay .... ndao lazaina hoe, any @ "grassroot", izany hoe, TSY elaboré be sahala @ sivilizasiona tandrefana io, ireo peuple any @ grassroot dia misy zavatra iray tsikaritro foana, dia ilay hotry ny ilay avy @ "intuition de survie" angamba, izay tena m(amp)iraikitra akaiky ny samy olona. Ireo sivilizasiona (tandrefana) efa élaboré be mantsy, dia efa tsy "survie" intsony no mahavaky ny lohany, ary dia tsy misy, na tsy ahitako, an'io mifampiraiktra akaiky io.

Rahefa mandinika aho, dia ohatra hoe, mahafinaritra ahy ny miaraka amin-drizareo latino sy latina, amerika atsimo toa ny meksikana h@ arzentiniana, fa tena tonga dia mifampitsimbina ary tena chaleureux ny fiarahana.

Vao androany indray koa izao ohatra, dia nisy mpanao gazety niverina avy any Haiti. Dia hoz'izy : ny ouragan dia nanimba tanteraka ny vohitra sy ny fiainan-drizareo, nefa ireo Haitiana dia mbola mitsiky ihany mandray anao. Fa raha miverina avy any Florida ianao, samy voany ihany na Haiti na Florida, dia TSY hahita an'izany.


Ka ny tiako ahatongavana, dia

1- "misy" something ao ry Endriny. Mety tsy haiko, ary tsy voafaritro mazava, fa misy "something" amintsika olona (peuple) TSY toa ny tandrefana (sy ny Kristianisma-ny).

1bis- aleo averiko sy amafisiko, fa io "something" io dia TSY ao @ ireo tandrefana sy ny Kristianisma-ny.

2- fa miombo-kevitra @ Endriny aho, fa TSY hoe tena original Gasy iliay izy. Tsisy an'izany hoe, tsy manam-paharoa fa gasy ihany ilay "something" ao amintsika izao, fa maro koa ny sivilizasiona manana "something" toa antsika.

Ka iilay "something" gasy io no tondroina hoe ... "Fihavanana"...

endriny - 13/10/2016 20:21
Ny fihavanana arak'ilay teninao teo alohaloha teo ihany dia hoe "Havana". Dia faritana avy amin'izay ny hoe inona ireo fototra ifotoran'ny fihavanana: Iray razana, Iray Foko, Natambatry ny fanambadiana, mpifati-dra. Ireo rehetra ireo no mitambatra dia hoe misy ra iraisana.

Fa ao amin'ny fiarahamonina, dia singa iray amaritana ny fiarahana na ny firasankinan'ny mpiaramonina iray ny fihavanana (mpihavana), mpiray tombontsoa, mpiray saranga, mpifameno.

Ary ny mamatotra ny fiarahamonina dia fahaizamiaina, ny fifanajana, ny rafitra, sy ny fomba amam-panao.

Mafy fototra ny fihavanana eo amin'ny Jiosy ohatra satria ry zareo dia afaka manaporofo fa izy tsirairay avy dia taranak'i Abrahama, ary vitany an-taratasy mihintsy ny tetiharana amin'io. Ka ry zareo na miady aza dia mbola mpihavana foana raha vao miditra ny tokotanin'ny sinagaoga iray, na raha vao misy razana hafa (ohatra hoe Malagasy) mitady na manimba an-dry zareo.

Izahay Malagasy anefa milaza hoe havanay daholo ny Malagasy (aleo mihomehy aloha), fa fanambadiana tsy raikitra aza lasa lolom-po mandra-maty. Fiangonana iray miady an-trano dia mamorina fiangonana vaovao dia manangana pasitera izay olona nitari-tolona, dia manana anaram-piangonana vaovao e.

Nisy mpivarotra mofo akondro iray. Nandeha be ny varotra nataony. Nahita an'io ny mpifanolobodirindrina taminy dia nanagana trano kely teo akaiky ihany koa nivarotra mofo akondro. Dia lasa tsy mifampiteny intsony, misy izay mifanondraka rano amin'ny pao mihintsy amin'ny alina amin'izay lasa mamofona ny fivarotan'ny iray rehefa maraina.

rhaj0 - 13/10/2016 20:45

liana-madahttp://www.liana-mada.net/fihavanana/index.php/fr/voambolana/4-fihavanana
le même Aina, le flux vital hérité des ancêtres qui (se) transmet...

endrinyinona ireo fototra ifotoran'ny fihavanana: Iray razana, Iray Foko, Natambatry ny fanambadiana, mpifati-dra. Ireo rehetra ireo no mitambatra dia hoe misy ra iraisana.

Ka mitovy ireo lazainareo ireo, raha ny fahazoako azy.

Ary taloha na fahiny na miaraka @ grassroot, dia nipetraka io teo anivon'ny fiaraha-monina, raha ny fahatakarako azy ihany ho'a. Ka ilay iray vohitra dia mahatsapa koa fa "iray Aina", na izany, "iray rà".

Fa ankehitrio moa, noho ny antony maro, dia tsy dia hita intsony, tsy dia tsapa intsony io "iray Aina, iray rà" io. Satria...

- efa niitatra ny vohitra, niitatra ny fahalalana, nitombo ny filàna, ...
- ary indrindrindra, efa nokosehan'ny fanjanahan-tany na fanjanahan-tsaina (sy ny kristianisma) ilay fi(s)ainana taloha

Tsy dia hita, tsy dia tsapa ho'a ilay "iray Aina, iray rà", na ilay "Fihavanana", fa mbola hita sy tsapa ihany kosa ho'a indraidray, indrindra ho'a any @ grassroot.. na any ambanivohitra ireny.

Izay aloha ny fahatakarako sy fahatsapako azy...

rhaj0 - 06/01/2017 14:39
Ts'haiko aloha, fa raha izaho manokana, dia (mbola te-) hino foana hoe, misy raha (something) ao @ sosaity TSY voakitiky ny Kristianisma, ary izay "raha" izay dia tena samy hafa @ "raha" Kristiana.

Ohatra raisiko matetika dia ny Amerindiana, izay TSY manaiky ny ati-panahiny, tsy manaiky mihintsy, ny isian'ny mpiray monina aminy, ka hoe, tsy misakafo, na hoe tsisy fialofana. Torak'izay koa ny Malagasy -- talohan'ny nidiran'ny tandrefana/kristianisma.

Ny firenena (tandrefana) Kristiana rehetra anefa, dia tena normal be ilay fadiranovana matin'ny fahantrana eo ambavahady volamenan-dRampanana.

Dia hoy anefa ny Kristiana hoe, tsy @ revin-drameva anie ireo Rampanana ireo, ary i Jesosy mihintsy koa no mpitsinjo ny mahantra... Manaiky an'izay aho: i Jesosy, @ mpandinika sasany, dia toa Marxista miihintsy. Ireo pretra (sasany) tao Amerika Atsimo (isan'izany ry Begiligilia) dia te-hitsinjo ny mahantra (toa an'i Jesosy) koa, nefa moa, indrisy ho'a ry tava-tsosisy, fa i Vatican no mpampianatra mahay sy tompon'ny fahefana (sy ny vola).

Ny mpandinika koa, dia milaza fa ny protestanta, noho ny finoany, averiko indray, noho ny finoany, no manana na mahay ny revy kapitalista. Ny Katolika dia .. mahantrahantra kokoa.

Ohatra rahefa kianina ireo evanjelisitrabe ao Zamerika ao, fa hoe, toa manakarembe izato ianareo, dia tena TSY manaikitra mihintsy ny conscience-ny, fa tena sitrapon'Andmntra hono izany. Ny voambakany koa aza moa "mino" an'izany, k'akory ataonao. Dia entre-pa fa izany koa no ianaran-dry Mailhol sy ry Herinirina, SY ny mpanaraka azy.

Koa raha "marxista" i Jesosy, dia fa naninona no lasa tsy-vanona toa io ny firenena rehetra mandala ny Kristianisma, na ny firenena rehetra "de tradition chretienne"???

Ny valin-teniko dia ... savasavao ho'a ny ifotony eee... dia ny "finoana" izany.

Sep 14, 2016

Ny Nofy


Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 14/09/2016 14:17
Inona moa ny Nofy..

Rahefa matory isika, dia misy dingana (stades) maromaro lalovantsika, ary rahefa tonga @ ilay hoe "sommeil paradoxal", dia eo no mivoaka ny Nofy. Raha taitra tampoka eo isika, dia eo no tadidy ilay nofy. Fa raha tsy taitra moa, dia very any iny izany. Miverimberina eo @ io sommeil paradoxal io isika mandritra ny alina (mi-cycle efa ho in-3 h@ 6, manao sommeil lent/sommeil paradoxal/...).

Ka rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" ny tena, dia eo no votsotry ny ati-doha daholo ny fitazomana na fifehezana (controle) ny vatana sy hozatra aman-tsaina (afa-tsy ny maso sy ny sex).

Eo izany isika izao.

Ka ilay vatana sy hozatra aman-tsaina dia manana ny tadidy (memoire), ny traikefa, ny nampianarina, ny noeritreretina, ny revirevi-mitsangana, ets... Izany hoe, raha atao kisary izany, dia toa sobika misy singan-javatra maromaro (pieces-na puzzle).

- Mandritra isika mifoha, dia voafehin'ny ati-doha ireo singan-javatra ao @ sobikantsika io, ary mandeha @ lojikany ny fiainana.
- Fa rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" kosany, dia TSY voafehiny.

Koa raha atao kisarisary izany, dia toa ny hoe, rahefa ao @ sommeil paradoxal isika, dia azo atao hoe, mihontsana indray mandeha ny sobika, ary dia misy kisary avoakan'ilay puzzle. Dia io kisary io ilay Nofy.

rhaj0 - 23/09/2016 18:30
Ny psy aloha dia milazalaza izao ao @ Psychology Today.
Ny fahazoako ny ataon'ny psy ao, dia mijery ny nofy sy ny toetran'ny vatana
(sy saina).
Fa kosa, TSY nahita mihintsy aho psy nilaza hoe, ilay "nofy" iny dia lasa "tanteraka" aoriana.

Ohatra ny vokatry ny fikarohana dia hoe:
"Traumatized children and adolescents overall report 
a significantly higher number of nightmares".
Fa TSISY nilaza mihintsy fa "tanteraka" ilay "nofy ratsy" teo taty aoriana.


Ary ny neuroscientist indray koa ohatra ao @ Scientific American
Dreams seem to help us process emotions by encoding and 
constructing memories of them. What we see and experience 
in our dreams might not necessarily be real, but the emotions 
attached to these experiences certainly are. Our dream 
stories essentially try to strip the emotion out of a certain 
experience by creating a memory of it. This way, the 
emotion itself is no longer active. This mechanism fulfils 
an important role because when we don’t process our 
emotions, especially negative ones, this increases personal 
worry and anxiety.

Ny fahazoako an'io ihany, dia TSISY milaza mihintsy fa izay "nofy" teo
dia (ho) tanteraka. FA ilay fifandraisan'ny nofy sy izay emotion ao aminao
ao no halalinina.

Ka io izany, raha ny fahazoako azy ho'a, dia mihontsona ny sobika,
dia mivoaka eo @ puzzle eo ny emotion sy memory anao tao. Dia izay.
Fa izany TSY midika mihintsy hoe, ilay sary mivoaka @ puzzle ao dia
(ho) tanteraka.
Fa kosa, ny fandalinana izany puzzle (na nofy) izany, dia ahafahana
mahita hoe, inona no mameno ny sobikanao ao (emotion/memory/...)


rhaj0 - 14/09/2016 17:51
Ka ndao atao kivalavala.

1- afak'omaly dia nihontsana ilay sobika, ary dia ny sarin'ny rahalahinao sy ny vadinao no tafatsoropaka teo @ puzzle.

2- omaly indray anefa, dia ny sarinao sy ny vadin-drahalahinao no tafatsoropaka teo.

Ka dia ahoana izany.. Raha kingakinga ianao hanao "interpretation des reves", ka hoe

1- afak'omaly dia namitaka anao Ivadinao
2- ary omaly dia nofitahinao Ivadinao

dia.. ahoana? Dia "tena izay" tokoany ve no dikan'ireo nofinao tao?? Sa fidifidiana hoe, ilay faha-2 kosa tena TSY izy eee... na dia lasitra iray ihany azany ny rezonema natao teo.

rhaj0 - 15/09/2016 16:39
Eo izany mazavabe fa "interpretation" an'ilay puzzle no atao. Ka dia hitanao fa raha ny marina, dia tena TSISY idiran'izay mifampiditra ao akory, araka ilay "puzzle" tafavoaka avy t@ sobika teo, tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana.

Dia hita @ izay "interpretation" atao koa, fa dia (mety) ho lasa negative, ary negative @ n'a pas, ny vokany. Manimba ny fifandraisana, mandrava fanambadiana na ny fiaraha-monina sns...

Ka io "interpretation des reves" io hono no nametrahan'i Mahomet fampitandremana. Ao @ fampianaran'ny Moslimo ao, dia hoe, raha hanao "interpretation des reves" ao ihany hono ianao, dia ... "mivavaha" aloha.

Ny fampitandremana ankehitrio kosa, dia hoe, raha hihaino ireo mpanao "interpretation des reves" ihany ianao, na dia efa kOpy azany ianao fa "interpretation" (subjective) ilay izy, dia mba mailomailo tsara azany, hoe,
- ngo dia misy "conflit d'interet", izany hoe, misy interet-n'ilay olona ny mi-influencer anao (nisy nanome 3V izy... na hoe, manamafy ny sezany sy fihinanany ny finoanao izay lazainy)
- olona TSY manana mauvaise intention no miresaka aminao


rhaj0 - 15/09/2016 20:08
Inty indray misy kisarisary hafa azahoana mahazo ny hoe Nofy..

Toa ny rahefa manao scrabble indray ohatra. Ao @ sommeil paradoxal-nao ao izany ianao, dia nahazo vato ananki-7. Dia ho avy ny "mpahay azy" hilaza ary hamaritra teny iray.

Dia tena izay tokoany ve ny aminao? sao kosa... créativité-n'ilay "mpahay azy" fotsiny iny?

T@ ilay fandaharana t@ radio reko mantsy, dia nitantara ny Nofiny ilay ramatoa. Dia avy ilay "mpahay azy" (psy ilay iray ity), namariparitra ny "mety" ho dikany, araka ny "fahalalana @ ankapobeny momba ny Nofy". Saingy nisy zavatra iray tao @ ilay Nofy no TSY @ ilay fahaizan'ilay mpahay azy. Ilay ramatoa afrikana. Ilay psy tandrefana. TSY takatr'ilay psy ny teny iray fa maika ny hiresaka izy. Nefa ilay teny dia manoritra "dadarabe". Nony takany fa izay ilay izy, dia vasoka be teo izy, satria dia tena TSISY dikany mihintsy ilay nofariparitany teo.

rhaj0 - 15/09/2016 20:38
@ ilay interpretation hoe, ianao no mamitaka an'Ivadinao, sa(tria) Ivadinao namitaka anao, dia hitabe fa dia lasitra iray ihany ny rezonema natao.

Sa fidifidiana hoe, ilay faha-2 kosa tena TSY izy eee...

Ilay izy, raha ny fahatakarako azy ho'a, dia nihontsana ny sobika tao @ sommeil paradoxal tao, dia io no tafavoaka, ka dia izay izany... fa "tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana", rahefa afaka mifehy ny "sobika" sy ny "puzzle" ny ati-dohanao rahefa mifoha ianao.

rhaj0 - 20/09/2016 18:58
Ka ao @ Baiboly ao, dia misimisy ihany no hoe, "noresahin'Andtrmna tao @ nofiny tao". Ohatra...

Daniela 8:20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

Ka nanofy ondrilahy sy osilahy hono i Daniela, dia avy eo, nolazainy (inoy-tsy-asiana-adi-hevitra) fa "anjely" no nanao "interpretation des reves" taminy, fa ireo ondrilahy sy osilahy ireo dia mpanjaka...

rhaj0 - 21/09/2016 14:35
Ka io izany raha atao kisarisary, dia hoe:
Ilay borikilahy no nanofinofy ondrilahy sy osilahy
Ka ny mpanjakan'i Grisia no lazainy fa hanao coup d'état


Fa dia... kOpy ianao izany fa ... ireo olona fahiny, rahefa manofy, dia koditra, satria tsy takany hoe inona koa izany, ary dia akapokapony ho Anjely sy Jehovah no miteny ao anatin'ny nofiny ao.

rhaj0 - 24/09/2016 14:38
Raha fehezina izany dia

- raha manao "interpretation" ny siantista, na ny psy, dia ny ahalalana ny fandehany (processus) ary koa ny votoatiny (ireo puzzle-na memoire/emotion) no halalininy. Izany dia ny mba hanampiana ny hanatsara (na hanarina ny tsy mety) @ fiainan-draolona

- raha manao "interpretation" kosa ny mpambotry ny namany, toa ireo charlatan mamahan-dalitra, na ankehitrio io na taloha (ohatra ny tao @ Baiboly), dia lazainy fa mahita "fambara ny ho avy" hono izy, ary izany dia hihatra ary ho tanteraka, tahaka izay "hita" (na ilay no-interpreter-na) tao @ ilay Nofy teo.

endriny - 27/09/2016 06:51
Inona no maha samy hafa ny nofy atoandro sy ny nofy ririnina?

rhaj0 - 27/09/2016 12:56
Ilay "nofy atoandro" raha ny fahazoako azy, dia ilay mandrevirevy, mamoromporona sy mamboaboatra zavatra imazinera ao, ka hoe, ataoko an'izao ny izao, ary dia tena lasa @ izao. TSISY lojikany... na hoe, misy lojika-na mpandrevirevy ny resaka amboarimboarina ao.

Raha ny fahatakarako azy, dia izay indrindra no fataon'ireo (manondro-tena ho) "mpaminany" (ao @ Baiboly).

Fa io moa, rahefa arahiny "feo mafy" sy averimberina, dia tena ... lasa mino tokoany ny zavatra noforomporoniny teo i Rampaminany.. Dia ny "te-hino" koa moa be dia be, ary dia lasa hotry ny mba tena marina ilay revirevy noforomporonina namboaboarina tao.



Ilay "nofy ririnina" indray, raha ny fahazoako azy, dia... rahefa ririnina moa, mangatsiaka, dia mora taitra avy @ ilay sommeil paradoxal, ary dia tsaroana ilay nonofisina teo. Fa matetika loatra angaha no taitaitra @ torimaso noho ny hatsiaka, ka dia lasa maromaro ny nofy tsaroana. Dia io hita io fa dia "nofy ririnina" tokoany ilay izy: tsisy idiran'ny paiso @ laisoa... sahala @ nofy rehetra ihany.

endriny - 30/09/2016 06:14
Ka ilay faminaniana ve nofy atoandro sa nofy 

rhaj0 - 30/09/2016 12:55
Raha ny fahatakarako azy aloha, ny faminaniana dia "nofy atoandro". Resaka noforomporonina, dia namboarimboarina mba hifanaraka @ izay revirevy ao. Sahala @ i Rowling manoratra ny tantaran'i Harry Potter ihany io.

Satria... taiza no nisy "lojika" teo @ firohizan'ny nofy, averiko indray, teo @ firohizan'ny (tantara anaty) nofy ho'a, ka hoe, tena nifandraika @ hiainana ? Ilay singan'ilay puzzle, dia ireo memoire/emotion/... dia (mety) zava-m/nizy, fa ny firohizan'ireo singa ireo, ny fitambaran'ireo ho lasa tantara, eo no tsisy lojikany.

Tantarao ohatra hoe ny nofinao farany...

Izaho izao nanofy hoe, napetrako tatsy ho atsy hono ny fiara (hotry ny any Dago ilay toerana, nefa izaho izany aty Kanada), fa nony niverina aho, dia nanjavona ilay izy, ary tena lasa gaigy kely mihintsy aho tanaty nofy tao.

Dia maninona? "fambara" ve izany, sa "faminaniana" fa ho very tokoany ny fiarako?? Na hoe, tena hiverina any Dago aho izany atsy ho atsy?? Sa asiantsika kely creativitE kely indray io, ary dia hoe, ohatra hoe, "faminaniana" izany fa ho very ny ... alikako?? Sa hoe, hanambady ny zanako?