Menu

Jun 27, 2016

Aiza ny atheist

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 27/06/2016 14:27
https://img.washingtonpost.com/wp-apps/imrs.php?src=https://img.washingtonpost.com/blogs/worldviews/files/2013/05/atheism-map-1024x506.jpg&w=480

rhaj0 - 28/06/2016 21:18

tranokwlyinona indray ity r rhaj0 ...

Mba nampisoka-maso eee... misy mantsy @ Kristiana, vao mahare hoe atheista, dia devoly demony, satria izay no nosesefana azy tao (@ vohitrakely tao), ka dia mila aseho hoe, olona nofo sy ra ary misy saina fo aman'eritreritra daholo izany, fa tsisy etre fantastique sy imaginaire eo...


rhaj0 - 29/06/2016 12:15
Ka rahefa mi-google, dia hahita ohatra ato ny antsipiriany, atomboka @ wiki
https://en.wikipedia.org/wiki/Demographics_of_atheism

Ny salan'isa dia samy nanao, ary dia samy nanome ny azy. Fa @ ankapobeny, ny betsaka Atheista, dia ny tany mandroso (Eoropa sy Amerika sy Aostralia..), ny Komonista taloha ary i Sina.

Fa raha ahitatra ny tsikarokaroka, dia aty Afrika koa mba mahatakatra izany.
https://en.wikipedia.org/wiki/Irreligion_in_Africa
Ohatra hoe, Wole Soyinka, Nigerian writer and winner of the 1986 Nobel Prize in Literature


rhaj0 - 29/06/2016 13:15

tranokwlyza mpapiantra en amn université

Ka miray kilasy @ siantista eny @ Oniversitia ilay @ ilay inona ianao izany: physicist sa biologist??

https://whyevolutionistrue.files.wordpress.com/2013/06/picture-23.png?w=500&h=370

rhaj0 - 11/07/2016 22:25

lahindroyiza no tsy mpino ?

Io izany ny TSY-mpino, na ny Atheista io, dia efa niara-nahalala fa avy @ Tany eran-tany. Dia ny hoe IZA indray, dia avy @ izay sokajin'olona rehetra koa ee.. na lahy, na vavy, na ankizy na lehibe, na LGBT na straight, na mainty na mavo na fotsy, na siantista na politisiana na bizinesiman, na ny gadra na ny polisy...

Fa rahefa jerena ny statistika, dia ohatra hoe.. (saika ny ao Etazonia no statistika hitako, fa mba zarao koa azany ny statistikanao)
- misy milaza fa eo @ 14%-n'ny zamerikana no TSY-mpino, nefa indray 0.1%-n'ny gadra no TSY-mpino
- misy milaza fa efa ho 93%-n'ny siantista no TSY-mino, ary ny biolozista no tena be TSY-mpino; nefa indray 24%-n'ny dokotera no TSY-mpino


Eto izao ny atheista mandalindalina ny momba azy ihany, dia hoe
http://atheistscholar.org/AtheistPsychologies/AtheistDemographics.aspx
Atheists are predominately male
The new atheists are on average younger
Atheists are better educated than believers
Atheists are in higher income brackets than believers
Atheists have a better, guilt free sex life than believers



rhaj0 - 24/02/2014 20:50
Raha mijery ny statistika @ sehatra siantifika, dia ity no salanisa voaangona efa h@ 1914 : mihena hatrany ny isan'ny mpino eo @ samy siantista.

Citationhttp://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists
BELIEF IN PERSONAL GOD 1914 1933 1998
Personal belief 27.7 15 7.0
Personal disbelief 52.7 68 72.2
Doubt or agnosticism 20.9 17 20.8
BELIEF IN IMMORTALITY 1914 1933 1998
Personal belief 35.2 18 7.9
Personal disbelief 25.4 53 76.7
Doubt or agnosticism 43.7 29 23.3

Disbelief in God and immortality among NAS biological scientists was 65.2% and 69.0%, respectively, and among NAS physical scientists it was 79.0% and 76.3%. Most of the rest were agnostics on both issues, with few believers.


Raha ny salanisa eran-tany kosany dia salasalany ...

Wikipediahttp://en.wikipedia.org/wiki/Demographics_of_atheism
According to one study, the number of atheists is on the rise across the world, with religiosity generally declining. However, another global study has concluded that atheism is on a global decline due to continuing steady increases in religiosity in China...
- 2011... sampled 1,129 Canadian adults and came up 30% who do not believe in a god.
- 2011 Gallup poll, more than 9 in 10 Americans say "yes" when asked the basic question "Do you believe in God?"
- 2010... European Union citizens ... 20% that "they do not believe there is a spirit, God, nor life force"
fanamarihana: ny salanisan'ny tsy-mpino no nasehoko (azony misy karazany maro ny mpino)


Fa raha ny @ fiainana andavanandro, dia ..
Ny ao US, dia manomboka mivoaka ary miray hina ny atheists, fa laonin'ny fitsabahan'ny mpino (evanjelistra, born again christian sy catholic) @ raharaham-pirenena sy ny fianaran'ny ankizy. Dia tsikaritro in-1 mandeha fa manomboka manao fihaonana ny samy atheists (hotry ny any am-piangonana).
Ohatra hoe eto, Le Rally de la Raison: ils étaient 20-30k samedi dernier à Washington DC


Ny aty Kanada indray ohatra dia misy dokam-barotra atheist hitako eny ho eny. Fa ny tsikaritro koa dia ny beantitra sy ireo mpihavy no tena mpankany am-piangonana rahefa alahady. Anaty fonosana fa ny gasy aty dia manana ny fiangonany na katolika na protestanta na loterana na selam-pivavahana...


Ka efa hifarana ve hoy ianao ny andron'ny kristianisma ?


Raha ny hevitro manokana dia ... tsy hifarana fa hihena hatrany ny kristianisma. Izaho mihevitra fa ny siantista no mitondra ny lamaody.

rhaj0 - 26/02/2014 19:13
Tiako ho avoitrako kely ilay salanisa etsy ambony.

Eo @ samy siantista izany dia:
- 52.7% no TSY-mino t@ 1914
- 72.2% no TSY-mino t@ 1998, izany hoe nitombo 20.5% rahefa 84 taona aty aoriana.

Koa azo eritreretina ve, ohatra raha ny aty Kanada, eo anivon'ny fiaraha-monina ankapobeny
- 30% no TSY-mino @ 2011,
- ho 50% no TSY-hino @ 2095 ?

Izaho mihevitra hoe ENY.


Ny fahazoako ny antony isian'ny fironana ny TSY-hino teo @ samy siantista, dia noho ny fahalalAna norantovina teny @ Anjerimanontolo, sy ny fahalalahana mandray izany (tsisy anteritery avy @ sasany).

Ka @izao fotoana izao, dia ... ilay fahalalana izao dia mora rantovina tokoany moa izany izao, eraky ny internety, ary misy tokoany ny fahalalahana mitsikaroka (tsisy anteritery, censure, mihintsiny).

Koa "mino" akoriny aza aho fa ho haingana kokoa ny fironana any @ TSY-finoana. Indrindra moa fa ny tanora dia tena kingakinga @ internety (saika ny beantitra sy ny mpihavy ihany no mankany ampiangonana).

rhaj0 - 28/02/2014 20:04
Ilay fahalalana (savoir) sy fahalalahana (liberte) ahafahana mandranto sy manovo eto @ internety, hoy aho teo, no tena (anisan'ny) hanafaingana ny fironana (indrindra ny tanora) mankamamy ny TSY-finoana.

Fa ny hitako zava-dehibe koa dia ilay fahafantarana na fahalalana fa TSY irery, ary TSY ianao irery, anie no mirona mankamamy izany fiovana na fivoarana izany.

Hafa mantsy ny taloha. Mihidy ao @ fiaraha-monina kelinao tao ianao. Tsy mahalala izay any ivelany any. Dia rahefa nandinika lalina anefa ianao, dia tonga aminao ny fisalasalana (doute) ohatra. Fanefa dia poretin'ny mpitondra (fivavahana) sy ny fiara-monina kelinao tao ianao; ary dia lasa ohatry ny ianao, ianao irery, indray aza no lozabe. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) koa anie no toa anao, ao anatin'ilay fisalasalana. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) aza no efa nihoatra ny fisalasalana (doute) ary niampita rano. Ary dia voatery sy voahidy tao @ ilay fiaraha-monina kelinao tao ianao.

rhaj0 - 04/03/2014 16:16
Raha raisinao ho "rendrarendra" ny fahalalana (savoir) sy fahalalahana (liberte), ary ny firaisan-tsaina sy fo @ olona hafa finoana aminao (na TSY-mino ny marimarina kokoa), dia ... eranao ihany izany.


Raha ny hevitro manokana dia samia fotsiny mampiroborobo ny finoany ao anatiny ao e.. tsara anie izany e... ary rahefa manao tsara fotsiny ianao dia basy.
Ny hevitro dia tsisy mitana ny "marina tanteraka"... fa samia fotsiny mivelona dia avelao ny olona ivelona e.. (vivre et laisser vivre)


rhaj0 - 23/03/2017 12:34
RBNIRIanareo v Atheistes sa agnostiques?

Izaho dia Atheist (hiringiriny)..

- TSY manaiky ny fisian'izany Andrmntra izany. Amiko TSISY izany. Na Atry ny Kristiana io na Atry ny Grika, na i Grand Manitou io na i Vishnu.

- Dia ny cortege manaraka izany koa dia tena TSISY, tsy mi-existe, amiko.. na Devoly na Anjely, na Paradisa na Helo, na koa hoe lasa vorona na hoe Ambondrombe. TSISY na tsy mitombona ireo fahagagana sy miracle tantaraina anaty Baiboly sy Quran na koa izay taterina aty aoriana. TSISY izany teny nakapoka t@ vaton'i Moizy izany. TSISY izany sambofiara Noah izany.

- ary TSISY mitombona izay "faminaniana" rehetra, na ny naroson'i Jesosy, na izay ao @ izany Apokalipsa izany. Na ny faminanian'i Nostradamus na izay lazain'i Mahomet.


Amiko IREO REHETRA IREO dia vokatry ny imagination-draolona, t@ fotoan'androny sy jeogirafiany tany, miaraka @ fahalalany (niveau de connaissance) t@ izany.

Rehefa TSY mahatakatra zavatra na resaka, tsy maha-controle zavatra na resaka, nefa koditra ao, dia lasa mamoromporona revy eo Raolona. Dia mifamokivoky ao.


Ny agnostique dia ireo izay mbola "mametra-panontaniana". Tsy miteny izy hoe "misy Atra" na "tsisy Atra", fa mihantona eo ny hevitra.

Fa raha ny fahatakarako azy aloha, dia ny Agnostique dia TSY @ ilay hoe "manaiky-tsisy-porofo" (mino). Amin-drizareo, rahefa "tsisy-porofo", dia TSY manaiky koa izy fa mihantona ny resaka.
- Izany hoe, ny Agnostique dia TSY MPINO.
- Izany no andaharana ny Agnostique ho miaraka ny Atheist.

Jun 13, 2016

Ny Fivavahana sy ny Fomban-dRazana


Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 13/06/2016 02:25
Raha ny fahitako azy, dia mila fantarina tsara aloha hoe, inona ilay "fomban-drazana". Ohatra hoe, ireo "ohabolana" tanisainao ireo ve, dia tena "oha-pitenenana" na oha-bolana talohan'ny Kristianisma tonga teto, 1800s, sa oha-pitenenana navalambalan'ny Kristianisma, taorian'ny 1800s.

Satria ny kely fantatro ohatra, dia @ Razantsika, dia misy ny
- Andriamanitra, lahy
- SY Andriananahary, vavy.

Koa raha miresaka "Andriamanitra" ny oha-pitenenana narosonao, dia... toa "Andriamanitra-Kristiana" ny fahitako azy izany.


Ka averiko kely indray... mila fantarina tsara aloha hoe, inona ilay "fomban-drazana".

Io sahala @ ireo milaza fa ny mpihira-gasy dia tena @ ilay gasigasy amin'azy mihintsy ny fiankanjony ohatra. Nefa... jereo kely ny satrok'i Maurice Chevalier ange eee...

rhaj0 - 14/06/2016 12:35
Raha ny fahazoako azy, dia ny "fomba" dia mifototra amina "principes" na koa "valeurs" maromaro na vitsivitsy. Ka ny fahalalana ireo "principes/valeurs" ireo no ahafahana mitaratra, sy koa mahazo tsara, izay fomba na fombafomba... an'izay sivilizasiona eo.

Fa io approche-n'i RBNIR io ambony io izao, dia ... toa ny mahazatra (ny Kristiana), dia tsindrotsindrohany indray izao fomba sy fombafomba mampetimety ny baolina ao. Dia izay no ataony "fiki-maty" ao, fa hoe izay hono no "tena izy", araka ny bitsiky ny.... imagination-ny ao.

rhaj0 - 15/06/2016 17:01
MIsaotra an'i Endriny foana aloha mba manazava sy mizara ny an'ny RazaNTSIKA. Mba ampio antsipirihany fa tena liana dia liana mihintsy aho.

RAha ny fahazoako azy, toa ny sivilizasiona rehetra ihany, na ny an'ny Razantsika io na koa ohatra ny Ameridiana, dia ilay fomba sy fombafomba, dia mifototra @ "finoany" ny fifandraisan'ny Raolona sy ny planeta Latera (olona, biby, zava-maniry, sns...).

Ohatra raisiko foana, satria tena nahatonga saina ahy, dia
- ny an'ny Amerindiana, dia "mpindrana" Raolona fa TSY tompony
- fa ny an'ny Kristiana, dia "mpanjaka" i Raolona
- ny an'ny Razantsika, dia heveriko fa manakaiky kokoa ny an'ny Amerindiana isika.

Dia hitanao taratra arak'izay ny zavatra lasa atao, ka lasa fomba.
- ny Amerindiana rahefa miditra an'ala izy, dia tsy mamela trace izy mivoaka eo, araka izay azony atao, ary izay ilainy ihany no alainy
- ny Kristiana, dia hananganany fefy ny ala, ary dia hanjakany ny ... bois de rose.

rhaj0 - 15/06/2016 18:48
Tohizako kely..

- ny an'ny Amerindiana izany "mpindrana" Raolona, ka dia kolokoloina ny "nindramina" fa tsy avela ho ravarava eo koa. Ka ao anatin'ily planeta Latera koa moa ny "olona". Ary ho an-drizareo, dia TSy avela ho "ravarava" ny namany"; io ilay hoe TSISY mahantra tsy misakafo sy tsy misy tafo izany @ Amerindiana.

- ny Razantsika koa toa izany (jereo Flacourt io ambany io). Izay ilay FIHAVANANA.

- Ny Kristiana anefa, dia "mpanjakan'ny olona hafa" koa ny sasany, ary normal be raha misy tsisy-sakafo-tsisy-tafo eo ambavahady volamena-vatosoa-toa-paradisan'ny mpanjaka.



http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f112.image
Flacourt page 86: Pour ce qui regarde l'hospitalité, ils l'ont entre eux, s'entre-assistent de vivres les uns des autres, et ne denient point à manger à ceux ils enqui leur demandent, quand ils en ont les moyens, s'ils mangent, ils départent ce qu'ils ont à tous les autres, et le plus souvent ils ne gardent rien pour eux, estimant cela à l'honneteté, ce que pratiquent tant grands que petits, par une coutume ou inclination naturelle.

endriny - 16/06/2016 07:05
Ka raha ny fomba Malagasy ange dia lasa miova amin'ny lohahevitra hafa mihintsy indray isika fa tsy eto intsony e... sa hoe atao mifandraika amin'ny finoana ilay izy?

1 Fady ny misioka hariva maty masoandro fa miantso angatra
2 Fady ihany koa ny mitoraka andro harivariva sy hariva fa mahavoa mason'angatra

Ilay hoe soamaroroka na soadodoka dia fety na tsimandrimandry fatao isan-taona amin'ny manonina voasary, ka fetin'ny andriambavilanitra izy io. Amin'io dia anjaran'ny vehivavy no mifidy izay lehilahy tiany hiarahana. Ary fotoana ihany koa an'ireo tovovavy nimaoty hisatarana ny fiarahana amin-dehilahy. Fety maharitra herinandro izy ity. Nantsoina koa fahiny hoe Fehireniaina, satria fehezin'ilay reniaina (vehivavy) amin'ny lambany ireo lehilahy tiany hiaraka aminy ny hariva. Izany hoe eny amin'ilay ankavoriana eny, dia hitan'ilay vehivavy ny lehilahy tsara ho azy iray tonga dia sampinany ny lambany ary tarihiny manaraka azy. Raha tsy diso aho dia I Ranavalona I no nanao ity fety ity farany teto Antananarivo...

Ny Miakadahy indray dia fety lehibe ho an'ny lehilahy. Rehefa vita for a ny zazalahy fony kely dia entina amin'ny fetin'ny miakadahy rehefa feno 4-6 taona, arakaraka, satria ity dia fety fihobiana hoe velona sy afaka mihinjitra ny an'ilay zazalahikely. Ka fety atao isam-pianakaviana na isam-poko izy ity. Omena ondry, omby, akoho ilay zazalahy kely amin'io, ary eo ny Ray aman-dReny no mitily izay ho vadin'ilay zazalahy rehefa ho lehibe...

rhaj0 - 16/06/2016 14:12
Dia mbola misaotra an'i Endriny foana mizara ny an'ny Razantsika eee...

Fa mahavariana tokoany izany Soamaroroka izany. Nisy fandaharana t@ TV koa hitako indray mandeha, dia zareo any Azia atsimo atsinanana any, (mety) mitovy Razana amintsika izany, dia amboaran-dRaR trano heva kely mihintsy i sipakely (8-14 taona) ao an-tokotany, ahafahany mitondra bandikely hiara-hirevirevy aminy. Dia i sipakely no misafidy izay ho vadiny.

Efa noresahina teto @ serasera ihany ny tatitr'i Flacourt sy ny sexe teo @ Razantsika (io ambany io santionany, na koa zahavo atsy @ bilaogiko fa natambatro tao.


Ny fahitako azy dia tena tsisy complexe mihintsy ho'a ny sivilizasiona isan-karazany @ resaka sexe eee... Ny Kristiana civilisé ihany no ... te-ho virijiny lava ao, dia monogame mandrapahafaty, dia sady matahotra no manozona LGBT, ny mpitarika an'azy dia virijiny (mandainga) tsy manambady toa Damopra.. ets...


http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Avant que d'être mariée, elle jouent (jouissent?) tant qu'elles veulent, et se prostituent â tous venants pourvu qu'ils payent, et si un homme a manqué de les payer elle vont effrontement lui oter la pagne sans qu'il ose se défendre ... ainsi c'est la coutume du pays, que la simple fornication, entre ceux qui ne sont pas mariés, n'est point pêché envers Dieu ni envers les hommes. Les filles ne voudraient épouser un garcon qu'elles ne l'eussent éprouvé plusieurs fois, et longtemps auparavant. Entre ceux qui sont mariés, l'adultêre est seulement repité un larcin, etune injure envers les hommes, dont l'amende se paye comme pour avoir commis un larcin..

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Ils sont fort adonnés (?) à la paillardise (?) et estiment aussi celui-là malheureux qui n'a point de femme, et plus encore celui qui n'a point de mignonne. Ils ont la pluralité de femmes suivant les moyens qu'ils ont de les nourrir, ce qu'ils appellent Mampirafe... Si les hommes sont sensuels, les femmes ne le sont pas moins, et ne laissent écouler aucune occasion de passer leur temps, ayant toujours outre le mari un ou plusieurs amis, avec qui elles jouissent; si leur mari se fachent, elles le quittent fort bien, et s'en vont passer leur temps avec qui bon leur semble. Le mari étant trop heureux de les aller chercher.

rhaj0 - 17/06/2016 18:08
Fa favy ilay mba fantatra hoe, fa maninona tokoany moa ity natao no lasa fatao, dia lasa fomba na fombafomba. Misaotra an'i Endriny.


Fa ny an'ny Kristiana izao, dia ... raha mba fantatra na azo fantarina koa moa ny anton'ireo fombafomba Kristiana, na ny historique-ny izany eee... dia mety mba misokatra mazava saina kokoa izany ny Kristiana eee.. Saing ny an'ny Kristiana moa, ny fanamarinany ny ataony ao, dia toa "didy" avy @ Baiboly, TSISY pouquoi na pour quoi fa dia izay ilay izy dia araho.

RAha diso aho, dia amoahy fomba na fombafomba kritiana azany, dia hazavao hoe, izay no natao satria...

rhaj0 - 17/06/2016 18:15
tohizako fa tsy andriko ....

Ohatra izao, ao @ Baiboly ao, dia (izay voasoratra dia) voasoratra mazava hoe: ny vehivavy dia TSY mahazo mitory teny ao am-piangonana. Ary TSY tokony hiteny akoriny azany izy, fa any @ Ralehilahy izy manontany rahefa any an-trano.

Ka inona ny antony hoy ny fanontaniana ???

- dia hoy i Rakrisy hoe, toko aman'andininy. Point barre.
- nefa anie, raha mandalina kely fotsiny izy ny @ fipetraky ny "fahalalana-de-l'an-zero", dia ho kOpy eee...