Menu

Oct 17, 2016

Ny Fitadidiana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fanabeazana ao @ Serasera

rhaj0 - 17/10/2016 19:01
Na zokiny na zandriny dia, mino aho fa samy mieritreritra hoe, ahoana tsara ny @ Fitadidiana ity, ary ahoana no hanatsarana azy.. Ny zandriny te-hahay raha vaovao, na dia voan'ny hanaovana tsianjery-boka azany izany. Ny zokinjokiny te-hizara bilagy. Ny zokinibe tsy te-ho lazaina fa voan'ny Alzeihemer...

Izaho izao dia vaky vava hoe, fa dia maninona loatra azany i Rafitadidiana ity no mamilafila...

ohatra..

1- raha mandeha eny @ arabe aho, dia mahita lozam-pifamoivoizana ohatra, dia mety hoe, 10 segondra raha be indrindra no nandalovako teo, fanefa dia misy ary betsaka ny antsipiriany "tadidiko". Na ireo fiara sy ny lokony, na ireo mpamily sy izay nahavoa azy tao, na ireo mpijery ets... na hoe, taiza na koa t@ firy no nitranga ity seho ity...

2- nefa raha angatahana aho, hitadidy seho iray @ antsipiriany, mety @ asa io na fianarana ets... dia... na 1 minitra azany no amena ahy, dia TSY betsaka noho ny tadidiko @ tranga io ambony io no ho tadidiko.


Koa ahoana ny hanazavana io ohatra io.. Dia inona no lesona azo tsoahina mba ahatsara ny fitadidiana ?

endriny - 18/10/2016 06:52
Fomba fiasan'ny atidoha sy ny taova manodidina azy mihintsy mantsy izay.

1. Raha misy loza hitanao, tsy nampoizina io a. Hitan'ny maso tampoka na tsinahy, tonga dia ny saina iray manontolo mipaka sy mifototra amin'ilay tranga. Izany hoe ohatran'ny fakantsary ilay olona eto, ka mipika indray mandeha ny masony dia tadidiny daholo ny tranga rehetra. Saingy ity, ny zavatra rehetra tao aoriana an'io dia tsy misy tadidiny rha tsy afaka. Raha nandalo olona manjabe aza izy taorianan'io tranga voalohany io, dia tsy hitany sy tsy fantany akory hoe nisy bandy bogosy sy nanao ranomanitra nandalo azy taorian'ilay nahitany loza. FAKANTSARY.

2. Ny fianarana lesona dia mitaky ny tsirairay hifantoka amin'ilay lesona, kanefa ny saina maro sahanina, fa sady mijery ny soratra vakiana no mamentsoventso hiran'i Mahaleo any ambadika any, no sady miheritreritra ny naoty mety ho azo raha mahay na tsy mahay, sady miheritreritra hoe iza amin'ireto aza no mety ho adinin'ilay mpampianatra. Hany ka ny maso sy ny saina dia "terena" hanaraka tsirairay ny antsipirihan'ny soratra vakiana sy ny kisary. Ka dia tsy maintsy alefa tsikelikely ilay izy. Ohatran'ny SCANNER no fiasan'ny saina sy ny taovan'ny olona eto. Ka rehefa manao SCAN moa dia tsy maintsy misy very ny resolution sasany e.

Asa mety mazava ve izay.

rhaj0 - 19/10/2016 17:27
MIsy teny milaza io lazain'i Endriny io.. hoe "mémoire photographique". Ka dia ity hozy wikihow no fatao hazahoana ity izy, zaraiko eto..

http://fr.wikihow.com/avoir-une-m%C3%A9moire-photographique
@ ankapobeny, ny lakile dia Fi(s)aina madio (hygiene de vie), sy stratejia vitsivitsy (mila fifantohana ampiana fikafika na teknika mnémonique.


Fa t@ radio nahenoiko io resaka io, dia lazainy koa hoe

1- ilay fitadidiana ilay lozam-pifamoivoizana, dia vokatra-na fitadidiana-TSY-fanahy-iniana, na "mémoire non-intentionnelle".
2- ilay fitadidiana tadiavina @ fianarana anefa dia vokatra-na fitadidiana-fanahy-iniana, na "mémoire intentionnelle"

Ka ilay faharisihana (motivation) sy izay fipetraky ny saina (état d'esprit) rahefa roboka ao amina "fitadidiana-TSY-fanahy-iniana" izany no mila fantarina, dia ametrahana, na koa amolahana ny tena mba ho tonga @ izany... sa ahoana?

rhaj0 - 26/10/2016 17:00
Dia tadidio hono ny karazana tadidy

1- mémoire épisodique izay zanaky ny mémoire à long terme. Io izany ny fitadidiana tranga na seho iray
2- mémoire sémantique.. fitadidiana ireo famaritana. Ohatra hoe, ny rambon'ny sifaka dia mainty/fotsy
3- mémoire prodécurale.. fitadidiana lahasa. Ohatra hoe, ahoana ny fitaingenana bisikileta

Ka ny mahavariana na mahaliana (ahy) hono, dia ireo #2 sy #3 dia toa raikitra lalina ao @ fitadidiana foana. Tsy ho verinao tadidy mihintsy ny lokon'ny rambon'ny sifaka, na koa, ny fitaingenana bisikileta.

Dia fa maninona azany ilay mémoire épisodique no (mora) hadino??

Ohatra hoe, aiza ny lakile? Tadidinao fa ilay lakile dia bingobingo. Tadidinao ny fampiasana io lakile io. Fa maninona no tsy mba mekanisma fitadidiana toa izay koa no misy, mba hampipetaka ao an-tsaina tsara, fa napetraka tetsy ambony latabatra anie ilay lakile teo?.. manjary lany ny andro fa very foana ilay lakile...

Ny ahy ho'a, ny maha-mendy ahy izao, dia ny mba hanana fitadidiana tena raitra eee..

ka mety atao toa izao ve hoe...
- ny "lakile ambony latabatra" dia atao hoe "famaritana" (sémantique),
- sa ve hoe, atao "procedural" ilay "mametraka lakile ambony latabatra"

rhaj0 - 14/11/2016 22:18
Resaka ankapobeny hafa momba ny fitadidiana:

1- Ny olona hono dia mahatadidy eo @ zavatra +/- 7 eo ho eo @ tranga na seho irey. Izany no nisafidianan'ny tompon'andraikitra ny isan'ny isa @ nomerao telefaonina aty amerika avaratra ho ananki-fito. Isa mazika izany: FITO (7). Ka eto izany, raha tena mahatsapa-tena ianao ny miezaka ny hitadidy piti-dresaka 7 @ izay tranga eo, dia mety tsy ho very tadidy ilay izy.

2- ny fahaverezan'ny tadidy dia miandalana; fa raha ohatra ka iverenana resahina ny resaka teo, isaky ny segondra na minitra, na afaka ora 1, dia (mety) ho voatadidy ihany. Izany no atao rahefa ilay mamerimberina ilay nomerao telefaonina vao azo teo iny. Koa izay izany no stratejia raha te-hahay: mila mamerin-desona na mamerin-dresaka matetika.

3- Ilay tadidy hono dia toa boky eraky ny tranom-boky: voatahiry ao anaty tranom-boky ny resaka, fa kosa, ny amoahana na isarihana ilay boky no olana. Satria hono, nisy fanandramana iray. Voan'ny Alzeihemer ilay ramatoa, ary isa-maraina, dia TSY mahatadidy ny dokoterany. Koa izao no nataon-dradoko: isaka ny mihaona zareo ny maraina, dia tsindrominy @ paingotra i ramatoa. Ny andro manaraka, dia tadidin-dramatoa ny tsindrom-paingotra, ka dia mihataka izy, fa kosa, mbola tsy tadidiny ihany Radoko. Ka hoe, tokony ao anaty tranom-boky ihany Radoko, fa ny isarihana izay info, Radoko sy ny anarany, no olana. Ka dia any izao hono ny fikarohana sasany no mandalindalina...



Oct 3, 2016

Ny Fahafatesana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 03/10/2016 16:47
Rehefa dom-pahoriana ireny, dia tena mampipapapapa mihintsy kosany, n'inon'inona ny finoanao na TSY-finoanao ao, dia mipapapapa daholo. Ary dia velona ny fanontaniana :

- Fa iza no mba namorona ny Fahafatesana eee ???
- na hoe, fa mba IZA koa no namorona ny Fahafatesana eee ???



Satria ny "namorona ny aina" na ny Fiainana, dia ... samy manana ny Finoany @ hoe IZA no namorona azy, ary samy resy lahatra @ izay Finoany ao ny tsi11. Fa ny "fahafatesana" kosa, toa TSY mazava tsara hoe, IZA marina no mba namorona an'izy io eee...

Sa ahoana hoz'ianao?

rhaj0 - 04/10/2016 19:36
Ka ho an'ny Mpino azy, dia Andrmntra no namorona ny Aina (Vie).
Ka dia manaraka ny fanontaniana: dia IZA izany no namorona ny Fahafatesana (Mort).

Dia hozy i Angouz hoe "ny fahafatesana no tambin'ny ota".
Ka midika ve izany fa i Andmtnra koa no namorona ny Fahafatesana?

Azo atao par elimination:
- TSY ho ny devoly mihintsy k'lou no namorona izany: TSY omnipotent toa Andrmntra ny Devoly ka afaky ny hamorona izany.

Azo asiana lojikany kely
- Ka misy omnipotent hafa ve namorona ny fahafatesana izany: ho an'ny Kristiana sy Jiosy sy Hebreo, dia MONOtheist zareo = TOKANA ny Andrmntra. Ka dia TSISY hafa afaky ny hamorona ny Fahafatesana, afa-tsy ilay Omnipotenet tokana.


Ka dia iza no mandà ny tohin'ny hira raha izany:

O Iza Iza...
Iza No Namorona An-dRafahafatesana???


===> i Andriamanitra no namorona an-dRafahafatesana.


rhaj0 - 05/10/2016 20:22
Dia ahoana anefa hozy ny tohin'ny hira:

O iza iza
Efa Noreseny (Andtrmna) Izao ny Fahafatesana



hi hi hi.. "namorona" IZY, dia avy eo "noreseny" indray ilay "noforoniny"..

Raha ny tena izy (ara-baiboly), dia
- ny Ray no "namorona ny fahafatesana", ary "sitrapoNY" io
- ary ilay Zanany no "naharesy ny fahafatesana". nandika ilay 'sitrapon-dRainy" izy @ io


rhaj0 - 07/10/2016 13:39
Ka raha ridicule na aberrant izany ny hoe "Andtrmna(-Rainy) namorona, dia Andrmntra(-Zanany) nandresy, ny Fahafatesana" izany, dia inona izany no marina, na hoe, mitombona kokoa :

1- TSISY an'izany noforomporonina izany re eee. TSY noforonina izany ny Aina (vie) sy ny Fahafatesana (Mort), fa zavatra lalan-javatra io. Izay no mekanisman'ny fiainana. Rahefa mba mitsikarokaroka sy mandalindalina ianao, ka azonao (comprendre) ny mekanisman'ny fiainana, dia TSY hinohino (foana) izany "miforomporona" izany intsony ianao.

2- Rahefa zohinao ny hoe "rien ne se perd, rien ne se crée", dia ho hitanao hoe, ny inona no nivadika ho inona, fa tsy hoe "niforona" (création) nidoboka avy any an-danitra ilay inona io. Rehefa zohinao ny hoe "et.. tout se transforme", dia ho hitanao hoe, ilay inona ni-se transformer ho lô, dia lasa vovoka eee... Na koa, ilay ianao io, ny atôma ao @ vatanao io, dia efa tao anaty lasopin'i Big-Bang, ary nivoatra niriaria teny, ka nandalo t@ sperm/ovule-n-RaR-n'ny RaR-nao ets... ary dia io nivoatra ho tonga ianao io.

3- Fa ny tena marina, dia TSISY izany Andnmntra izany... na hoe, MISY ihany IZY izany, fa ao @imaginaire collective. Mahery ny imagination (collective).
- Ka noforonin'ny imagination ny hoe Andmntra.
- Dia noforoniny koa hoe, "mamorona" izao rehetra izao ity Andmntra vao noforoniny ity.
Izay famoronana (creation) nataon'ny imagination izay no atao hoe ... "créationisme" 


rhaj0 - 11/10/2016 19:27
Ny fahatakarako azy, dia ny mahatonga ny Fahafatesana, na hoe "ny antony", dia satria potika na lO ny mekanika eee... Na olona na biby na zava-maniry, rahefa potika sy lO dia mizara karatra dia vita. Point a la ligne.

Fa Raolona moa, manan-tsaina... ny mi-imaginer, ka dia namoromporona "fiainana any ankoatry ny Fahafatesana" ao zareo. Dia t@ fotoan'androny sy tany @ toerana jeogirafikany tany ny tsi11, dia samy namoromporona resaka (na tantara-angano) mba hampandrimandry ilay saina tia mi-imaginer.

Dia hehezin'ny akoho toka-nify ireo resaka tantara-angano eee... io iarahana mivanitika io izao hoe, ny olona dia maty satria nihinana paoma, ho an'ny Kristiana; dia rahefa hanontaniana hoe, ny paoma koa ve maty satria nihinana paoma, dia ...


rhaj0 - 17/10/2016 15:55
"entropie" no lalàna (sy lalana) ivoaran'ny zava-drehetra rahefa "system fermé" izy @ io. Izany hoe, raha avela @ tenany eo ny zava-drehetra, TSY MISY zavatra hafa manampy azy, averiko indray, TSISY zavatra hafa (élement extérieur) manampy azy, dia mi-se dégrader izy: miha-potika sy miha-lO.

Matoa izy TSY mi-se dégrader, dia ... satria misy zavatra hafa (élément extérieur) no manampy azy.

Ohatra hoe, ny tenanao sy vatabe-nao io, raha TSY misakafo dia .. entropie : miha-potika sy lO, ary fahafatesana no iafarany.

Ny fandrosoan'ny siansa dia miha-manosika hatrany ny "fahapotehina sy fahalovana" @ tenan-draolona, @ fampiasana fanafody sns... fa TSY hary ho voakolokolony mandrakizay anefa ilay vatan'olona.


Izao izao ny "fiction" mandehandeha any dia hoe... Ny ati-dohanao io, dia (mety) afaky ny velomina artificiellement. Mety takatrao ohatra rahefa coma ny marary, dia ny vatany kaputt fa ny ati-dohany mbola tazomina iaina ihany. Ka "indray any andro hono", dia tena mety hoe, ny ati-dohan'ireny olona crane-be ireny, dia tazomina ho velona, ary asaina mizara fahendrena sy fahalalana ho an'ny mbola velona. Dia kisarisary amen'ny mpaminavina dia hoe, misy armoireS feno vilany misy ati-doha, dia ny electrodes tsondromina @ ilay ati-doha dia mampita hafatra @ oridinatera...


rhaj0 - 07/06/2014 13:24
endriny
Fa ny fanontaniana dia hoe aiza no misy ny lanitra? Sa hoe ilay habakabaka manga madio toa vatonakoho no atao hoe lanitra sy paradisa?

Efa noresahina tatsy ny Lanitra, dia eto, http://universesandbox.com/, ao ianao afaka manandrakandrana ary mety ahita tsara ny @ hoe ahoana izany Lanitra (raha hoe izay ao ambonintsika raolombelona dia atao hoe "lanitra")

rhaj0 - 07/06/2014 13:30
Misimisy boky zareo eo @ google (momba ny fahafatesana) fa ndao mba iaraha-mandalina


boky ... L'Identité Malgache

boky ... La mort et les coutumes funeraires a Mada

endriny - 11/06/2014 08:39
Ny olona maty taloha tamin'ireo foko voalazako ireo dia tonga dia alevina ny androtry ny nahafatesany ihany. Ny an'ny Betanimena ohatra dia misy atsipy any anaty ranomasina mihintsy. Ny olona maty dia nantsoina hoe: Biby teo amin'ireo foko ireo (merina, Bara, Betsileo, Betsimisaraka, Betanimena)

Ho an'Antananarivo fahiny dia i Petsapetsa, na Andranobevava na Masay moa izy izany izao e, io no fanitrihan'ny Ntaolo ny olona maty.

Fa rehefa tonga kosa i Rabiby, dia izy no nitondra ny fomba fandevenana misy ankehitriny teto Afovoan-tany. Nony avy eo moa dia noteren'i Ralambo hiantso ny fatin'Andriamanjaka hoe masina ny mponina, ary raha mandevina dia tsy fiteny intsony ny hoe manary biby, fa natao hoe manitrika ny masina. Nanomboka teo amin'i Rabiby no nankalazana ny hoe ny fanahy tsy mba maty.

Fa ny tany amorontsiraka sasany moa sy ho an'ny Vazimba dia efa ela no nilaza io fiteny io. Ka izany no nahatonga ny vazimba tsy mba niady raha naka an'Ankotrokotroka i Rabiby, fa naleony niala mora satria ny tany fandalovana.

Ny mahavariana amin'ny vazimba dia izy manao fasana eny an-tamponkavoana matetika. Satria eny no ifanenan'ny Zanahary sy ny fanahiny. Tendrombohitra ihany koa anefa no nasiany ireo sikidiny. Saingy ny vohitra misy ny sikidy dia ivaiva noho ny misy ny fasana. Toa midika io fa ny olona na ny fanahin'ny olona dia ambony noho n'ny sikidy. Natao ambony ihany koa ny fasana mba hitahy ny velona sy ny toerana fivelomany.

Raha zohiana ara-tsiansa io fomba fandevenan'ny Vazimba io. Dia io no manakaiky kokoa ny tsingerina ara-tsakafo sy ny fitandroana nt tontolo iainana satria dia miainga avy eny an-tendrombohitra daholo ny fikorianan'ny rano sy ireo mineraly maro samy hafa, izany hoe ny hery. Ka ny fametrahana ny fasana eny dia mamerina ny hery ara-boajanaharin'iIlay vohitra.

Amin'ny maraka indray

endriny - 13/06/2014 19:04
Ho an'ny foko sasany, ny olona maty dia mety mivadika biby. Toa ny finoan'ny olona ao amin'ny farihy Ravelobe, na ny ranon'i Mananara, na ny ranon'i Menarandra, Andevoranto ary Anivorano. Misy koa anefa no lazaina fa lasa fanano fitoloha.
Fa ny maro mpiteny dia ny fanahin'ny olona lasa any Ambondrombe, na Manjakatompo...
Misy koa ireo hoe miverina sy miaina miaraka amin'ny velona ka miseho amin'ny alalan'ny tromba.

endriny - 09/06/2014 09:36
Ny fahafatesana
Araka ny avim-potoana niainana teto Madagasikara, sy araka ny faritra misy no amaritan'ny olona na ny foko iray ny hoe inona no miandry.

Tsara aloha ny manamarika kely fa taloha dia nisy ireo Foko tsy nanaja izany olona maty izany mihintsy, toa ny teto Imerina, ny Betsimisaraka, ny Betanimena, ny Bara. Tsy nanana fasana akory aza izy, fa dia nasitrika tamin'ireny heniheny sy honahona ireny fotsiny ny faty. Io ilay hoe iray petsapetsa. Saingy taty aoriana rehefa tonga ny arabo ary nandalo teto ny Tanosy sy ny Sakalava niampy ireo piraty dia izay vao gaga ny olona fa tokony hanao fasana. Saingy ny vazimba kosa dia efa nanana ny fasany hatrany hatrany. Misy faritra eto Madagasikara, izay fady mihintsy mandrak'ankehitriny mamboly vary eny amin'ireny horaka ireny, fa dia tsy maintsy eny an-tehezan-tendrombohitra no volena ny vary noho io antony io.

Dia ireto arabo tamin'ny faritra atsimo atsinanana, sy faritra andrefana, ary ry Rabiby, ny Tanosy sy Tandroy no tena nanisy hasiny izany olona maty izany. Mbola henontsika hatramin'izao ohatra ny hoe fasan-tSakalava, ary atahorana mihintsy. Ny fasam-bazimba ihany koa. Satria ny tompon'ireny fasana ireny no nanome hasina an'ireo havany maty.

Dia ny foko avy amin'ireo faritra ireo no tena nametra sy nahatonga ny rehetra nino ilay hoe ny fanahy tsy mba maty. Rehefa avy eo moa niditra ny fivavahana kristianina dia vao maika niha mafy ny finoana ilay hoe ny fanahy tsy mba maty.

Eo aloha

rhaj0 - 09/06/2014 18:19
Misaotra an'i Endriny.. mamahabaha sy mizara etoana ny fandraisan'ny Malagasy ny Fahafatesana..

Ny fahazoako azy indray koa dia :
1- misy "fiainana" koa aorian'ny Fahafatesana, fa lasa "Razana" hono raolona, ary tena karakaraina (ny misy) ireo "Razana" @ fombafomba, @ fasana/famadihana
2- ary ny "Razana" dia mitahy

Eto izao dia afaka ampifandraisana @ fandraisan'ny Kristiana ny fiainana any ankoatra ny fisian'ny "Razana" (1)

Fa kosa, raha ny @ hoe "mitahy" (2), dia toa mizara hevitra ny samy Kristiana, ka raha "mitahy" ny Masina, na koa aza izay any @ paradisa hono, ho an'ny Katolika ohatra (izay o?), dia tsisy an'izany kosa hoy ny Protestanta (hitako avy t@ Wikipedia: intercession of saints)

rhaj0 - 13/06/2014 19:26

ohabolana Malagasy"Raha Razana Tsy Hitahy, Mifohaza Hiady Vomanga."

Koa raha io, raha ny fahazoako azy, dia
- "misy" aloha ny "ho aleha" aorian'ny fahafatesana : lasa "Razana"
- ireo izay lasa "Razana" dia tsy lasa lavitra fa mbola eo anivon'ny velona
- ary manao raha ho an'ny velona (mitahy)

Tsy haiko aloha anefa raha avy @ Foko iza ity ohabolana ity.

Fa ny fiseho ivelany (heverina fa) ahitan'ny velona ny Razana izany dia ireo notanisain'i Endriny ireo (arakaraky ny Foko).



oha-pitenenana Malagasy"Lasana Any Amin'Ny Vary Tsy Mifody."

Koa raha io, dia tsy miverina ho velona intsony ny efa maty (ka lasa Razana) raha ny fahazoako azy.

Fa raha ny fahatakarako h@ izao kosany, dia ny "ao aorian'io maha-Razana azy io", dia TSISY milaza mihintsy hoe, lasana any @ toerana hafa indray ny Razana.


Tiako avoitra fotsiny ireo, hitarafana ny revy Kristiana.. Satria mantsy ny Malagasy dia tsy afaky ny maha-Malagasy. kanefa ny maha-Malagasy azy, toa ireo voalaza ireo, dia toa tsy mifanaraka @ revy Kristiana : Aiza ho aiza ny "Paradisa" sy ny "Helo", ny "Fitsarana Farany" sy Md Petera sns...

Toa TSY mahita an'izany @ Malagasy aho.

endriny - 17/06/2014 06:37

rhaj0
oha-pitenenana Malagasy"Lasana Any Amin'Ny Vary Tsy Mifody."


Somary ahitsiko kely aloha ity e: "varo-tsy mifody" no fiteny azy. Fomba fiteny ireo olona lasa namidy natao andevo fahiny, ka tsy afaka ny hiverina amin'ny tany niaviany na tsy hilevina amin'ny toerana niaviana intsony.

Dia any dia any, ny efa maty dia maty ary Razana hoy ianao. Marina io, saingy ny Malagasy izany moa lasa nino ilay hoe Razana mitahy. Dia io no toa ataon'ny olona fandrabiana hoe: mifohaza tao hiady vomanga rehefa tsy hitahy. Io mbola taratr'ilay hoe taloha dia tsinotsinona izany olona maty izany teo amin'ny Malagasy. Fa taty aoriana nilazana izy fa mitahy ny Razana, ary ny fanahy tsy mba maty dia lasa niova ny fomba. Kanefa io teny toa maniratsira Razana io dia azo itarafana tsara ny ahoana marina mo tena fijerin'ny Malagasy sasany taloha izany hoe Razana izany.

Ho an'ny Tandroy na ny Sakalava, dia asiana ireo sary mba nofinofin'ilay Razana fony izy velona ny fasana. Satria ry zareo dia nino foana fa ny olona raha maty dia velona ny fanahiny, ary mitahy. Ka na ny fasana aza dia misy faritra tsy azon'ny velona itsahina raha tsy hanao fombafomba.