Menu

Sep 14, 2015

Papa Fransisy sy Prezida Obama

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 14/09/2015 13:25
Da mitovitovy hono ny revin'izy roaroa ireo.. ary dia ny tsy-tia koa, dia ireo kaonservativa-be, dia samy tsy tia azy roaroa ireo.
http://www.cnn.com/2015/09/13/us/pope-obama-critics/index.html


Ny fazahoako azy, dia mahasahy mijoro @ ireto loha-hevitra roa ireto izy roaroa ireo:
- mitsetra ny mahantra sy
- mitsinjo ny tontolo iainana

Izany anefa dia mifanipaka @ fisainana lalin'ny "mpino" sasany, izay raha mbola ny fazahoako azy ihany, dia satria hono
- ny mampiboridana an'i Piera hampiankanjoana an'i Paoly dia tsy @ "finoany"
- ny tontolo iainana dia ... efa kajian'A.tra ao @ planiny ao, ary manakatsakana ilay "finoany" ny hoe "Anjakao Izao Tontolo Izao" ny resaka "fitsinjovana tontolo iainana"


Fijeriko na fazahoako azy manokana ho'a ireo an...

rhaj0 - 14/09/2015 17:43
Raha ny mbola fazahoako azy ihany koe, dia samy "mino" daholo tokoany moa izy roaroa ire, fa kosa...

- raha ny @ Obama ohatra, dia efa nilaza izy fa ny "finoana" dia "inspiration" ihany, fa ny atao sy lazaina rehetra dia amarinina/amafisina @ sosiolozia/pisikolozia/ekonomia/etsetra... bref, @ lozika sy fahalalana ary soatoavin'ny taona 2000 eeee...

- raha ny @ Papa Fransisy indray, dia ... asa ho'a hoe, noamarininy/noamafisiny t@ inona kosany ireo nolazainy rehetra h@ izay..
- ny resaka homosekisoaly (who am I to judge)
- ilay manala zaza teo io (afa-keloka)
- ilay misara-panambadiana (afa-keloka)
- koa na ny tontolo iainana azany, rahefa miaino ny mpanohitra azy, dia ireo kaonservativa, dia ireto kaonserbvativa ireto anie ka tena saika manaraka ara-baki-teny ny Baiboly, nefa dia "manohitra" ny Papa... ka hoe, ny an'iza no marina..

http://lmgtfy.com/?q=catholic+conservative+against+the+pope

rhaj0 - 16/09/2015 13:28
Ka io izany misy "dissidents" isan-karazany ao @ system katolika ao e... Toa mifanaraka ihany anefa ry samy debabe ao @ farany... polifikiana daholo ihany io kouh..

Fa ny an'ny "Katolika hendry tsara" (toa an'i Hery) izany dia
- hendry tsara ao @ "vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana" (leglizy, diosezy,...)
- manaraka ny "teny miaka-midina" toa ny t@ andron-dRaveloson Sosialista ao ny ataony...
- dia izay lazain'ny debabe (Papa) dia oye-oye (alleluia-hosanna)
- ary izay "dissidents" dia mpanoha-riana ary TSY olom-pirenena (TSY katolika hono)


Fampitaha no nataoko, fa raha ny fahitako azy, dia tena (araka) io system katolika io ihany no nianaran-dRAtsiraka dia nampihariny tany amintsika..

Io system-katolika io no voaporofo velona fa tena afaka mamehy mi-controle ny sain'olona, ka tsy mahagaga tokoany raha alain'ny sasany tahaka ho'a dia itarina ee... 

rhaj0 - 23/09/2015 03:01
Ho hita eo izao ny politika avo lenta ho atao na tsy ho ataon'i Fransisy, @ izao izy mandalo ao Etazonia ao izao. Misy pretra hispanika, toa ho hatsangany ho "saint"...
http://www.cnn.com/2015/09/22/us/pope-francis-canonization-junipero-serra/index.html

Dia ao ny milaza fa tena maneho (mi-representer) ilay maha-masina tokoany i Junipero Serra fa nampa-katolika ny (amerindiana) maro tao California tao.. Fa ireo "lasa katolika" (sasany) dia tena malahelo fa ingahy Serra kay ka tena biby loha ary izy no maneho (mi-representer) ilay habibian'ny kolonizasio...


ka dia arah(ik)o eto @ serasera eto ny @ Serra ho'a... "masina" sa "tsy masina" i Serra ??

Raha lasa "masina" izy, dia bien... miara-mahita isika rehetra fa, kay ve olona toa izany no atao hoe "masina", dia avy eo dia ny karazan'ireny koa no isan'ny ventesina lava ao @ vavaka ao...

Raha tsy lasa "masina" izy, dia bien... miara-mahita isika rehetra fa kay ve ka ny olombe katolika sy ny soatoavina noandrianin'ny katolika t@ fotoan'androny ka tena lozan-tany...


hi hi hi.. que sera sera... whatever will be, will be... 

rhaj0 - 23/09/2015 20:01
http://www.lapresse.ca
Le pape devait ensuite canoniser l'évangélisateur de la Californie Junipero Serra, mort en 1784, au grand dam d'Indiens locaux: le moine franciscain est pour eux celui qui a d'abord apporté la mort et l'extinction de leur culture.

- Ka miombo-po @ ireo izay novonoina ny kolotorany ianao, sa
- miombo-po @ ireo voa-evanzelizé, nanoroka kolotora vaovao ?

- Gasy (manana fo-gasy) ianao aloha izay vao Katolika (Kristiana), sa ... aiza ilay solidarité-nao ?

- Mitsetra an'ireo malemy sy voahosy an-tampon'ny ... kolotorany ianao aloha, sa ... aiza ilay compassion-nao ?

rhaj0 - 25/09/2015 12:04
Tena nandray ny fanapaha-kevitra politika izany i Fransoa eee... ary dia nohosorany ho "masina" Itompokolahy Serra...
http://www.vox.com/2015/9/24/9391995/junipero-serra-saint-pope-francis
Junipero Serra was a brutal colonialist. So why did Pope Francis just make him a saint?
... the 2013 healing of a Native American woman who prayed to a relic of his.
It's obvious that Francis wanted to be able to canonize Serra during his trip to the US, making Serra the first saint canonized on American soil. 


Ka ny antony izany hono dia satria "manasitrana" ny "sisam-patin'i Serra" eeee...
Sy koa, resaka politika fotsiny, mba misy "saint" ankalazaina @ izao fandalovan'i Fransoa ao US izao..


Dia asa ho'a raha hiventy ka hiantsoantso ny Saint Serra izany ny amerindiana katolika ao @ vavakany ao... nefa mazavabe io izany fa ilay rangahy, fony faha-velony, no namono ny reniben'ny raibeny, ary amina habibiana... Fa nareo tsy amerindiana moa izany dia mazotoa miventy sy mivavaka @anaran'i Serra izany eee... que Serrra sera.. bravo


ity mbola misy santionan'ny zava-nisy, ngo dia (mody) hoe "tsy mahalala" ny zava-nisy nareo Katolika gasy hendry tsara ao, satria tsy nampalalahain'i Vatican, na hoe tsy anaty Baiboly ny resaka..

http://www.theguardian.com/world/2015/sep/24/pope-francis-makes-spanish-missionary-junipero-serra-a-saint-amid-
“They just dumped us here. This is a mass grave,”
“They tell us 2,900 of my people are buried here but there are more. My people were tortured all over this area, even under these million dollar homes.”


Esy ee.. sahala @ Basilika Saint-Pierre ihany ve izany izao Leglizin'i Serra ao izao?...

rhaj0 - 14/10/2015 17:55
Dia "nibebaka" hono izany ny Papa Fransisy ee.
(mibebaka = miaiky ny fahadisoana)

http://www.lapresse.ca/international/europe/201510/14/01-4909683-le-pape-demande-pardon-pour-les-scandales-a-rome-et-au-vatican.php

Fa toa nataony globaloba fotsiny kosa hono ho'a ity fibebahana, satria...
1- TSY nolazainy hoe inona no ibebahany @ anaran'ny Katolika (ny system sy ny olony)
2- TSY nolazainy hoe iza no victime nekeny fa nanaovany fahadisoana
3- ary indrindrindra, TSY nolazainy inona no (ho) ataony hanarenana ny fahadisoany


Ka dia inona izany fa dia resaka ambony vavahady ny an'i Fransisy eeee... hainy io... Fa "madio" izany ny sainy izao fa izy azany efa "niaiky" ampahibemaso an...

Ka dia afaka ota izany ny system katolika sy ny olony ????


ntsss.... Aboahy eny @ Fitsarana fa toa tavin-dresaka mihatsara velatsihy fotsiny izany eeee...

rhaj0 - 08/04/2014 14:36
Namaky ny bokin'i Obama aho (The Audacity of Hope) ary nisy resaka narosony tena raikitra ato an-tsaiko, ary izay resany izay no tena anisan'ny hitiavako sy hanajako ambony an'i Obama. Ny tadidiko eto dia hoy izy (tsy ara-baki-teny ito fa araky ny fahazoako azy)...

Ny fivavahana, hoz'izy, dia tsara raha raisina @ ilay "fitiavana oniversaly" ventesin'i Jesosy. Tsy tsara, hoz'izy, ilay fandraisan'i G W Bush azy, ilay @ hoe, rahefa miatrika ny zava-misy na ny olona, dia ilay good vs. evil foana no avoitra, na koa, izay tsy miaraka aminy, na tsy mitovy hevitra aminy, dia fahavalo, ary mendrika "hiadiana" (ary na kristiana hotr'azy aza dia hiADIany koa @io).

Eto izao dia tena faly koa aho fa mirona @ fandraisana toa izay koa ny Papa Francis : "who am I to judge?" hoy izy; nampiany hoe "do good: we will meet one another" (h@ Atheist io, ary any @ paradisa io fihaonana io)


Ka izaho manokana koa, dia hitia ary hanaja rahefa "fitiavana" no resahina. Mety tsy mitovy hevitra na fandraisana hevitra ny olona (na isika eto), fa rehefa ny "fitiavana" (compassion) no resahina, dia mino aho fa afaka mampitovy tadin-dokanga foana isika, ary ho manja ny hira (sy ny fiarahana).