rhaj0 - |
If you can't CONVINCE them, play DOGMATIC If being dogmatic doesn't work, CONFUSE them If you can't confuse them, SCARE them If you can't scare them ... SMACK them IF YOU CAN'T CONVINCE THEM, PLAY DOGMATIC Rehefa tsy resinao lahatra izy dia avoahy ny Dogme-be. Io dia taktikan'ireo mpitondra (na mpitondra fiaraha-monina na fivavahana ...) ary mihatra koa eo @ adi-hevitra tsotsotra. Arangaranga eo i Dieu Le Pere, na i L'Ex-Pere l'expert na Leader sy ny Boky na B-Mena ary koa ny "Grands Travaux" de l'ex-pere ... Raha sendra ity ianao @ fiainana na fotsiny @ adi-hevitra tsotra kely dia aza atao mampihetsi-bolomaso fa avereno amina "niveau" azo hifanakalozana ny resaka ary tazomy ho "concret" sy "terre-a-terre" mba hitohizan'ny adi-hevitra IF BEING DOGMATIC DOESN'T WORK, CONFUSE THEM Rehefa tsy mandaitra ny Dogme-be, dia ataovy mifamaofao ny resaka. Eto 'le asaritany sy asarotiny ny resaka. Ny paikabe @io dia hoe ho resy ny sainao satria aseho "danz be" 'le resaka ary dia ho tsotra ny mampalefaka ny "stress" @ hoe: "Lehibe Atra", na hoe "hendry ho'a ny Razana" na hoe "Mahery Radidy" fa dia mahatokisa ... Na koa mody hoe "samia-mamisavisa" sady manantena ihany hoe reraky ny "confusion" ny andaniny ary raisi-potsiny. Raha sendra ity ianao @ fiainana na fotsiny @ adi-hevitra tsotra kely dia aza atao mampihetsi-bolomaso fa avereno amina "niveau" azo hifanakalozana ny resaka ary tazomy ho "concret" sy "terre-a-terre" mba hitohizan'ny adi-hevitra IF YOU CAN'T CONFUSE THEM, SCARE THEM Rehefa tsy mahomby ny resaka-mifamaofao, ampitahory izy. Eto no arangarangany ny "artillerie" isan-karazany: afobe, tsiny tody, "lalAna", hoe ho arian'ny fiaraha-monina na fiangonana na hotr'izany ... @ resaka-adi-hevitra moa dia eto 'le manomboka "ianao sy ny tenanao lehibe" no aviravira anaty resaka fa tsy ny "hevitrao" fotsiny intsony. Raha sendra ity ianao @ fiainana na fotsiny @ adi-hevitra tsotra kely dia aza atao mampihetsi-bolomaso fa avereno amina "niveau" azo hifanakalozana ny resaka ary tazomy ho "concret" sy "terre-a-terre" mba hitohizan'ny adi-hevitra IF YOU CAN'T SCARE THEM... SMACK THEM Rehefa tsisy vokany ny fampitahorana, dia peho faty any izy fa mandany jiro. Eto izany dia herisetra, na am-bava na an-tsandry, no mihatra avy hatrany. Efa tsy mihaino "resaka" intsony izy, ary efa mihoa-pefy, manitsaka ny lalànan'ny fiaraha-miaina fototra. Raha sendra ity ianao @ fiainana na fotsiny @ adi-hevitra tsotra kely dia ... ialao pas fa alika mivaha |