Menu

Feb 3, 2016

Misy ve Dieu?

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 03/02/2016 15:32
Naravin'ny wikipedia eto ny arguments..
https://fr.wikipedia.org/wiki/Arguments_sur_l%27existence_de_Dieu

Fa resaka Dieu (an'ny tandrefana) ny naraviny tao, raha ny fahazoako azy.

Ny an'ny Malagasy ohatra izao, dia nisy ROA ilay IZY...
1- Andriamanitra == Dieu moral
2- SY Andriananahary == Dieu créateur

f'io moa dia noravan'ny Kristianisma tao @ kolotora sy ny sain'ny Malagasy, ka dia...

rhaj0 - 04/02/2016 14:39

RBNIRJESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Ny fahazoako ny resakao dia hoe
- i Jesosy no manaporofo fa misy Atra
- i Atra nefany no namorona (nanaporofo) fa misy Jesosy

Ka dia vita boribory (vetaveta) ao izany ny (sai)nareo eee... 

TealalaMisy ka, fa ny anarany no samy nanova ny azy, dia samy manana ny fanompony ny azy ihany koa.

Izaho koa dia tena miombo-kevitra aminao :
Eny misy Andriamanitra... ao @ imagination (collective) an'ny tsi11 ao, ary dia samy nanome anarana ny AZY, nanova ny AZY, nanompo araka ny ireveny ny AZY ao koa...

Fa izao fotsiny, ny Andrmntra ao @ imagination-n'ny Atheista (na izaho), rahefa mampiresaka (eto), dia ilay Andrmntra ao @ imagination-n'ny Mpino...

Ka "imagination" daholo izany, fa ny réalité, dia TSISY Andrmntra.. TSISY an'izany Créateur Omnipopotent izany.. ary TSISY an'izany Moral Omnipresensent izany... indrindra moa ilay hoe "mandray an-tanana ny fiainanao".. angano angano ampilamina ny sain-draolona (sy ny fiaraha-monina t@ izany fotoan'androny) fotsiny daholo izany.

rhaj0 - 04/02/2016 18:04
Lalina ny fanontanianao...

Raha ny an'eritreritro eto, dia eny... "samy Andriamanitry ny tenany ny olona".. Ny ataon'ny tsi11 ao, dia izy tenany no nanao sy tompon'antoka tao. Fa any @ imagination-ny ao, dia lazainy fa Andrmntra. Donc.. izy tenany ihany no ataony hoe Andrmntra ao io...

Dia rahefa vorika indray ny zava-bitany sy izay fi(s)ainany ao, dia lazainy fa Devoly hono ho'a no tompon'antoka @ izany.. Ka dia, eto koa izany "samy Devolin'ny tenany ny olona".

rhaj0 - 04/02/2016 18:54
Tsy azoko tsara ny tian'i Tealala tenenina..

Fa raha ny @ hoe "ao @ imagination-ny" lazaiko io ambony io, dia ampatsotsotra azy, dia jereo anie ny tantaran'i Caillou (Saison 1 épisode 29) : Le meilleur ami de Caillou.

Dia jereo tsara hoe, IZA moa i G. (atsy @ 2:00)




rhaj0 - 08/02/2016 17:28
Izay izany no nampinoana anareo. Hoe noforonin'Atrareo ianareo, dia nameny "libre arbitre", ary dia ataony mihinan'ny tsakaokany miaraka @ zavatra hafa noforoniny tao. Dia i Andrmntrareo @ io nefany TSY tompon'andraikitr'izay loza ao, na dia IZY izany hono no fototry ny zava-drehetra ao, ary na dia IZY izany koa hono no manam-pahefana na ny fahafaha-manao @ izay zava-drehetra eto.

io indray k'lou dia "n'engage que celui qui y croit." Ianao sy ny finoanao ao io ihany no mampanodiina ho borika ao io.

Fa rahefa voa izany nareo ao, dia hoy fotsiny izaho avy aty ivelany hoe, ny (n)ataonao ihany ho'a no mahavoa anao ao eee..
1- ny nataonao t@ izay zavatra tao, ohatra ny moka, sy
2- ny ataonao minomino raha foana ao io, ka nampatonga anao nanao io zavatra (kitoatoa sy vorika) ataonao ao io

rhaj0 - 09/02/2016 14:07
Eny "tsy mino" an'i Jesosy aho. Raha ny marina, "mino" fa hoe ni-existe ixy, fa "tsy mino" ny (ankabeazan'ny) fampianarany sy kabariny izao.

Fa ny hoe "mankahala" dia mbola asiako bemol kosany. Ny anao moa, reflexe sahala ny an'i olombaovao Kristiana Georges W Bush, ka raha vao tsy mitovy revy (Jesosy) aminao dia fahavalo sy "mankahala" daholo, ary lazainao fa "miady nhy olona", na koa ilàna(re)o ady.

Fa nareo ve ry RBNIR tsy mba mahay miaina @ taona 2000 @ izay, ka miaina ao anaty diversité d'opinion aaaa... Ireny politisiana rehetra aty ireny izany aminao dia mifankahala sy miady daholo... Efa hoe TSY sahala @ ao @ box-kelinao ao ho'a ny tontolo.

Dia izaho koa ho'a TSY hotr'anareo, ka "mitory" ka "mitory" fa nahazo baiko, ary mino fa raha "mitory dia avotra" ee... Izaho miteny sy mizara ny hevitro, manavoitra ny absurde/aberrant/ridicule... dia mivanitika...

Dia tena mila mivoaka @ box-kelinao mihintsy ianao re ry RBNIR, fa na ny fijerinao ny tontolo sy ny olona azany dia tsisy afa-tsy ny fahateren-tsaina sy fahaterem-piaina anaty box-kely: poretinao ho toa ana(re)o daholo ny olona..

rhaj0 - 12/02/2016 16:14
Vao t@ ity herinandro ity aho nahita horonantsary ny @ Karana sasany sy ny Andrmntrany. Dia misy karazan'olona ao @ sosaity, toatoan'ny hoe, zareo ireo no solontenan-draolona, sa ve hoe mpanelanelana ny raolona @ Andrmntrany ao. Dia misy fotoana iray @ kalendrie, dia mivory zareo ireo, ary dia mifoka marijuana gaigy be eo. Fa @ izay hono izy no @ ilay etat afaka mifandray @ izao Andrmntrany izao. Ary @ io no anafahana ny otan'ny mpiara-monina aminy. Dia ao zareo, velomin'ny mpiara-monina ao fa tsy miasa, ary tena midoroka gaigy be ao mihitsny.

Ny fijeriko an'izany, dia izay no takan'ny hoza-dohan'ny Belazao tany aminy tany, ary dia roboka tao tokoany ny mpiara-monina tao @ box-keliny t@ izany tao. Izay azany ka atao ahoana. Fa h@ izao moa zareo mbola manao an'io, ka dia ...

rhaj0 - 14/02/2016 23:28

tealalatsy sahinao iany no manonona ilay anarana no tiako tenenina.

Tena tsy takatrao ny tiako tenenina.. Izao indray azany eee.. Nisy ilay tantaran'i Caillou iny in-1 mandeha. Dia nanapa-kevitra i Caillou fa manana namana izy, dia i Georges, ao @ imagination-ny ao. Dia in-1 andro, niara-nialalao i Caillou sy i... Georges. Dia nipelipelika i Caillou ary dia vaky ny vazy. Dia rahefa nanontanian-drainy hoe, iza no namaky ny vazy, dia hozy i Caillou: i Georges!!

ka ahoana ry Tealala.. asainao "manompa" an'i G. izany ny rain'i Caillou?
Hoe, "ilay G. alika maty tsy vanona ity, namaky ny vazy!!!..."

Dia mba takatrao @ izay ve, fa dia i Caillou navela teo i Tealala.
Ka ahoana: mbola asainao manompa an'i G. foana ve aho izao ???


Marihina kely fotsiny fa i G. (God na i Georges izany eee...) no anaran'ny namana imaginaire-n'i Caillou.
Dia mety hoe i V. (Vishnu na hoe i Veorges izany eee) ny an'i Apu, ilay karanakely namany..

rhaj0 - 17/02/2016 20:51

rhaj0Ato http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/article/evograms_07
Dia jerevo tsara ilay echelle des temps fa amina million re ry Gasy1zay a... [dia jerevo tsaara koa ny fisampanany]... dia rahefa azonao io, dia mba ampianaro @ ankizy, dia ilazao izy hoe, fony zaza ihany re rankizy ilay conte de fee bibilikan'i madame eva, fa efa lehibe vory saina ianao izao ka dia izao no izy...
http://evolution.berkeley.edu/evolibrary/images/evograms/hominid_evo.jpg

- Ka miainga avy atsy ankavia ianao izany ee..
- Dia ilay fisampanany voalohany, ilay nitsipika any ambony ireo lasa simpanzehy sy bonobos.. (vao omaly aho nahita momba ny bonobos, fa raha hi-sex ireo, tena champions mihintsy 
- Ka dia nisampana izany iilay izy, satria nivoatra ny sasany, ka ni-s'adapte mandeha tongotra roa, sy nivoatra ny nifiny... Rahefa mivoatra izy io, dia ilay tsipika mena no milaza fa tsy miverina ilay fivoarana, ary tsy afaka miray @ iretsy lasa simpanzehy sy bonobos intosny ilay nivoatra ireo.
- ny @ ilay tsipika mena, dia toa ilay nohaniniako an'i Strong3 izy teo, ka hoe, tandremo sao mahita Homo Erectus ka dangidangitra ao.. na miray aminy azany i Tealala dia TSY hiteraka ianareo 

- Dia torak'izany hatrany.
- Dia jereo tsara ny echelle des temps ho'a, fa ohatra hoe, ny Australopitheque dia nivoatra ho Homo Habilis, afaka teo @ 2 millions d'années teo. Ary raha ilay fototra etsy ambony ka h@ Homo Sapiens, dia efa 6 sa 7 millions d'années d'évolution.

Ka rahefa (misy) miteny ianao hoe taranaka ragidro, dia azonao @ izay izao kosany fa TSY taranaky ny simpanzehy sy bonobos isikana, fa cousins ireo.. ary any amina 6-7 millions d'années any ilay razana iombonana.

ka aiza ho aiza @ io sary io no mbola tsy mazava ?..


Fanamarihana: efa homo sapiens daholo isikana efa ho 100.000 h@ 200.000 années lasana. Ka raha (n)ampinoana ianao hoe, i Madame Eva anie ka t@ 6.000 taona lasana no noforonina, dia ... ilazao i belazao hoe, mandehana mahazo, fa tsy fotoanan'ilay tafahidy amina vohitrakely intsony izao hoe ianao, ka ampinoanoana resa-jaza toa izany.

rhaj0 - 18/02/2016 02:14
O ry RBNIR... mila fantarinao hoe, inona sy inona no (n)ataon'ny siantista ka mahatonga @ ireo fanazavana ireo. Manangona artefacts dia manao mesure sy analizy ary kirakira no nataon-dreo nifandimby, ary amarinina tsara fa mifameno sy mifandrary daholo ny zava-drehetra alohan'ny hipentsopetsonana. Voa-verifier-n'ny saintista hafa independent daholo izany. Raha tena tia ahalala anie ianao, dia afaka mikaroka mamaky scientific paper, ary ahita sy afaka ny hitsara ny natao rehetra eeee...

'ngo dia heverinao sahala @ Baiboly azany ireo resaka ireo, ka pouh pouh pouh izao resaka rehetra izao, dia tonga dia arahina fiventesana hoe, "marina hany izany" (amen amen allelluya). Ny vavolombelona arangaranganao @ io, olona tsy nanao mesure/analizy/kirakira/.. akoriny, fa izay perception-ny tao, na Ifatsora manao tour passe-passe, na Ivavolombelona domelin'ny tsihaitsihay ao, ary tonga dia minou fotsy... Dia izany ve no anteheranao ny fi(s)ainanao ho'a h@ izao eee...

Tsarovy (na fantaro) fa ny ataon'ny Siantista anie ka mifampiditra eee... ny methode na izay teknika ary teoria ampasain'ny mpandalina ka mitondra @ ireo fanazavana ny lasantsika ireo, dia methode sy technique ary teroia izay katsentsefinao ao io, ka mahatsaratsara ny fiainanao ao. Ka rahefa akipilinao ny Siansa, dia 'ndana manaja-tena sahala @ ireny Amish ireny ho'a, fa tsy mihatsara velatsihy, dia manetry ny zavatra katsentsefinao lava ao.

rhaj0 - 18/02/2016 15:45
ny lois inona aloha no tianao tenenina..

Raha ny lois eo anivon'ny fiaraha-monina, dia vokatry ny fandinihan'izay teo ny fiaraha-monina io eee.. Hitanao tsara @ izao ère moderne izao, fa misy ny législateurs, ary mamorona na manavoatra, na mandrava ny lois tokoany moa zareo, dia raolona ao ihany koa no mampihatra azy.

Dia azonao izany ohatra hoe, ny "aza misotro toaka", dia t@ 1900s tany dia voarara izany tao zamerika tao, fa efa tsy "heloka" systématique intsony io izao, fa kosa, misy lois be dia be mamariparitra ny azo sy tsy azo atao raha ny @ io eee.. Ny marijuana indray izao no manaraka...

Ka raolona ihany no mamorona ny lois, dia ... taloha fony tsy nipataloha moa, sarotra be ny mampihatra azy (na izao azany tsy hita izay tena anaovana azy), ka dia atao hoe i Andrmntra no nanao ny lois (nakapoka t@ vato na baiboly), na koa nanome ilay Andriana ny fahazavana (ohatra i Jesosy), ary dia mikombona daholo ny olona eee...



Raha ny lois physiques (iuniverselles) indray dia... vokatry ny fikarohana/fanadihadiana/kirakira/... ataon-draolona koa io eee... ary dia nofintinina ho "lois" mba hampazava ny fiasan'izao tontolo izao.

Dia kOpy ianao, fa rahefa mivoatra mitombo ny fahalalana, dia mety misy lois mila ahitsy... Ohatra izao ny loi gravitation an'i Newton, tsy hoe diso, fa nahitsy no-préciser-na hoe aiza no mi-appliquer.


Fa io izany rahefa "miova" araka ny fivoarana ny lois, dia aza mikirapaka fa izay ny fiainana eeee... Aza mba mivarina dia minomino foana ka hoe, ny lois dia mandrakizay tsimiova fa nisy izany Andrmntra izany no "nametraka" azy. Raolona, araka ny fivoaran'ny fiaraha-monina sy ny fahalalany tao ihany no "nametraka" an'io mazava...

rhaj0 - 18/02/2016 17:06
ilay reflexe hoe, mametraka hoe "iza no nametraka ny lois".. io k'lou dia izay izany ny anao ry Tealala.

izany reflexe izany, raha ny fahitako azy, dia miaraka @ ilay reflexe hoe, "rahefa tsy takatry ny hoza-doha, dia akapoka ho Andrmntra".


Ny ahy aloha, rahefa TSY takatra, dia TSY takatra, dia izay izany, koa maninona moa..
fa tsy eo dia hamoromporona na hivarimbarina amina finoanoam-poana hoe, izao sy izao eeee... Tsy efa hitanao foana ve @ Tantara, fa dia izay faritan'i be-famaritra-toa-rambon'osy dia ifikiran'izao adala sy hendry fragile @ tsy-fahalalany ao rehetra izao, dia mierina anefa ny fotoana, dia oainina foana, satria,... ianao ao, eny ianao irery ao, no TSY mahatakatra, fa ny zanakao any aoriana hahatakatra.


rhaj0 - 18/02/2016 17:32
ilay "lois physiques universelles" dia mi-décrire ny fiasan'izao tontolo izao fotsiny eee.. TSY hoe i raolona no "namorona" azy, fa nanavoitra azy fotsiny izy..

hafahafa mihintsy ho'a ny reflex-e-nao ry Tealala.. tena latsaka lalina loatra ao an-tsainao mihintsy ny hoe, misy "mamorona" ny izao sy izao. Efa hoe, efa oainina foana ho'a izay reflexe izay, rahefa nanao be-famaritra-toa-rambon'osy tao..

Tena tsy mety ve ny sainao ho'a, kahoe, manaiky fa TSY takatra ny resaka, dia TSY takatra izany. Teboka.

No comments:

Post a Comment