rhaj0 - 27/06/2016 14:27 |
![]() |
rhaj0 - 28/06/2016 21:18 |
Mba nampisoka-maso eee... misy mantsy @ Kristiana, vao mahare hoe atheista, dia devoly demony, satria izay no nosesefana azy tao (@ vohitrakely tao), ka dia mila aseho hoe, olona nofo sy ra ary misy saina fo aman'eritreritra daholo izany, fa tsisy etre fantastique sy imaginaire eo... |
rhaj0 - 29/06/2016 12:15 |
https://en.wikipedia.org/wiki/Demographics_of_atheism Ny salan'isa dia samy nanao, ary dia samy nanome ny azy. Fa @ ankapobeny, ny betsaka Atheista, dia ny tany mandroso (Eoropa sy Amerika sy Aostralia..), ny Komonista taloha ary i Sina. Fa raha ahitatra ny tsikarokaroka, dia aty Afrika koa mba mahatakatra izany. https://en.wikipedia.org/wiki/Irreligion_in_Africa Ohatra hoe, Wole Soyinka, Nigerian writer and winner of the 1986 Nobel Prize in Literature |
rhaj0 - 29/06/2016 13:15 |
Ka miray kilasy @ siantista eny @ Oniversitia ilay @ ilay inona ianao izany: physicist sa biologist?? ![]() |
rhaj0 - 11/07/2016 22:25 |
Io izany ny TSY-mpino, na ny Atheista io, dia efa niara-nahalala fa avy @ Tany eran-tany. Dia ny hoe IZA indray, dia avy @ izay sokajin'olona rehetra koa ee.. na lahy, na vavy, na ankizy na lehibe, na LGBT na straight, na mainty na mavo na fotsy, na siantista na politisiana na bizinesiman, na ny gadra na ny polisy... Fa rahefa jerena ny statistika, dia ohatra hoe.. (saika ny ao Etazonia no statistika hitako, fa mba zarao koa azany ny statistikanao) - misy milaza fa eo @ 14%-n'ny zamerikana no TSY-mpino, nefa indray 0.1%-n'ny gadra no TSY-mpino - misy milaza fa efa ho 93%-n'ny siantista no TSY-mino, ary ny biolozista no tena be TSY-mpino; nefa indray 24%-n'ny dokotera no TSY-mpino Eto izao ny atheista mandalindalina ny momba azy ihany, dia hoe http://atheistscholar.org/AtheistPsychologies/AtheistDemographics.aspx Atheists are predominately male The new atheists are on average younger Atheists are better educated than believers Atheists are in higher income brackets than believers Atheists have a better, guilt free sex life than believers |
rhaj0 - 24/02/2014 20:50 |
Raha ny salanisa eran-tany kosany dia salasalany ... fanamarihana: ny salanisan'ny tsy-mpino no nasehoko (azony misy karazany maro ny mpino) Fa raha ny @ fiainana andavanandro, dia .. Ny ao US, dia manomboka mivoaka ary miray hina ny atheists, fa laonin'ny fitsabahan'ny mpino (evanjelistra, born again christian sy catholic) @ raharaham-pirenena sy ny fianaran'ny ankizy. Dia tsikaritro in-1 mandeha fa manomboka manao fihaonana ny samy atheists (hotry ny any am-piangonana). Ohatra hoe eto, Le Rally de la Raison: ils étaient 20-30k samedi dernier à Washington DC Ny aty Kanada indray ohatra dia misy dokam-barotra atheist hitako eny ho eny. Fa ny tsikaritro koa dia ny beantitra sy ireo mpihavy no tena mpankany am-piangonana rahefa alahady. Anaty fonosana fa ny gasy aty dia manana ny fiangonany na katolika na protestanta na loterana na selam-pivavahana... Ka efa hifarana ve hoy ianao ny andron'ny kristianisma ? Raha ny hevitro manokana dia ... tsy hifarana fa hihena hatrany ny kristianisma. Izaho mihevitra fa ny siantista no mitondra ny lamaody. |
rhaj0 - 26/02/2014 19:13 |
Eo @ samy siantista izany dia: - 52.7% no TSY-mino t@ 1914 - 72.2% no TSY-mino t@ 1998, izany hoe nitombo 20.5% rahefa 84 taona aty aoriana. Koa azo eritreretina ve, ohatra raha ny aty Kanada, eo anivon'ny fiaraha-monina ankapobeny - 30% no TSY-mino @ 2011, - ho 50% no TSY-hino @ 2095 ? Izaho mihevitra hoe ENY. Ny fahazoako ny antony isian'ny fironana ny TSY-hino teo @ samy siantista, dia noho ny fahalalAna norantovina teny @ Anjerimanontolo, sy ny fahalalahana mandray izany (tsisy anteritery avy @ sasany). Ka @izao fotoana izao, dia ... ilay fahalalana izao dia mora rantovina tokoany moa izany izao, eraky ny internety, ary misy tokoany ny fahalalahana mitsikaroka (tsisy anteritery, censure, mihintsiny). Koa "mino" akoriny aza aho fa ho haingana kokoa ny fironana any @ TSY-finoana. Indrindra moa fa ny tanora dia tena kingakinga @ internety (saika ny beantitra sy ny mpihavy ihany no mankany ampiangonana). |
rhaj0 - 28/02/2014 20:04 |
Fa ny hitako zava-dehibe koa dia ilay fahafantarana na fahalalana fa TSY irery, ary TSY ianao irery, anie no mirona mankamamy izany fiovana na fivoarana izany. Hafa mantsy ny taloha. Mihidy ao @ fiaraha-monina kelinao tao ianao. Tsy mahalala izay any ivelany any. Dia rahefa nandinika lalina anefa ianao, dia tonga aminao ny fisalasalana (doute) ohatra. Fanefa dia poretin'ny mpitondra (fivavahana) sy ny fiara-monina kelinao tao ianao; ary dia lasa ohatry ny ianao, ianao irery, indray aza no lozabe. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) koa anie no toa anao, ao anatin'ilay fisalasalana. Satria TSY fantatrao fa misy (ary maro) aza no efa nihoatra ny fisalasalana (doute) ary niampita rano. Ary dia voatery sy voahidy tao @ ilay fiaraha-monina kelinao tao ianao. |
rhaj0 - 04/03/2014 16:16 |
Raha ny hevitro manokana dia samia fotsiny mampiroborobo ny finoany ao anatiny ao e.. tsara anie izany e... ary rahefa manao tsara fotsiny ianao dia basy. Ny hevitro dia tsisy mitana ny "marina tanteraka"... fa samia fotsiny mivelona dia avelao ny olona ivelona e.. (vivre et laisser vivre) |
rhaj0 - 23/03/2017 12:34 |
Izaho dia Atheist (hiringiriny).. - TSY manaiky ny fisian'izany Andrmntra izany. Amiko TSISY izany. Na Atry ny Kristiana io na Atry ny Grika, na i Grand Manitou io na i Vishnu. - Dia ny cortege manaraka izany koa dia tena TSISY, tsy mi-existe, amiko.. na Devoly na Anjely, na Paradisa na Helo, na koa hoe lasa vorona na hoe Ambondrombe. TSISY na tsy mitombona ireo fahagagana sy miracle tantaraina anaty Baiboly sy Quran na koa izay taterina aty aoriana. TSISY izany teny nakapoka t@ vaton'i Moizy izany. TSISY izany sambofiara Noah izany. - ary TSISY mitombona izay "faminaniana" rehetra, na ny naroson'i Jesosy, na izay ao @ izany Apokalipsa izany. Na ny faminanian'i Nostradamus na izay lazain'i Mahomet. Amiko IREO REHETRA IREO dia vokatry ny imagination-draolona, t@ fotoan'androny sy jeogirafiany tany, miaraka @ fahalalany (niveau de connaissance) t@ izany. Rehefa TSY mahatakatra zavatra na resaka, tsy maha-controle zavatra na resaka, nefa koditra ao, dia lasa mamoromporona revy eo Raolona. Dia mifamokivoky ao. Ny agnostique dia ireo izay mbola "mametra-panontaniana". Tsy miteny izy hoe "misy Atra" na "tsisy Atra", fa mihantona eo ny hevitra. Fa raha ny fahatakarako azy aloha, dia ny Agnostique dia TSY @ ilay hoe "manaiky-tsisy-porofo" (mino). Amin-drizareo, rahefa "tsisy-porofo", dia TSY manaiky koa izy fa mihantona ny resaka. - Izany hoe, ny Agnostique dia TSY MPINO. - Izany no andaharana ny Agnostique ho miaraka ny Atheist. |