Menu

Jun 13, 2016

Ny Fivavahana sy ny Fomban-dRazana


Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 13/06/2016 02:25
Raha ny fahitako azy, dia mila fantarina tsara aloha hoe, inona ilay "fomban-drazana". Ohatra hoe, ireo "ohabolana" tanisainao ireo ve, dia tena "oha-pitenenana" na oha-bolana talohan'ny Kristianisma tonga teto, 1800s, sa oha-pitenenana navalambalan'ny Kristianisma, taorian'ny 1800s.

Satria ny kely fantatro ohatra, dia @ Razantsika, dia misy ny
- Andriamanitra, lahy
- SY Andriananahary, vavy.

Koa raha miresaka "Andriamanitra" ny oha-pitenenana narosonao, dia... toa "Andriamanitra-Kristiana" ny fahitako azy izany.


Ka averiko kely indray... mila fantarina tsara aloha hoe, inona ilay "fomban-drazana".

Io sahala @ ireo milaza fa ny mpihira-gasy dia tena @ ilay gasigasy amin'azy mihintsy ny fiankanjony ohatra. Nefa... jereo kely ny satrok'i Maurice Chevalier ange eee...

rhaj0 - 14/06/2016 12:35
Raha ny fahazoako azy, dia ny "fomba" dia mifototra amina "principes" na koa "valeurs" maromaro na vitsivitsy. Ka ny fahalalana ireo "principes/valeurs" ireo no ahafahana mitaratra, sy koa mahazo tsara, izay fomba na fombafomba... an'izay sivilizasiona eo.

Fa io approche-n'i RBNIR io ambony io izao, dia ... toa ny mahazatra (ny Kristiana), dia tsindrotsindrohany indray izao fomba sy fombafomba mampetimety ny baolina ao. Dia izay no ataony "fiki-maty" ao, fa hoe izay hono no "tena izy", araka ny bitsiky ny.... imagination-ny ao.

rhaj0 - 15/06/2016 17:01
MIsaotra an'i Endriny foana aloha mba manazava sy mizara ny an'ny RazaNTSIKA. Mba ampio antsipirihany fa tena liana dia liana mihintsy aho.

RAha ny fahazoako azy, toa ny sivilizasiona rehetra ihany, na ny an'ny Razantsika io na koa ohatra ny Ameridiana, dia ilay fomba sy fombafomba, dia mifototra @ "finoany" ny fifandraisan'ny Raolona sy ny planeta Latera (olona, biby, zava-maniry, sns...).

Ohatra raisiko foana, satria tena nahatonga saina ahy, dia
- ny an'ny Amerindiana, dia "mpindrana" Raolona fa TSY tompony
- fa ny an'ny Kristiana, dia "mpanjaka" i Raolona
- ny an'ny Razantsika, dia heveriko fa manakaiky kokoa ny an'ny Amerindiana isika.

Dia hitanao taratra arak'izay ny zavatra lasa atao, ka lasa fomba.
- ny Amerindiana rahefa miditra an'ala izy, dia tsy mamela trace izy mivoaka eo, araka izay azony atao, ary izay ilainy ihany no alainy
- ny Kristiana, dia hananganany fefy ny ala, ary dia hanjakany ny ... bois de rose.

rhaj0 - 15/06/2016 18:48
Tohizako kely..

- ny an'ny Amerindiana izany "mpindrana" Raolona, ka dia kolokoloina ny "nindramina" fa tsy avela ho ravarava eo koa. Ka ao anatin'ily planeta Latera koa moa ny "olona". Ary ho an-drizareo, dia TSy avela ho "ravarava" ny namany"; io ilay hoe TSISY mahantra tsy misakafo sy tsy misy tafo izany @ Amerindiana.

- ny Razantsika koa toa izany (jereo Flacourt io ambany io). Izay ilay FIHAVANANA.

- Ny Kristiana anefa, dia "mpanjakan'ny olona hafa" koa ny sasany, ary normal be raha misy tsisy-sakafo-tsisy-tafo eo ambavahady volamena-vatosoa-toa-paradisan'ny mpanjaka.



http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f112.image
Flacourt page 86: Pour ce qui regarde l'hospitalité, ils l'ont entre eux, s'entre-assistent de vivres les uns des autres, et ne denient point à manger à ceux ils enqui leur demandent, quand ils en ont les moyens, s'ils mangent, ils départent ce qu'ils ont à tous les autres, et le plus souvent ils ne gardent rien pour eux, estimant cela à l'honneteté, ce que pratiquent tant grands que petits, par une coutume ou inclination naturelle.

endriny - 16/06/2016 07:05
Ka raha ny fomba Malagasy ange dia lasa miova amin'ny lohahevitra hafa mihintsy indray isika fa tsy eto intsony e... sa hoe atao mifandraika amin'ny finoana ilay izy?

1 Fady ny misioka hariva maty masoandro fa miantso angatra
2 Fady ihany koa ny mitoraka andro harivariva sy hariva fa mahavoa mason'angatra

Ilay hoe soamaroroka na soadodoka dia fety na tsimandrimandry fatao isan-taona amin'ny manonina voasary, ka fetin'ny andriambavilanitra izy io. Amin'io dia anjaran'ny vehivavy no mifidy izay lehilahy tiany hiarahana. Ary fotoana ihany koa an'ireo tovovavy nimaoty hisatarana ny fiarahana amin-dehilahy. Fety maharitra herinandro izy ity. Nantsoina koa fahiny hoe Fehireniaina, satria fehezin'ilay reniaina (vehivavy) amin'ny lambany ireo lehilahy tiany hiaraka aminy ny hariva. Izany hoe eny amin'ilay ankavoriana eny, dia hitan'ilay vehivavy ny lehilahy tsara ho azy iray tonga dia sampinany ny lambany ary tarihiny manaraka azy. Raha tsy diso aho dia I Ranavalona I no nanao ity fety ity farany teto Antananarivo...

Ny Miakadahy indray dia fety lehibe ho an'ny lehilahy. Rehefa vita for a ny zazalahy fony kely dia entina amin'ny fetin'ny miakadahy rehefa feno 4-6 taona, arakaraka, satria ity dia fety fihobiana hoe velona sy afaka mihinjitra ny an'ilay zazalahikely. Ka fety atao isam-pianakaviana na isam-poko izy ity. Omena ondry, omby, akoho ilay zazalahy kely amin'io, ary eo ny Ray aman-dReny no mitily izay ho vadin'ilay zazalahy rehefa ho lehibe...

rhaj0 - 16/06/2016 14:12
Dia mbola misaotra an'i Endriny foana mizara ny an'ny Razantsika eee...

Fa mahavariana tokoany izany Soamaroroka izany. Nisy fandaharana t@ TV koa hitako indray mandeha, dia zareo any Azia atsimo atsinanana any, (mety) mitovy Razana amintsika izany, dia amboaran-dRaR trano heva kely mihintsy i sipakely (8-14 taona) ao an-tokotany, ahafahany mitondra bandikely hiara-hirevirevy aminy. Dia i sipakely no misafidy izay ho vadiny.

Efa noresahina teto @ serasera ihany ny tatitr'i Flacourt sy ny sexe teo @ Razantsika (io ambany io santionany, na koa zahavo atsy @ bilaogiko fa natambatro tao.


Ny fahitako azy dia tena tsisy complexe mihintsy ho'a ny sivilizasiona isan-karazany @ resaka sexe eee... Ny Kristiana civilisé ihany no ... te-ho virijiny lava ao, dia monogame mandrapahafaty, dia sady matahotra no manozona LGBT, ny mpitarika an'azy dia virijiny (mandainga) tsy manambady toa Damopra.. ets...


http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Avant que d'être mariée, elle jouent (jouissent?) tant qu'elles veulent, et se prostituent â tous venants pourvu qu'ils payent, et si un homme a manqué de les payer elle vont effrontement lui oter la pagne sans qu'il ose se défendre ... ainsi c'est la coutume du pays, que la simple fornication, entre ceux qui ne sont pas mariés, n'est point pêché envers Dieu ni envers les hommes. Les filles ne voudraient épouser un garcon qu'elles ne l'eussent éprouvé plusieurs fois, et longtemps auparavant. Entre ceux qui sont mariés, l'adultêre est seulement repité un larcin, etune injure envers les hommes, dont l'amende se paye comme pour avoir commis un larcin..

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: Ils sont fort adonnés (?) à la paillardise (?) et estiment aussi celui-là malheureux qui n'a point de femme, et plus encore celui qui n'a point de mignonne. Ils ont la pluralité de femmes suivant les moyens qu'ils ont de les nourrir, ce qu'ils appellent Mampirafe... Si les hommes sont sensuels, les femmes ne le sont pas moins, et ne laissent écouler aucune occasion de passer leur temps, ayant toujours outre le mari un ou plusieurs amis, avec qui elles jouissent; si leur mari se fachent, elles le quittent fort bien, et s'en vont passer leur temps avec qui bon leur semble. Le mari étant trop heureux de les aller chercher.

rhaj0 - 17/06/2016 18:08
Fa favy ilay mba fantatra hoe, fa maninona tokoany moa ity natao no lasa fatao, dia lasa fomba na fombafomba. Misaotra an'i Endriny.


Fa ny an'ny Kristiana izao, dia ... raha mba fantatra na azo fantarina koa moa ny anton'ireo fombafomba Kristiana, na ny historique-ny izany eee... dia mety mba misokatra mazava saina kokoa izany ny Kristiana eee.. Saing ny an'ny Kristiana moa, ny fanamarinany ny ataony ao, dia toa "didy" avy @ Baiboly, TSISY pouquoi na pour quoi fa dia izay ilay izy dia araho.

RAha diso aho, dia amoahy fomba na fombafomba kritiana azany, dia hazavao hoe, izay no natao satria...

rhaj0 - 17/06/2016 18:15
tohizako fa tsy andriko ....

Ohatra izao, ao @ Baiboly ao, dia (izay voasoratra dia) voasoratra mazava hoe: ny vehivavy dia TSY mahazo mitory teny ao am-piangonana. Ary TSY tokony hiteny akoriny azany izy, fa any @ Ralehilahy izy manontany rahefa any an-trano.

Ka inona ny antony hoy ny fanontaniana ???

- dia hoy i Rakrisy hoe, toko aman'andininy. Point barre.
- nefa anie, raha mandalina kely fotsiny izy ny @ fipetraky ny "fahalalana-de-l'an-zero", dia ho kOpy eee...

No comments:

Post a Comment