Menu

Aug 28, 2016

We Were Children

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 28/08/2016 20:55
Tena vao avy nijery io sarimihetsika io aho ho'a, fa dia te-hizara, ary tena mampirisika anareo mba hijery koa...
(mba ampiasanareo ilay compassion-n'ny Finoanareo ao ee...)

http://lmgtfy.com/?q=we+were+children
ato ny rohy google mitanisa ny rohy wiki sns...

inty ny preview.


rhaj0 - 29/08/2016 17:24
Ny tena mahavalalanina ahy, dia t@ 1996 vao nikatona ny sekoly farany notantanan'ny Leglizy nanaovana ireo zavatra mamoa-fady ireo.

1996 !!!

Izaho nihevitra foana fa t@ tanjato lasana ity resaka ity, kay 1995 izany mbola nisy !!! Izaho nihevitra fa any @ tany mahantra no afaka "hanararaotan'ny predateurs" (tao @ Leglizy) ny marefo sy ny malemy, fa dia aty Kanada, eo ambany volombavan'ny demokrasia/liberty/transparency/imputability/..., no nanaovan'ireo predateurs ny nataony.

Fa efa niala tsiny ampahibemaso moa ny governemanta kanadiana t@ 2008. Io taona io koa noa niala tsiny t@ aborigenes aostraliana ny governemanta aostraliana. Ary misy tohiny ny fialan-tsiny: compensationS, ary ao koa ny commissionS manadihady marina izay fandehany tao. @ izao gvt liberaly izao, dia mbola miampy isa foana ny commissions ary mivoaka koa ny zava-misy hafa any @ communaute amerindiana any, na fanabeazana na rano fisotro, ka hanampian'ny gvt an-dreo.


Fa h@ izao 2016 isika miteny izao kosa anefa, dia mbola mijery an'i Vatican ny olona. Fialan-tsiny gilobaloba TSY arahin'hetsika, na akoriny azany, mbola miharo fiarovana mafy ilay institution Leglizy (izay miantrano predateurs) no mba nataon'i Vatican.

rhaj0 - 30/08/2016 13:19
Asa ahoana ny valin-ketsikareo, raha mahita ilay preview io ambony io, na izay resaka momba ity sarimihetsika ity, na koa ilay sarimihetsika mihintsy azany:

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana ny fo sy sainareo, sa

2- miombona @ ireo masera/mopera ny fo sy fanahinareo?


Marihina tsara aloha, fa TSY hoe, dia abuseurs sy predateurs (sexuels) daholo ireo mopera/masera ireo, na koa ny mopera/masera rehetra, fanefa kosa, nisy dia nisy kosa ireto abuseurs/predateurs ireto, ary nikimpy, na tsy afa-nanoatra, ireto mopera/masera, h@ Papa, indrindra i Ratzinger, nahita ary nahalala izany abus/predation izany.

Satria mantsy kosany, ireo mopera/masera, dia tena entanim-pinoana, ny hampiditra ary hampanjaka ny kristianisma ao @ ireto amerindiana ireto. Koa averiko ny fanontaniana:

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana ny fo sy sainareo, sa

2- miombona @ ireo masera/mopera ny fo sy fanahinareo?

rhaj0 - 31/08/2016 13:45
Ny fahazoako ny fandehan'ny tantara dia:

1- NIsy fanapaha-kevitra politika ny hi-assimiler-na ny amerindiana. Ny mba ampianarana azy ny fomba fiainana tandrefana, indrindra ny miasa mikarama. Koa hozy ny governemanta hoe, ampianaro ny ankizy, ary napetraka ho lalàna fa "TSY maintsy mianatra ny ankizy".

2- Io moa toa ny ankehitriny ihany, dia izay sekoly mampianatra dia mahazo financement na subvention avy @ fanjakana

3- Ary dia nirotsaka ny Leglizy (sy ny sekoliny) ny handray ireo ankizy.

4- Ny olana dia TSY nisy (nanangana) sekoly teo @ communautE na ny reserves indiennes, ka dia any @ sekolin-degilizy izany no hany aleha. Satria ny lalàna ho'a dia hoe "TSY maintsy mianatra ny ankizy", ary dia noraofina (an-tery) ireo ankizy, noesorina t@ RaR sy ny communauté-ny. Miaramila no maka ny ankizy; (mety) gadraina ny RaR mitsivalana ny andehanan'ny ankizy hianatra.


Eto izany, dia lasana any @ pensionnats katolika ireto ankizy, nisaraka (tanteraka) ary TSY miverina mahita ny RaR (raha tsy efa vita fianarana).

rhaj0 - 31/08/2016 19:56
1a. @ ilay politika "TSY maintsy mianatra ny ankizy", dia niitatra h@ hoe, "kill the indian in the child". Tsy haiko inona ny firehan-kevitr'izay governemanta kanadiana t@ izany fotoan'androny izany, fa izay aloha no vava mandeha (na "didy").

2a. @ ilay mahazo "financement/subvention", dia "nalaza" ho tena fatra-pitady ary mahay mahazo ry Katolika. Tsy ny sekoliny ihany no azahoany, fa h@ "hopitaliny". Nalazabe taty aoriana ohatra, fa ny "asile" (toa ireny pk 18 any amintsika) katolika, dia (manery) mampiditra olona izay SALAMA SAINA, satria fotsiny... "tsy mivavaka" angaha ilay olona, ary dia soketaina ho "marary saina" (marobe ny horonan-tsary, tantara sy documentaire mitatitra an'io).

3a. Rahefa "hampianatra ny ankizy" ny Katolika, dia "katesizy" no asesiny voalohany ary asesiny hatrany, ary dia "diaboliser"-ny izay rehetra tsy katolika na kristiana. Io dia
- h@ fiteny (langage), lazaina fa "english is God's langage", izay hita tao @ ilay sarimihetsika io ambony io,
- ka h@ fombafombam-piainana madinika andavanandro; hoe TSY avela manao kisari-na soavaly ohatra ny ankizy, satria ny soavaly dia midika libertE...

4a. Ny herisetra sy fanerena, dia nitohy tao "an-tsekoly" (katolika). Ankoatry ny abus physique, kapoka sy vono ary isolation, izay fomba fampianaran'ny "taloha", dia nisy, ary be loatra akoriny azany, ny "abus sexuel". Ny "abus" dia tsy hoe attouchement tsotra fotsiny fa tena VIOL, ary ilay viol dia natao tamina zaza madinika. Ny pretra lahy mamango boaikely sy sipakely, mbola pre-ado, latsaky ny 10 taona tsy ferana, sahala @ ilay notaterin'ilay sarimihetsika io. Koa na ry masera/mamera azany dia mamely koa, araka ny notantarain'ilay documentaire hitako in-1 mandeha izay koa: noteren-dRangory ilay boaikely, ary tena nikorontana mihintsy ny fi(s)ainany.


Ny olana lehibe, dia nisaraka, na angaha hoe NASARAKA tanteraka t@ RaR sy communautE-ny ny ankizy, ka dia
- tsisy ray sy reny hanambitamby ireto zaza, nefa anie dia mbola kely mihintsy izy, 6-7 taona, no (noterena) niditra ity pensionnats (katolika)
- tena TSISY afaka hanampy, na ny hihaino fotsiny azany, tsisy olona hafa ankoatry ny ao @ pensionnats mifandray @ zareo,
- tsisy safidy (alternative), fa raha mitady zavatra hafa dia vao maika hiharan'ny abus (physique ET sexuel) sahala @ notantarain'ny horonantsary io

Ka dia vao mainka tena henjana be ny fangejana (emprise), ary tsy hita eritreretina mihintsy izay vokatry ity nataon'ireto "sekoly" (katolika) t@ ireto zaza, fa tena mahavaky .. fanahy.

rhaj0 - 01/09/2016 16:59
Tena misaotra ry Lahindroy mampahalala ny aborigene aostraliana koa.

Inty indray ny preview an'i Rabbit-Proof Fence, izay horonantsary mifototra amina tantara niainana.


Fa dia @ anaran'i Jehovah Andrmntra (an'ny fotsy hoditra) daholo moa no nanaovana izany, an-tery sy an-kerisetra izany, izay niitatra h@ fanandevozana tao Aostralia (tany @ 1930s tany) sy h@ abus sexuel tao Kanada (efa 1996 vao vita)..

Ilay ranamana amerindiana dia nivaky vava hoe,
"mba karazana Andrmntra inona koa azany izany Andmntran-drizareo izany"

rhaj0 - 01/09/2016 18:41
Dia i Kanada sy Aostralia moa io efa mivoaka mangarahara io, ary efa niala tsiny sy nifona tokoany ho'a ny governemanta roa tonta t@ 2008, t@ ireo voan'ny tsindrihazolena 150.000 tany Kanada sy 100.000 tao Aostralia...

Fa ny hita sy reko koa, dia ry Belges koa no tena isan'ny giravibe t@ nanjana-tany, ary raha ny fahazoako azy, dia tena genocide no nataony, satria ny isa voalaza dia efa ho 13.000.000
Ato ny wiki momba an'i Leopold
https://en.wikipedia.org/wiki/King_Leopold%27s_Ghost

Ary inty ny preview


Fa io moa, mbola tsisy an-kiteniteny ben'ihany, fa mbola ho avy ee... mbola ho avy.

Dia efa mikisaka miha-mikisaka aty amintsika moa io ny resaka.. fa mbola ho avy eee..

Fa alohan'ny ikisahany, dia mbola averiko an'ny Kristiana (sy katolika ary Protestanta) eto @ seraserantsika ihany ny fanontaniana :

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana sy aborigene sy congolese ny fo sy sainareo, ireo olona ireo izay niharan'ny vono/herisetra/fanerena/viol/... nataon'ny fotsy hoditra (@ anaran'i Jehovah Andmntrany), sa...

2- miombona @ ireo mpitory ny kristianisma (mopera/masera/pasitera...) ny fo sy fanahinareo, ireo olona ireo izay tena nentanim-pinoana tokoany ny hampanjaka @ fomba rehetra (an-katerena sy an-kerisetra ary am-panimbazimbana ny an'ny hafa) ny Kristianisma @ olona rehetra?


No comments:

Post a Comment