Menu

Sep 14, 2016

Ny Nofy


Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 14/09/2016 14:17
Inona moa ny Nofy..

Rahefa matory isika, dia misy dingana (stades) maromaro lalovantsika, ary rahefa tonga @ ilay hoe "sommeil paradoxal", dia eo no mivoaka ny Nofy. Raha taitra tampoka eo isika, dia eo no tadidy ilay nofy. Fa raha tsy taitra moa, dia very any iny izany. Miverimberina eo @ io sommeil paradoxal io isika mandritra ny alina (mi-cycle efa ho in-3 h@ 6, manao sommeil lent/sommeil paradoxal/...).

Ka rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" ny tena, dia eo no votsotry ny ati-doha daholo ny fitazomana na fifehezana (controle) ny vatana sy hozatra aman-tsaina (afa-tsy ny maso sy ny sex).

Eo izany isika izao.

Ka ilay vatana sy hozatra aman-tsaina dia manana ny tadidy (memoire), ny traikefa, ny nampianarina, ny noeritreretina, ny revirevi-mitsangana, ets... Izany hoe, raha atao kisary izany, dia toa sobika misy singan-javatra maromaro (pieces-na puzzle).

- Mandritra isika mifoha, dia voafehin'ny ati-doha ireo singan-javatra ao @ sobikantsika io, ary mandeha @ lojikany ny fiainana.
- Fa rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" kosany, dia TSY voafehiny.

Koa raha atao kisarisary izany, dia toa ny hoe, rahefa ao @ sommeil paradoxal isika, dia azo atao hoe, mihontsana indray mandeha ny sobika, ary dia misy kisary avoakan'ilay puzzle. Dia io kisary io ilay Nofy.

rhaj0 - 23/09/2016 18:30
Ny psy aloha dia milazalaza izao ao @ Psychology Today.
Ny fahazoako ny ataon'ny psy ao, dia mijery ny nofy sy ny toetran'ny vatana
(sy saina).
Fa kosa, TSY nahita mihintsy aho psy nilaza hoe, ilay "nofy" iny dia lasa "tanteraka" aoriana.

Ohatra ny vokatry ny fikarohana dia hoe:
"Traumatized children and adolescents overall report 
a significantly higher number of nightmares".
Fa TSISY nilaza mihintsy fa "tanteraka" ilay "nofy ratsy" teo taty aoriana.


Ary ny neuroscientist indray koa ohatra ao @ Scientific American
Dreams seem to help us process emotions by encoding and 
constructing memories of them. What we see and experience 
in our dreams might not necessarily be real, but the emotions 
attached to these experiences certainly are. Our dream 
stories essentially try to strip the emotion out of a certain 
experience by creating a memory of it. This way, the 
emotion itself is no longer active. This mechanism fulfils 
an important role because when we don’t process our 
emotions, especially negative ones, this increases personal 
worry and anxiety.

Ny fahazoako an'io ihany, dia TSISY milaza mihintsy fa izay "nofy" teo
dia (ho) tanteraka. FA ilay fifandraisan'ny nofy sy izay emotion ao aminao
ao no halalinina.

Ka io izany, raha ny fahazoako azy ho'a, dia mihontsona ny sobika,
dia mivoaka eo @ puzzle eo ny emotion sy memory anao tao. Dia izay.
Fa izany TSY midika mihintsy hoe, ilay sary mivoaka @ puzzle ao dia
(ho) tanteraka.
Fa kosa, ny fandalinana izany puzzle (na nofy) izany, dia ahafahana
mahita hoe, inona no mameno ny sobikanao ao (emotion/memory/...)


rhaj0 - 14/09/2016 17:51
Ka ndao atao kivalavala.

1- afak'omaly dia nihontsana ilay sobika, ary dia ny sarin'ny rahalahinao sy ny vadinao no tafatsoropaka teo @ puzzle.

2- omaly indray anefa, dia ny sarinao sy ny vadin-drahalahinao no tafatsoropaka teo.

Ka dia ahoana izany.. Raha kingakinga ianao hanao "interpretation des reves", ka hoe

1- afak'omaly dia namitaka anao Ivadinao
2- ary omaly dia nofitahinao Ivadinao

dia.. ahoana? Dia "tena izay" tokoany ve no dikan'ireo nofinao tao?? Sa fidifidiana hoe, ilay faha-2 kosa tena TSY izy eee... na dia lasitra iray ihany azany ny rezonema natao teo.

rhaj0 - 15/09/2016 16:39
Eo izany mazavabe fa "interpretation" an'ilay puzzle no atao. Ka dia hitanao fa raha ny marina, dia tena TSISY idiran'izay mifampiditra ao akory, araka ilay "puzzle" tafavoaka avy t@ sobika teo, tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana.

Dia hita @ izay "interpretation" atao koa, fa dia (mety) ho lasa negative, ary negative @ n'a pas, ny vokany. Manimba ny fifandraisana, mandrava fanambadiana na ny fiaraha-monina sns...

Ka io "interpretation des reves" io hono no nametrahan'i Mahomet fampitandremana. Ao @ fampianaran'ny Moslimo ao, dia hoe, raha hanao "interpretation des reves" ao ihany hono ianao, dia ... "mivavaha" aloha.

Ny fampitandremana ankehitrio kosa, dia hoe, raha hihaino ireo mpanao "interpretation des reves" ihany ianao, na dia efa kOpy azany ianao fa "interpretation" (subjective) ilay izy, dia mba mailomailo tsara azany, hoe,
- ngo dia misy "conflit d'interet", izany hoe, misy interet-n'ilay olona ny mi-influencer anao (nisy nanome 3V izy... na hoe, manamafy ny sezany sy fihinanany ny finoanao izay lazainy)
- olona TSY manana mauvaise intention no miresaka aminao


rhaj0 - 15/09/2016 20:08
Inty indray misy kisarisary hafa azahoana mahazo ny hoe Nofy..

Toa ny rahefa manao scrabble indray ohatra. Ao @ sommeil paradoxal-nao ao izany ianao, dia nahazo vato ananki-7. Dia ho avy ny "mpahay azy" hilaza ary hamaritra teny iray.

Dia tena izay tokoany ve ny aminao? sao kosa... créativité-n'ilay "mpahay azy" fotsiny iny?

T@ ilay fandaharana t@ radio reko mantsy, dia nitantara ny Nofiny ilay ramatoa. Dia avy ilay "mpahay azy" (psy ilay iray ity), namariparitra ny "mety" ho dikany, araka ny "fahalalana @ ankapobeny momba ny Nofy". Saingy nisy zavatra iray tao @ ilay Nofy no TSY @ ilay fahaizan'ilay mpahay azy. Ilay ramatoa afrikana. Ilay psy tandrefana. TSY takatr'ilay psy ny teny iray fa maika ny hiresaka izy. Nefa ilay teny dia manoritra "dadarabe". Nony takany fa izay ilay izy, dia vasoka be teo izy, satria dia tena TSISY dikany mihintsy ilay nofariparitany teo.

rhaj0 - 15/09/2016 20:38
@ ilay interpretation hoe, ianao no mamitaka an'Ivadinao, sa(tria) Ivadinao namitaka anao, dia hitabe fa dia lasitra iray ihany ny rezonema natao.

Sa fidifidiana hoe, ilay faha-2 kosa tena TSY izy eee...

Ilay izy, raha ny fahatakarako azy ho'a, dia nihontsana ny sobika tao @ sommeil paradoxal tao, dia io no tafavoaka, ka dia izay izany... fa "tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana", rahefa afaka mifehy ny "sobika" sy ny "puzzle" ny ati-dohanao rahefa mifoha ianao.

rhaj0 - 20/09/2016 18:58
Ka ao @ Baiboly ao, dia misimisy ihany no hoe, "noresahin'Andtrmna tao @ nofiny tao". Ohatra...

Daniela 8:20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

Ka nanofy ondrilahy sy osilahy hono i Daniela, dia avy eo, nolazainy (inoy-tsy-asiana-adi-hevitra) fa "anjely" no nanao "interpretation des reves" taminy, fa ireo ondrilahy sy osilahy ireo dia mpanjaka...

rhaj0 - 21/09/2016 14:35
Ka io izany raha atao kisarisary, dia hoe:
Ilay borikilahy no nanofinofy ondrilahy sy osilahy
Ka ny mpanjakan'i Grisia no lazainy fa hanao coup d'état


Fa dia... kOpy ianao izany fa ... ireo olona fahiny, rahefa manofy, dia koditra, satria tsy takany hoe inona koa izany, ary dia akapokapony ho Anjely sy Jehovah no miteny ao anatin'ny nofiny ao.

rhaj0 - 24/09/2016 14:38
Raha fehezina izany dia

- raha manao "interpretation" ny siantista, na ny psy, dia ny ahalalana ny fandehany (processus) ary koa ny votoatiny (ireo puzzle-na memoire/emotion) no halalininy. Izany dia ny mba hanampiana ny hanatsara (na hanarina ny tsy mety) @ fiainan-draolona

- raha manao "interpretation" kosa ny mpambotry ny namany, toa ireo charlatan mamahan-dalitra, na ankehitrio io na taloha (ohatra ny tao @ Baiboly), dia lazainy fa mahita "fambara ny ho avy" hono izy, ary izany dia hihatra ary ho tanteraka, tahaka izay "hita" (na ilay no-interpreter-na) tao @ ilay Nofy teo.

endriny - 27/09/2016 06:51
Inona no maha samy hafa ny nofy atoandro sy ny nofy ririnina?

rhaj0 - 27/09/2016 12:56
Ilay "nofy atoandro" raha ny fahazoako azy, dia ilay mandrevirevy, mamoromporona sy mamboaboatra zavatra imazinera ao, ka hoe, ataoko an'izao ny izao, ary dia tena lasa @ izao. TSISY lojikany... na hoe, misy lojika-na mpandrevirevy ny resaka amboarimboarina ao.

Raha ny fahatakarako azy, dia izay indrindra no fataon'ireo (manondro-tena ho) "mpaminany" (ao @ Baiboly).

Fa io moa, rahefa arahiny "feo mafy" sy averimberina, dia tena ... lasa mino tokoany ny zavatra noforomporoniny teo i Rampaminany.. Dia ny "te-hino" koa moa be dia be, ary dia lasa hotry ny mba tena marina ilay revirevy noforomporonina namboaboarina tao.



Ilay "nofy ririnina" indray, raha ny fahazoako azy, dia... rahefa ririnina moa, mangatsiaka, dia mora taitra avy @ ilay sommeil paradoxal, ary dia tsaroana ilay nonofisina teo. Fa matetika loatra angaha no taitaitra @ torimaso noho ny hatsiaka, ka dia lasa maromaro ny nofy tsaroana. Dia io hita io fa dia "nofy ririnina" tokoany ilay izy: tsisy idiran'ny paiso @ laisoa... sahala @ nofy rehetra ihany.

endriny - 30/09/2016 06:14
Ka ilay faminaniana ve nofy atoandro sa nofy 

rhaj0 - 30/09/2016 12:55
Raha ny fahatakarako azy aloha, ny faminaniana dia "nofy atoandro". Resaka noforomporonina, dia namboarimboarina mba hifanaraka @ izay revirevy ao. Sahala @ i Rowling manoratra ny tantaran'i Harry Potter ihany io.

Satria... taiza no nisy "lojika" teo @ firohizan'ny nofy, averiko indray, teo @ firohizan'ny (tantara anaty) nofy ho'a, ka hoe, tena nifandraika @ hiainana ? Ilay singan'ilay puzzle, dia ireo memoire/emotion/... dia (mety) zava-m/nizy, fa ny firohizan'ireo singa ireo, ny fitambaran'ireo ho lasa tantara, eo no tsisy lojikany.

Tantarao ohatra hoe ny nofinao farany...

Izaho izao nanofy hoe, napetrako tatsy ho atsy hono ny fiara (hotry ny any Dago ilay toerana, nefa izaho izany aty Kanada), fa nony niverina aho, dia nanjavona ilay izy, ary tena lasa gaigy kely mihintsy aho tanaty nofy tao.

Dia maninona? "fambara" ve izany, sa "faminaniana" fa ho very tokoany ny fiarako?? Na hoe, tena hiverina any Dago aho izany atsy ho atsy?? Sa asiantsika kely creativitE kely indray io, ary dia hoe, ohatra hoe, "faminaniana" izany fa ho very ny ... alikako?? Sa hoe, hanambady ny zanako?

No comments:

Post a Comment