Menu

Jan 23, 2017

Ny Niomerolojia

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)

Haja 

Hoy Ralarosy hoe:
Numerologie: Art supposé de tirer, de l'analyse numérique de caractéristiques individuelles telles que le nom, le prénom, la date de naissance, etc., des conclusions sur le caractère des personnes et des pronostics sur leur possible devenir.

Io izany dia hoe: ny "isa" hono, rahefa atao analizy, dia miteny ny momba anao, na koa izay tranga eo.

Ohatra izao, ny isa 9, jereo ohatra ato @ ://www.01numerologie.com/signification-et-symbolisme-du...
Le 9 est le symbole de l’idéal, du savoir, du spirituel, ...

Izay izany ny an-dry Vazaha, fa amintsika Malagasy indray anefa, ny isa 9 dia lasantsy, na ny marimarina kokoa, ny 7-mbenana.

"Numerologie" daholo izany. (Vokatry ny) "Analizy"-na isa nataon'ny "mpandinika" (hono), ka mampifandray ilay "isa" @ izay tranga eo.

Ka rehefa toatoa io ny fivoakan'ny "numerologie", dia mino aho fa hihomehy fotsiny ianao. Nefa moa, raha mbola te-"hino" ianao, dia hilaza fa "numerologie" TSY tena izy ireo ohatra ireo.

Ka dia jerenao indray izany ilay "tena izy" (tianao inoana)...
-ny 7 andro ao @ Genesisy, na koa ny loza 7 sy trompetra 7 atsy @ Apokalipsia
- na koa ny hanim-7 loha, sy ny 7 lahy sy 7 vavy @ Malagasy

Raha manao "analizy" ianao, dia hanontany tena hoe, maninona koa no (najanona) @ 7??

Raha tohizinao ny "analizy", dia izany rehetra izany, dia mifototra @ "finoana":
- "Mino" ilay numerologie. 
- Mino = manaiky-tsisy-porofo. 

Eto izany, tonga dia manaiky(tsisy-porofo) ireo "mpino" fa ny isa 7, dia isa "feno". Ka dia (n)atao im-7 daholo ny zava-drehetra.

Rahefa takatrao izay, dia ... hihomehy fotsiny @ izay ianao raha misy miantsena dia, akondro 7 ihany ny azy dia basy eee... 

No comments:

Post a Comment