Menu

May 5, 2017

Bokin'ny Genesisy

Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Finoana sy Fivavahana ao @ Serasera

endriny - 05/05/2017 17:53
Jenezy na Genesisy Toko I: Vakio tsara

1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
(...)

rhaj0 - 08/05/2017 16:59
... nilamina dia nisesy tsara io ny fandehany (ao @ Genesisy). Io manjabe sy mazavabe io ny preparation an'ny "mpampianatra mahay"...

1- nahary ny lanitra sy ny tany
2- maizina (hantsana + rano)
3- misia mazava
4- nosarahina mazava sy maizina
5- andro-hariva-alina-maraina == andro voalohany.

io ho'a tsy mila alefa mihoatra ny andininy faha-2 akoriny ... tsy hita mazavabe ve fa "earth-centric" na hoe "géocentique" ilay BAiboly eee...
(..)
Ary dia io hita @ andininy manaraka rehetra ao io, fa miainga avy ety @ planeta Latera ny tohin'ny tantara, dia ny niforonan'izao tontolo izao hono eee...

- ary dia "nataon'Atra" aloha ny "habakabaka" sy "ny rano ambonin'ny habakabaka" izay eto ambony Latera io (GEN 1:7)

- izay vao "nataon'Atra" koa ireo zavatra eny @ "habakabaka", dia ny Masoandro, ilay "lehibebe kokoa hitarika ny andro", sy ny Volana, ilay "kelikely kokoa hitarika ny alina", ary "nanao ny kintana koa" i Atra eo @ io GEN 1:16 io... Izay natao avy taty ambony Latera ihany koa io.
(..)
ka izay no takatry ny hoza-dohan'izay teo. Dia ny tohiny rehetra dia ilay nampino hoe, ny Latera koa no afovoan'ny tontolo manontolo. Efa ho an'arivo-taonany vao vaky vava fa resa-kehy kay izay.


Dia io "centric" io koa miitatra @ ilay "ego-centrism" giravin'ny mpino ee... Hoe izy tenabeny (ego) io dia centre du monde. Aiza no hoe, izy "olona kely sy bitika" mpino ao hono no "misonenika" @ izay hisonenehany ao, dia i Jesosy hono eo anilany ao foana.

Nataok'ty i Jesosy mbola aty @ Pole Nord???

rhaj0 - 16/05/2017 21:12
FA io koa moa, araka ny efa lazain'i Endriny eto foana, dia TSISY VAVOLOMBELONA, fa dia miampitapita teny fotsiny ny resaka.

Dia tena mba mahavariana anefa, fa dia mbola izany foana no atao fiki-maty eo, satria hono efa nahabotrabotra ny sain'ny taloha, koa maninona no tsy tohizana... ny taona (2017) anefa efa mandroso ihany.


Fa raha mampanontanitany kely an'Ineny Gogola, dia hoz'izy hoe, i MOSESY no nanoratra io Genesisy io.


Dia hoe, ka tena nobitsihin'Andrmntra tao an-tsofin'i Mosesy tao va re ny resaka? Teny an-tendrombohitra anefa toa tena efa fahagagana be mihintsy, satria dia TSY mateti-pitranga, ilay fiersahan'i Andmntra @ Mosesy, na izay olona eo, ka nanakapohany t@ vato ny hafatrany hono...

Fa raha atao hoe, nobitsibitsihan'Andtrmna tao izany i Mosesy, dia io izany ilery nanao sekretera tsisy masinina io, hany ka
- misimisy ihany ny diso na tsy mitombona,
- na hoe dia sampona, na bangabanga, ny lojika (tsisy loham-bodiny, na tsisy vodin-dohany)
- na ny firafitra na filamin'ny toko aman'andininy, na ny fehezanteny ao, na ny teny ampiasaina, ary indrindra moa ny votoatiny
hany ka dia io mila lamentation be io izay vao azo, raha ho azo, fa hoe (tsy) metafaoro na parabaolina ity resaka, ets...


Fa ny hitako resahin'ny mpandinika sasany, dia hoe,

1- ndao ekena hoe, tena nobitsibitsihin'i Andmrntra tao an-tsofin'i Mosesy tao tokoany anie ireo tantara lavabe ao @ Genesisy ireo ohatra

2- fa ndao ekena koa fa, na i Mosesy no lalodalovana, na ny nandraisan'i Mosesy an'ilay "bitsik'Andmntra" dia araka ny fahatakaran'ny hoza-dohany tao, izany hoe, araka ny fahalalany (niveau de coonnaissance) sy kolotorany tao.

Izany hoe, teo no niantomboka izany ny telefaonina arabo eee... Ary i Mosesy mihintsy no voalohany namalan-kira.


izany no iafarana @ ilay hoe:
- tena TSY mila rasarasaina na hohalalinina akoriny ny Genesisy,
- fa tonga dia hoe, "minoa fotsiny" fa noforonin'Andmntra izao rehetra izao.
- Ny comment sy pourquoi, dia TSY mila apetraka akoriny ny fanontaniana, fa "minoa fotsiny".



Fa ny mampanontani-tena kely izao dia hoe, fa maninona koa azany no navelan'izao Andrmntra hivaralila toa izao ny resaka, fa in-1 mandeha izay Izy hono no ni-kôzy, dia iny Izy no lasa tsy niverina intsony. Dia h@ izao ny Kristiana rehetra dia mbola mivaralila mihosona anaty resaka sampona ao io.

No comments:

Post a Comment