Menu

Oct 18, 2017

Fampandrosoana sy Fiadanana


Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Finoana sy Fivavahana ao @ Serasera

rhaj0 - 18/10/2017 16:19
Misalasala foana aho, rahefa hozy ny mpandinika, ary anisany i Endriny, ka hoe, mila miainga @ "hazo-damosina" nifampitaizana tao talohan'ny gilobalizasio, na ny marimarina koakoa, talohan'ny fanjanahan-tany na ny fidiran'ny kristianisma, raha te-hiadana (sy handroso). Hoe, mila mitombona ary mifototra tsara @ naha-olona ny zokiny tao ny olona izao, mila (miverina) mitia ny lasany sy izay traikefa ary soatoavina efa nisy tao, ary mbola ao anatiny (subconscience) ao.

Manaiky aho ny fitombenan'izay. Satria dia mila miainga na mifototra @ izay iaingana sy ifotorana ao ny atao, raha hitady "fampandrosoana sy fiadanana". Ary ao @ "subconscience" ao, dia tena mbola Malagasy (fa tsy Kristiana ohatra).

Raha ny Kristianisma aloha, dia raha ny fahitako azy, dia tena TSY mbola ao @ ati-panahy lalin'ny Malagasy mihintsy. Ny hitako dia misavisavika kifombafomba ary manafangaroaro ny Kristianisma @ "finoana-primitiva"-ny ao ny (ankabeazan'ny) Malagasy. Izany hoe, TSY ao @ "hazo-damosina" natioralin'ny Malagasy ny Kristianisma. Mazavabe fa tsy ho voafafa anatin'ny taona vitsy ny "subconscience' kolektiva ao.

Rahefa mijery ny traikefan'ny olona sy firenena hafa indray, dia TSY hoe dia orijinaly be tahak'n'inona anie ny Malagasy, fa samy nandalo teo daholo na Latina na Aziatika na Afrikana. Raha mihaino ny tantaram-piainan'ny ao Amerika Atsimo ao, dia milay noho ny "firaisan-kina na fifanomezan-tanana" Malagasy ny an-drizareo. Raha mihaino ny any Azia, dia milay noho ny "fanajana-vahiny" Malagasy koa ny an'ny sasany.

Koa inona azany no ho atao hiatrehana ny hazakazaky ny fiainana izao. Ny tanjona dia "fampandrosoana sy fiadanana" hozy i Tianabeloo io.

Dia hoy aho hoe, inona no efa nataon'ny hafa, maninona no tsy mandray ny traikefan'ny hafa, maninona no hamerina ny tsy-fetezan'ny traikefa natrehin'ny hafa?

Dia hoy aho hoe, mila mandinika ny fi(s)ainana zava-misy 2017, miaraka @ fahalalana-2017, siansa/pisikilozia/sosiolozia/medecine/ekonomia sy traikefa ary soatoavina 2017.

Koa raha hoe, ho averina akombona ao @ box-kely, na ilay "fomba-taloha" io, indrindrindrindra @ Kristianisma, dia tena "infantilisation" ny fahitako azy.

Izaho mino fa manana saina afaka mandinika sy mandalina ary mampiasa ny fahalalana-2017, siansa/pisikilozia/sosiolozia/medecine/ekonomia sy traikefa ary soatoavina 2017 ny Malagasy ankehitrio. Mijapy mankany, rehefa samy tsy maintsy mijapy ihany, mijapy mankany @ ireo 2017 ireo, raha te-hahita "fampandrosoana sy fiadanana" koa. Ary lavitr'ezaka io, fa mila atomboka, ary mila tonga dia atomboka.




No comments:

Post a Comment