Menu

Aug 11, 2018

Ny gène

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)

Haja Razafitrimo .
Izao indray ny tambatry ny hitako sy reko farany.. araka ny fahazoako azy ihany, fa ahitsio sy ampio izay mahay azy ity


@ ankapobeny dia atao hoe, azo sokajiana 3 isika, ataoko kisary hoe

1- Rahantsy .. ity ilay lasa negativa
2- Raforsety.. ity ilay paozitiva, fanefa saika na mety lasa negativa
3- Rasotro.. ity ilay paozitiva.

Ndao raisina ohatra, ny fahasalaman-tsaina.

Sirika izao, fa ny "depression", na koa ny fitondra-tena "violent", dia mifandraika amina .... "gène".
1- Rahantsy: ireo dépressif sy violent dia ahitana ilay gène io daholo
2- Raforsety: ahitana ilay gène ihany ireto, fanefa dia olona paozitiva izy
3- Rasotro; tsy ahitana ilay gène ireto, ary paozitiva daholo (ny ankamaroany).

Ka ny fanazavana dia hoe
a- ny tontolo iainan-dRaforsety dia manohana manampy azy @ fiainana (fianarana sy fitaizana, fianakaviana sy namana,...), ary dia tsy ni-click ho @ negativa izy. Na dia "agressif" azany izy, dia tsy violent be: ilay toetra tampisaka @ ilay gène-ny dia lasa miseho paozitifa (ohatra, bizinesiman). I Rahantsy indray dia ao anaty tontolo negativa koa, ary dia ni-click tanteraka ilay gène, hany ka nirongatra ny toetra negativa (lasa criminel akoriny aza)
b- ny zavatra hanina, na fohana (indrindra ny cocaine raha mbola latsaky ny 15 na 18 taona) dia miteraka simika mampi-click an'ilay gène ary mampirongatra tanteraka ny toetra negativa. Io no mahavoa an-dRahantsy. i Rasotro anefa tsy dia tafavarina ho negativa (be) na dia manao koa azany.

Ka lesona azo tsoahina (ho ahy), dia raha tsy hita fehezina (tsy hanana contrôle) ilay gène, ny hany atao, ary tokony atao izany, dia atao tsara ny fitaizana/fianarana ary ny fiaraha-miaina, fa dia ho Raforsety sy Rasotro daholo isikana : paozitiva.

Ndao indray raisina ohatra 2, ny areti-mandoza, toa ny homamiadana na koa ny diabeta sy alzheimer

Sirika koa izao, fa misy "something" ao @ tena ao, ao @ gène ao koa, ka
1- Rahantsy dia na ho haingana na ho haingana dia ho voan'ny homamiadana sy diabeta na alzheimer
2- Raforsety, raha mitandrina, dia mety ho ela vao ho voany
3- Rasotro dia kalamina fotsiny @ io

Ka lesona azo tsoahina (ho ahy), dia raha tsy hita fehezina (tsy hanana contrôle) ilay gène, ny hany atao, ary tokony atao izany, dia atao tsara ny fitaizana ny vatana sy saina ary ny fisakafoanana, fa dia ho Raforsety sy Rasotro daholo isikana : paozitiva.

Haja Razafitrimo Ny ahy ho'a, ny lesona raisiko sy tadiaviko, dia inona izany ity "hygiène de vie" ity. Ho atao iainana ary tiavina, ekena ho normal ary atao routine.

Fa @ io Rahantsy/Raforsety/Rasotro io izao, dia rahefa itarina politika-ekonomika ny resaka, dia ny olana dia .. ny lesona tsoahin'ny assurance compagnie, dia hoe, tsy amena assurance maladie na assurance vie izany Rahantsy. Na koa hoe, hozy ny politisiana toa Sarkaozia izay moa izy teo, hoe, tonga dia tsiriho hatrany @ garabola ireo Rahantsy ireo.

Ny olana koa izao, dia fantatra koa fa ny mainty hoditra izao, dia ao @ gène-ny ao koa, dia maneho endurance, hany ka amin'azy tsara ry Usain Bolt mbamin-dry Michael Jordan. Fa tsy ny mainty rehetra no UB na MJ. NIsy fitaizan-tena sy herin-tsaina be koa tao. Paozitiva ilay isehoan'ilay gène @ Rahantsy eto, dia mirehareha ny mainty, Fa raha negativa no hitan'ny fikarohana, sanatrian'izany hoe, ilay gène violent dia ao @ mainty hoditra ohatra, dia ... ho faly daholo ny rasista sy Trumpista.








No comments:

Post a Comment