Menu

Apr 29, 2021

Ny Silamo sy ny Moslimo


  • Modérateur
    Matetika loatra dia ny tsy-fahalalana ny Silamo no betsaka @ Kristiana. Ary dia matetika loatra, dia ny kabarin'olona mankahala ny Silamo no averimberin'ny Kristiana (tsy am-piheverana).
    Nefa anie dia
    - samy taranak'i Adam sy Eva, na Hawwa ho an'ny Silamo, daholo
    - samy mivavaka amin'ny Andriamanitr'i Abrahama daholo na ny Silamo na ny Kristiana,
    - ary samy mandray ny Didy folo nakapok'ilay Andriamanitra iombonana t@ vato, Didy 10 izay nameny an'i Mosesy, na Musa ho an'ny Silamo,
    Koa raha hanadihady isika eto, dia mba tsy hivarinana amina pozitiva na negativa (ranofotsiny), dia azo atomboka @ izay finoana, fatao na revy iombonan'ny Kristiana sy Moslimo aloha ny resaka...
    Koa ankoatr'ireo teboka telo kely ireo, inona koa no fantatrao fa fatao sy finoan'ny Moslimo, izay fatao sy finoan'ny Kristiana ihany koa? (indrindra moa raha Kristiana ianao)
  • Modérateur
    Ny Silamo mipetraka aty Kanada dia toa ny Mpino hafa rehetra aty ihany. Maro no mahay miaina toa ny mpiara-monina rehetra ihany. Fa misy foana koa ny extremista.
    Fa raha hijery ny ho avy, dia raha ny fahitako azy, dia ny Silamo aty Kanada no tokony tarafina, fa tsy ireo extremista, na koa ireo mbola voageja any @ taniny any.
    Religion sahala @ religion rehetra ihany ireo, na Islam na Kristianisma, ary samy nandalo tamina "habibiana" daholo. Fa azo "interpreter"-na ho "religion de paix" daholo koa. Dia afaka miara-miaina afaka miara-monina daholo isikana, fa tsy mifaneritery mifanitsakitsaka sy mifamono lava izao.
    Raha mijery aty Kanada izao ianao, dia aseseho vakiana ity dossier natambatr'i Radio-Canada. Fa "victime" koa ny Silamo

    http://ici.radio-canada.ca/sujet/attentat-terroriste-mosquee-sainte-foy-quebec?fbclid=IwAR3tBCDgSz9-R08AbWNQN5knSsKCIoCndN0Dnd6eu7F9o5kWY7ToLmU2vmg
    • Modifié
  • Modérateur
    Dia rahefa maneho hevitra sy miteniteny, indrindra ireo mpiteniteny @ "feo mafy", ka mamely mafy ny mpiara-belona azy, noho ny finoan'ilay mpiara-belona azy io, dia Ivereno dia diniho tsara ny famaritana ny hoe "islamophobe".
    Homophobie koa ny islamophobie.
    Islamophobie =
    dislike of or prejudice against Islam or Muslims
    l'aversion ou les préjugés contre l'islam ou les musulmans
    tsy fitiavana na fitsarana an-tendrony amin'ny Silamo na Mozolmana
    Aza mba mivarina sy mivaralila ho Homophobe.

    https://www.google.com/search?sxsrf=ALeKk02_dSuOWt7-jX_ZwsFX-XBdb9YW7Q%3A1614115261641&ei=vXE1YMbFJtet5NoPoLSYkA0&q=islamophobia%20definition&oq=islamophobia%20definition&gs_lcp=Cgdnd3Mtd2l6EAMyCQgjECcQRhD5ATICCAAyAggAMgcIABCHAhAUMgcIABCHAhAUMgIIADIFCAAQhgMyBQgAEIYDOgUIABCRAjoCCC5Qh_BRWNH6UWDjhlJoAXAAeACAAbkBiAHOC5IBBDAuMTGYAQCgAQGqAQdnd3Mtd2l6wAEB&sclient=gws-wiz&ved=0ahUKEwiGmK_294DvAhXXFlkFHSAaBtIQ4dUDCA0&uact=5&fbclid=IwAR3KQKlMSiquUsfKeH7DflIbpXt39S_eHkQVfwoJ1sua71CKv1yHt83qRBo

  • Afficher 4 autres réponses
  • Modérateur
    Mila manaiky ianao fa io religion io anie ka araka ny fiteny, dia toa ny hoe "cafetaria". Ratsimpontsimpona Betsindrondtsindroka DAHOLO ny Mpino.
    Fantany fa absurde ny fampianarana sasany ao, dia akipany fotsiny any. Samy manao an'io daholo rehefa Mpino.
    RAhefa tsy mahavita manakipaka ny "absurde' i Mpino, dia tondroina hoe "fanatique", na extremiste. Ary vitsy an'isa ireo.
    Fa ny manana agenda ny mba ankahalana ny moslimo iray manontolo ohatra, dia manao lavage de cerveau ny hafa hoe, ilay lafiny "absurde" io, ary io IHANY, no ho ataon'ireo Mpino, na hoe ny Moslimo REHETRA ireo, ary ho ataony na ho ela na ho haingana.
    .
    Dia raikitra ny guerre de religion
Haja Razafitrimo
Modérateur

Ohatra ampazava ilay tondroina hoe religion cafetaria, ampatsotsotra ny fahazoan-dresaka, dia toa izao ireo Cafetaria Catholics
Katolika izy, mandeha lamesa sns... Fa rehefa hozy i Papa (infaillible) hoe, "Aza Manao Condom na Kapoty", dia hoz'izy hoe, inona no fantatrao @ izany Rapapa, fa na ny manao aza tsy ataonao. Ary dia manao kapoty izy, dia ameny Condom koa ny zanany mba iarovan'ireo tena.
Na koa hoe, rehefa hozy ny Baiboly-Deoteronomia 25:11 hoe, "pendaso @ ankasarotany ny fahavalom-badinao", dia angarihan'ny Kristiana Cafetaria fotsiny izany.
Dia torak'izany koa ny Moslimo (ny majorité). Ireo resaka absurde sy lian'ady dia akipany any fotsiny. Fa ny fanatika sy ny extremista IHANY no manitrikitrika an'izany.
Dia rahefa miara-mifampikitrikitrika eo ny Moslimo extremista sy ireo islamophobes, dia ... raikitra ho'a ny guerre de religion.

      • Modifié
  • Modérateur
    Mila manaiky koa ianao fa ny fandraisan'ny olona io religion io dia samy hafa, ary arakarak'izay fampianarana na tantara vakiany ao @ ilay Boky tokana ao :
    - ao ny mandray izay rehetra ao ARA-BAKI-TENY.
    - ao ny misafidy ny handray izay (sasantsasany) ao ARAKA FANOHARANA (parabole)
    Dia ireo mpandray ara-baki-teny, na dia resaka efa tsy mifandraika @ fotoana sy lojika na soatoavina ankehitrio akoriny aza, dia tondroina hoe "fanatique", na extremiste. Ary vitsy an'isa ireo.
    Ny hafa rehetra kosa, dia amoromporonany dikany vaovao "mifandraika @ fotoana sy lojika na soatoavina ankehitrio" ilay vaki-teny nataony teo. Ratiafanoharanampitaka no anarany.
    Fa ny manana agenda ny mba ankahalana ny moslimo iray manontolo ohatra, dia manao lavage de cerveau ny hafa hoe, ilay lafiny "ara-baki-teny" io, ary io IHANY, no ho ataon'ireo Mpino, na hoe ny Moslimo REHETRA ireo, ary ho ataony na ho ela na ho haingana.
    .
    Dia raikitra ny guerre de religion
    .
    Raha fehezina, dia ny mpanaraka Religion, ampamora ny resaka, dia azo amena anarana hoe
    1- i Rafanatika Lekistremista ... vitsy an'isa
    2- i Ratiafanoharanampitaka Betsimpontsimpona ... maro an'isa

 

  • Afficher 3 autres réponses
  • Modérateur
    Ity angamba no amehezako ny revin'ny Kanadiana (nosintomina avy @ io pejy namena io ambony io)
    " Individuellement et collectivement, nous devons toujours faire attention à ce que l’on sème et ce que l’on cultive; et nous devons tendre vers plus de compréhension, de paix et de respect. "
  • Modérateur
    Nijery an'i Raya and The Last Dragon aho omaly. Dia ny nanintona ny saiko dia ireo scene t@ faramparany.
    Raha tiana hiova (ho @ tsara) ilay fiarahana monina (izay nisian'ny ady teo @ isan'isany tao), dia tsy maintsy misy ny maka ilay dingana voalohany maneho ny fahatokisana (trust) ny andaniny.
    Ny fahitako ny Kanadiana, dia toa ny nanapa-kevitra koa izy ny handray ilay "dingana voalohany maneho ny fahatokisana ny andaniny".

No comments:

Post a Comment