Menu

May 31, 2016

Ady @ Habadoana: Ny Sigara sy ny Toaka

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 31/05/2016 13:10
Androany 31 May ny Andro Iraisam-Pirenena Iadiana @ Fifohana Sigara
http://www.journee-mondiale.com/164/journee-mondiale-sans-tabac.htm

Efa fantatra izany izao fa ny sigara dia - mahavoan'ny cancer - mahatonga olana ara-pahasalamana ho an'ny zaza ao am-bohoka - sns... Ankoatry ny ilay raha simika nicotine, dia ny olana iray koa, dia ilay tsy fahampian'ny okisizena ao @ tena, ka mahatonga, ohatra, ilay fahasahiranana-rahefa-midangitra (dysfonction erectile). Ary tsy ilay mifoka ihany no voany, fa izay manodidina miaina @ ity rivotra maloto koa.

Ny ataon'ny aty @ ito Ady @ Habadoana ito, tsingolohako vitsivitsy eto, dia ireto voapetraka ho lalàna ireto:
- TSY mahazo atao mivelatra ho hitan'ny mpanjifa ny sigara any @ mpivarotra (fa tsy maintsy atao any anaty vata sarihana)
- TSY mahazo mifoka sigara eny @ restau sy izay toerana public mihidy, ary koa eny @ parc
- TSY mahazo mifoka sigara ao anaty fiara misy zaza latsaky ny 16 taona
Marihina kely fa ilay e-cigarette (electronic), dia vao mainka lozabe, rahefa afangarongaroin'ny sasany raha manapoizina ilay ho fohana. Ary ny sigara "natioraly" koa, dia mavesatra kokoa ny tahan'ny poizina ao aminy.

Ka ahoana azany no hanampiana ny olona hiala @ sigara, satria ny herintsaina fotsiny dia tsy ampy. Ny toro-hevitra vao reko teo, dia ampiarahina fomba-fiaina-madio (hygiene de vie) ilay ezaka atao : ara-tsakafo sy fanatanjahan-tena, yoga sy torimaso madio, ary ara-tsaina sy fiainana sosialy mifanohana.

Ilay fiainana sosialy (sy pisikolozika) ito, dia hita izao fa hotry ny anti-depressif ihany ilay nicotine (jereo eto). Izany no mahatonga ireo sahiran-tsaina dépressif, raha vao miala sigara dia mivaralila. Tsy hoe, tsy mahatsiaro ho sexy intsony izy satria tsy mifoka sigara, fa mety olona dépressif mihintsy izy ao.

Ka ilay ady @ habadoana (sigara) izany, dia mila jerena ny fiainana manontolo, fiainan'ny tena sy fiainana sosialy, fa tsy hoe, toa ny miala tsy mihinana voamadilo sy sakay fotsiny io dia basy.

rhaj0 - 31/05/2016 16:58
Asa hoatrinona ny paquet-na sigara any izao, fa aty ohatra, ny singany ananki-20, dia eo @ 10$ CAD eo ny mora indrindra, izany hoe, azahoana
- sakafo ho an'ny lehibe iray sy ny zanany any @ MacDo
- na mofo bagety ananki-10
- na vary 10 kilao
- na ronono 8 litatra

Dia raha atambatra ny mandritra ny 50 taona nifohana... dia ganga ianao hoe fa maninona ilay olona no mahantra...

Haja ... tohizako kely fa misy update

http://ici.radio-canada.ca/nouvelle/1009901/tabagisme-responsable-millions-deces-oms-cancer

Le coût des conséquences sur la santé du tabagisme dépasse largement les revenus tirés des taxes sur le tabac, estimés par l'OMS à 269 milliards de dollars en 2013-2014.

Le nombre de décès liés au tabac devrait augmenter et passer d'environ six millions à huit millions de décès annuels d'ici 2030, dont 80 % dans des pays à revenu faible ou intermédiaire.


Raha ny @ sigara, dia... jereo kely ny tabilao... na ny interinety mantsy eee..

Ireo ady @ Bizn'ny Tabac eny @ Fitsarana
http://lmgtfy.com/?q=proces+contre+l%27industrie+du+tabac

Ny vidin'ny Sigara @ Biodzem-panjakana
http://lmgtfy.com/?q=cout+du+tabac+sur+le+budget+national

Ny voka-dratsin'ny sigara
http://lmgtfy.com/?q=effets+medicaux+nefastes+du+tabac

Ny vokatry ny sigara @ vola ao am-posy.
Asa hoatrinona ny paquet-na sigara any izao, fa aty ohatra, ny singany ananki-20, dia eo @ 10$ eo ny mora indrindra, izany hoe, azahoana
- mampiaraka amin'azy misakafo any @ MacDo
- na mofo bagety ananki-10
- na vary 10 kilao
- na ronono 8 litatra

- ary raha mifoka 1 paquet isan'andro izany, dia ho 3650 $ isan-taona.

Haja 

Ity moa dia resaka mivermiberina aty, ka dia zaraina etoana sao mahasoa. Hoe "mahafaty" tokoany ny sigara. Dia ny valim-bontana dia hoe, samy ho faty daholo ihany. Saingy:
- ny mpifoka sigara dia ho faty eo @ 10 taona mialoha ny fotoanany
- ny mpifoka sigara dia ho faty mijalijaly. Ao Quebec ao, dia ny antsasaky ny mpifoka sigara dia voan'ny homamiadan'ny fitaovam-piaina. Ary dia tena mijalijaly rahefa voany. Nomarihana fa ny matin'io homamiadana io, dia betsaka noho ny matin'ny homamiadan'ny nono sy prostate sy hafa mitambatra.

Ny mahalasa ny saiko, dia ny sigara aty @ tany tandrefana azany
- efa mba misy traitement vinaninany.. asa na mampitombo ny olana aloha na tsia, fa toa mba fantatry ny orinasa ihany ny ataony
- efa misy ny fanjakana sy ONG manara-maso
Nefa dia io iaraha-mahita io fa tena mamono mampijaly.
Ka ilay sigara any Dago no mahalasa ny saina. Natioraly ve ilay izy dia mety hoe, tsaratsara kokoa.. @ dikany hoe, mahafaty haingana kokoa???

rhaj0 - 18/01/2017 14:16
Ho anao mpifoka sigara. Izaho tsy mpifoka sigara. Fa raha ny fahazoako azy, dia ao @ sigara, dia misy kasinga izay mahakitika ny any @ ati-doha, hany ilay ati-doha ka manosika ny tena ny hifoka foana (mitady ilay kasinga). Addiction. Toa efa haihain-dry siantista ny mekanisma-ny, ary mino aho fa ho avy tsy ho ela ny fanafody simika mamehy izay mekanisma izay.
(jereo ohatra eto: http://newswire.rockefeller.edu/2015/)

Ka raha exagerer-na izany, fomba fijeriko ito, ary aza atao mampatezitra, fa dia efa ho "aretin-tsaina" aterak'ilay kasinga no mahatonga io addiction io. Aza atao mampatezitra ho'a, hoe manana "aretin-tsaina" izany ianao, fa hevero toa ny virus ilay kasinga. Dia misy olona tsy mararibe na dia voany aza. Fa misy olona hafa, noho ny toe-batany, mety hoe marefo, na genetique, dia tonga dia mararibe mihintsy. Misy olona izany, mifoka ihany fa tsy resin'ilay kasinga izany ny sainy (sy ny vatany), dia afaka miala izy. Fa ianao tsy afaka.

Ka eo ampiandrasana ny fanafody simika iadiana (ny vokatr') io kasingan-tsigara io, dia ... fahadiovam-piaina (hygiene de vie) anombohana azy eee... Ary mila ny fanohanana sy fampirisihana betsaka avy @ fianakaviana sy olon-tianao ao io (fa tsy ilay "namana" nefa mpamosavy malemy). Dia @ ankapobeny koa, dia tena miova fomba fiaina (style de vie) mihintsy ianao izany @ io.

Ny fahadiovam-piaina dia efa noresahina tato ihany.. Entre-pa fa tsy addiction @ sigara ihany no azo iadiana @ izany, fa na addiction @ daina, na alikola, ets...

rhaj0
http://forum.serasera.org/forum/message/m585d2bdfc46ca
fahadiovam-piaina - hygiene de vie

1- miaina tsara, mifoka rivotra madio, mifoka rivotra feno (respiration profonde). Satria, rahefa tsy ampy oksizena, dia be gaza karibonika, nefa ny CO2 dia mampalasa asidra ny tontolo (milieu). Ary ny tontolo asidra dia sompitra ho an'ny aretina, indrindra ny homamiadana.

2- misakafo tsara. Ahena ny sira, siramamy, matavy; tsy mibosesika raha iray, fa atao isan-karazany ny sakafo. Ajanona ny sigara sy alikola. Misotro rano.

3- dia ahena ny rotoroto (stress), fa alaivo miadana ny fiainana

4- dia manao fanatanjahan-tena, na dia mandeha tongotra fotsiny aza, na hoe, manenjana ny vatana (etirement). Raha mahavita meditation (yoga sns...) dia vao mainka tsara, sady mampihena ny rotoroto koa izany.

5. mila atao ampy tsara koa ny torimaso. Io mantsy, raha tsy ampy, dia lasa mitady raha ny vatana, dia te-hisakafo lava, ary io ilay lasa mampatavy. Fa ny tena olana @ tsy fahampiana torimaso, dia ny fitadidiana na koa ny asan'ny ati-doha @ ankapobeny no sahirana.


Dia mazava ho azy fa ilay "fahadiovam-piaina" dia midika ny fahadiovan'ny vatana, sasaina madio ary atao maina, na tanana io na tongotra, h@ lavaka (orona, sofina,...) sy izay elakelaka (helika, laferana,...) rehetra eee.... 

rhaj0 - 18/01/2017 18:50
Fa ianao sy ny manodidina anao izany kOpy fa toy ny "aretina" ilay izy. TSY hoe "hadalanao", fa tena, sanatriavin'ny vava dia toa ny hoe, voamosavy ianao; fa dia mila ezaka mitohy (mety ho lavitr'ezaka) hiadiana azy (raha tsisy fanafody simika) izany eee...

Koa dia
- mila ahena (miandalana) ny habetsahany (mety hoe misintona in-10 dia borquer-na)
- mila ahena (miandalana) ny fohana isan'andro
Tsarovy fa henjana be ilay conditionnement nahazo ilay ati-doha ao, fa mila taizana moramora hiala @ ilay izy.
- dia ento @ halemem-panahiny eee.. mety tsy maha-araka indraidray, fa dia .. atanjaho ilay saina fa tohizo indray ny ampitso, dia mahatokisa fa mety foana io @ andro farany eee...

rhaj0 - 19/01/2017 04:30
Ilay (risque) mety hitrangan'ny "addiction" io izao dia mila ampahafantarina @ Ankizy tsara.

Ny Ankizy sy ny Tanora mantsy dia, matetika loatra, dia
- tia ny manandrakandrana,
- na koa hoe, te-hanohitra ny r-a-d-ny na ny sosaity izy,
- na koa hoe, te-hiseho fa efa lehibe izy,
- na koa hoe, voafitaky ny lainga tsara lahatry ny dokam-barotra sy Hollywood, ka hoe izay no "milay".

Dia eritreretiny fa "andrana" fotsiny iny voalohany iny, ary mihevitra izy (na hoe "mino") fa afaky ny hamehy ny tenany dia hiala eo, na hoe, afaky ny hiarina foana n'inon'inona fahavoazana eo. Nefa arakaraka io. Misy (mora) afaka ny miala, misy tena tratra ary tsy ho afaka mihintsy, ary dia voafatotra ao.

Ka raha tafiditra amina zavatra tsy-voafehy (tsy voa-controle) ny Ankizy, dia ny "addiction" izany, dia ho lozabe ny fiainany. Ny zavatra mba voafehy (nefa tsy araka) azany efa manasarotra be ny fiainana. Ary tsy ny fiainan'ilay voan'ny "addiction" ihany no mikorontana sy potika, fa ny fiainam-pianakaviany, ary h@ sosaity mihintsy.

Fa ny "addiction" @ alikaola, indrindra koa ny daina, no tena mila tandremana mafy, satria ny fahavoazana @ ireo dia (mety) henjana ary haingana kokoa.


PS: tsy haiko inona no teny malagasy mahadika ny "addiction". Raha hainao dia mba toroy..

rhaj0 - 03/04/2017 02:54
Raha ny fahazoako azy, ny toaka, toa ny sigara na koa ny daina, dia, @ olona sasany, dia mety lasa ho addiction, izany hoe, tena lasa mila ilay izy ny vatana, ary tsy voafehin'ny saina na koa ny finiavan-tena izany filàna izany.

Izany hoe, azo eritreretina toa ny aretina na "virus" ilay izy, ka hoe, "marary" ilay "voan'ny addiction" (fa tsy hoe "sitrapo adala" fotsiny io).

Ka dia mila fanampiana izy izany, hivoahany @ izay aretina "addiction" izay. Ny fanafody anefa aloha dia tsy misy mba hanoherana ilay filàna an'ilay vatana izay tsy voafehy mihintsy izay.

Ka ny fahitako azy, dia toa ny rehefa marary nefa tsy mampiasa fanafody, dia misy ihany no azo atao:
- mila resy lahatra aloha izy fa hoe, "toa ny aretina" io, fa tsy hoe, dia hadalana, na hoe sitrapo adala.
- ny manodidina azy koa mila resy lahatra fa toa ny aretina izay ilay izy, ary vonona ny hanohana azy, am-pitiavana, @ izay ezaka mila ataony hivoahana @ ilay "aretina"
- mila tsapany koa, fa ny vokatr'ilay fisotroana anie, tsy vitan'ny manimba ny vatana, fa koa manimba ny fiaraha-monina, indrindra ny fiainam-pianakaviana kely ao.
- ny manodidina azy koa, mila manaiky ho'a fa tsy dia tena hoe, tena fanahy iniany anie raha nahavanon-doza izy, fa izy koa izany aza mba manana "aretina"; koa dia mila vonona ny handefitra sy hanampy am-pitiavana ny hanarenana izany rehetra izany

- Dia mila manao ezaka lehibe izany izy ny hampihena, na ny fatrany, na koa ny fotoana isotroana.
- mila ampiarahiny "hygiene de vie" izany ezaka izany, mba hitaizana ilay vatana hiala @ ilay filàna tsy voafehy izany. Ilay "hygiène de vie" dia misakafo mahasalama (tsy masirabe, na matavibe na mamibe), manao fanatanjahan-tena, miaina tsara sy matory tsara ary tsy mi-stress.
- manaraka sy manohana ary mampirisika azy @ izay ezaka ataony eo foana ny manodidina azy, ohatra, tsy mampirisika azy hisotro, na miara-manao fanatanjahan-tena miaraka aminy, na fotsiny, miara-mitafatafa aminy.

Tsy misy fahagagana io, fa ezaka lavidavitr'ezaka ihany, ary mety mivarina miverina misotro izy, fa dia mila faharetana sy fitiavana betsaka sy fanohanana avy @ manodidina azy ao.


Mba teoria ny ahy, fa hevitra hita sy mba voadinidinika io dia mba zaraina, raha toa ka misy azo ampiharana azy tokoa... 

No comments:

Post a Comment