Menu

Nov 17, 2016

Astraolojia sy Astraonomia

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)


Haja Razafitrimo Inona ny ifandraisan'ny Astrolojia sy Astronomia. 

Ara-pamaritana dia :


- Astrology is the study of the movements and relative positions of celestial objects as a means for divining information about human affairs and terrestrial events.

- Astronomy is the scientific study of the universe and the objects in it, including stars, planets, nebulae, and galaxies. Astronomy deals with the position, size, motion, composition, energy, and evolution of celestial objects.

Marina fa samy mandinidinika ny kintana sy izay vainga "any ambony any" izy roaroa ireo, fa ny Astrolojia dia mamorona, manampy ka mampisy dikany "masina" (asan'Andriamanitra na koa mazia-mazia) ny fipetraky ny kintana "any ambony any", ary ampifandraisiny @ fiainan'ny olona "ety ambany ety an-tany", ary tsipihina mazava fa izany dia mifototra @ Finoana.

Ny Astronomia, @ maha-Siansa azy (fa tsy Finoana), dia tsy mampifandray izay misy "any ambony any" sy ny amintsika "ety ambany ety", satria moa, taratry ny (tsy-)fahalalana ity "any ambony" sy "ety ambany" izany.

Inty misy video youtube maneho ny tontolo manontolo
https://www.youtube.com/watch?v=BdWuU-epZ6c



Haja Razafitrimo Ny @ fandinihina ny "ao ambony ao"... na ny "astrolojia".

Ohatra iray lehibe, dia ilay kintana nolazaina fa fambara ny @ nahaterahan'i Jesosy, ka nitarika ny Magy ho any Betlehema. 


Hoy ny mpandinika:
http://www.sciencepresse.qc.ca/archives/man221297.html
... les mages, qui étaient aussi des grands prêtres au service des rois, étaient à l'affût de signes dans le ciel. Or Jupiter était la planète des Rois, et Régulus, l'étoile des Rois... Quel Mage n'aurait pas vu dans cet extraordinaire rapprochement entre ces deux astres un signe de Dieu?

Ka nifanojo (conjonction) izany 
- i Regulus, izay kintana (etoile) any ivelan'ny système solaire, atsy @ 78 années-lumières, izany hoe eo @ 74 10^14 km (misy zero 14) , sy
- i Jupiter, izay planeta ao anatin'ny système solaire, atsy @ 588 millions de km

Ka samy manjelatra ireo roa ireo, ka rahefa nifanojo, dia tena nanjelajelatra be, ary dia, hoy ny Magy hoe, tena "fambara" iny.

Alaivo sary an-tsaina ny toe-pahalalana nananan'ny olona t@ taonjato zero: koa na ny Tany aza dia tsy fantany fa mihodidina manodidina ny masoandro, mainka moa, fa tsy fantany akoriny izany hoe kintana/système solaire/planeta izany.

Koa @ izao toe-pahalalana ananan-draolombelona izao, ny @ planeta/kintana/galaksia, dia ... tsy hanontani-tena va ianao hoe, inona ny hidiran'ny ireo kintana mihodikodina "any ambony any" sy ny "atao ety ambony Tany ety"; ny planeta Tany @ io dia taim-bovoka kely ao anatin'ny tontolo manontolo.



No comments:

Post a Comment