Menu

Dec 15, 2016

Ny Finoana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)




Rahefa misy ny TSY-fahampiana, 
- ara-materialy (vola/sakafo/..)
- na koa, na indrindra, ny tsy-ara-materialy, toa ny tsy ampy fahalalana na fianarana, dia ...

lasa kivy sy ketraka (mi-desesp) ao @ fiainany ao i raolona, hany ka mitady vaha-olana mora (solution facile). 

Ary dia mora dia mora ny ivarinana any @ "finoana" :
mino... mino foana... mino foanafoana... minomino foana ... minomino foana foana...

Mino = manaiky-tsisy-porofo.

Fantatry ny mpanararaotra io fironana (predisposition) an'ny "mpino" io (noho ny tsy-fahampiana), ary dia avy izy hanao resaka tsara-lahatra, izay ampinoany fa hamaha ilay "tsy-fahampiana".

Izay "finoana" rehetra dia toa izany avokoa. 


Rahefa voavaha ilay "tsy-fahampiana", dia hivaha ho azy koa ny fironana any amina "finoana". Lasa manana fotoana/angovo ny mitaky porofo.

Nefa koa, raha mahasahy mijoro ny TSY iborotsahana na ivarinana na koa ilentehana ao anaty "finoana", dia mitombo ny herin-tsaina hivoahana @ ilay tsy-fahampiana.


Haja Razafitrimo

Fa ny fomba fijeriko aloha dia:

1- raha izay "inoanao" ao no maha-sambatra anao ao

2- raha tsy ambakain'ilay "mpitarika" ao ianao, mandoa ekolazy be, na hoe, tsy miasa-miaina sahala @ izay olona intsony fa mikobona an-trano ao, mievoka boky ao, sns...

3- raha mba misokatra SY manaja ny (finoana) an'ny hafa koa ianao, fa tsy toa ireny mpanao amboletra "mampino" ny hafa @ anaran'ny "finoany" an'azy manokana ao

dia ... eny azany fa dia reveo ao izany eee...

Fa ny tena zava-dehibe, soso-kevitra na toro-hevitra ho anao, dia, araka ny fantsin'i Obama ho'a, dia hoe:

4- ny "finoanao" ao, dia ataovy "inspiration".. Fa rahefa miroso @ fiainana, dia amarino/amafiso/.. @ fahaizana amam-pahalalan-draolona @ izao taon-jato izao : amarino ara-psikaolojia, sosiolojia, fizika, ... amarino ara-tsiansa ee... Ary tsy ny votoatiny fotsiny ihany io, fa ny fisainana na fiasa iatrehana fiainana (methode scientifique) koa

Haja Razafitrimo .
Na "reincarnation" io, na "fiainana mandrakizay" io, dia ... izay izany no takatry ny (hoza-dohany) teo, t@ fotoan'androny, ka dia atao ahoana. 

Fa raha mbola misy "mino" izany @ izao fotoan'andro izao, dia eo no mampisalasala. Hanampy azy hiala @ "finoanoam-poana" ve? 

Nefa anie, inona no "alternative", ary ho zakan'ny "hoza-dohany" ve izany?
Ny "alternative" mantsy dia... atheisme/agnosticisme, ary mila "herin-tsaina" (BE) ihany io.

Indraidray aho dia tia mafy ny hivohy ny atheisme/agnosticisme. Mihevitra akory azany aho fa mila manao ity "Atheist militant" ity, fa tena efa tsy eran'ny (s)aina intsony ity miharitra ny habadoan'ny "mpino(mino)" ity.

Fa fara-fahakeliny, ny tokony vohizina mafy dia toa ny fantsin'i Obama: Ataovy "Inspiration" ny "finoanao", na reincarnation io na fiainana mandrakizay izany ohatra. Fa kosa, izay ataonao rehetra, dia hamarino na hamafiso @ Siansa/Soatoavina 2017.
.




No comments:

Post a Comment