Menu

Dec 15, 2016

Ny Fahantrana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)


Fahantrana... mahantra inona marina moa isika Malagasy? 
Ny fanontaniana marimarina koakoa angaha dia hoe, inona no filàna (besoin) tsy feno amintsika Malagasy.


Raha mijery ny filahatry ny filàna, ara-pahamehana, dia
1- besoin physiologique (ara-batana/sakafo/entana...)
2- besoin de sécurité
3- besoin d'appartenance et d'amour
4- besoin d'estime (miolotra @ hafa)
5- besoin d'accomplissement de soi

Ka @ #1 sy #2 izany dia hita fa dia... tena valaka be isika.

Ka ny fampieritreretana aroson'i Lanto dia hoe, mila fantarina ny anton'izany.


@ ankapobeny, dia
1- ao ny hoe, TSISY azo atolotra hanomezana fahafam-po an'ilay filàna, nefa koa
2- ao ny hoe, ilay filàna ve mihoa-papana

Betsaka no efa noresahin'i Lanto @ tsipika 1, fa ilay 2 no tiako resahina kely (aloha). Ny fahitako azy, dia toa "manenjika randrana tsy manendrika" isika, ary dia roboka -- (te-ho) toa ny tandrefana -- @ surconsommation koa. Ny olona (tonga saina) aty @ tany mandroso izao nefa manonofy an'ilay hoe "simplicité volontaire".

Idealy ilay "simplicité volontaire", fa raha ny fahitako azy, dia mila ahena ny fitadiavana lava ny fahafam-po materialy -- (te-ho) toa ny tandrefana -- ka mitady sy manjifa na entana na sakafo (vazaha)... 
Raha tsy manasarotra na mampitombo filàna #1 @ izany isika, dia ireo filàna #3-4-5 etsy ambony dia mora azontsika ao @ fiaraha-monina sy fomba-fiaina Malagasy, tsotra.


Iverenako kely ilay "manenjika randrana tsy manendrika".
- ohatra akaiky @ lhl gasy, dia hoe, ilay mifoka sigara sahala @ John Wayne sy misotro mafy daka lava sahala @ Serge Gainsbourg no tarafina sy alain-tahaka. Nefa tsy vitan'ny hoe, rano raraka an-tany 
anie ny vola sy harena lany @ ilay izy (rahefa atambatra dia efa tokony efa nahavidy trano), fa ny ho lany @ hitsaboana izay aretina aterany no ho lozabe any aoriana
- ohatra akaiky @ vhv gasy dia hoe, ny manangona kiraro, sahala @ Imelda Marcos ve.. na hoe, ilay akanjo mananasy no kisary (caricature), fa dia hoe, fa maninona ohatra manenjika maquillage ho an'ny blonde, nefa moa ho blonde oviana.. 
- ohatra akaiky ho an'ny ankizy, dia hoe, @ izao andro fety izao, dia mivanaka fotsiny aho aty @ entana amidy eny an-tsena, hoe kilalao ho an'ny ankizy.. 

Fa dia "vola" daholo ireo, ary "mampahantra" ny fandaniana @ izany, na dia mampiseho (paraitre) ho manankarena azany ny fandaniana vola @ izany. 

Ny fototry ny olana, dia ilay surconsommation tandrefana no toa atao filamatra, ary dia izay koa no henjehin'ny sasany, ary dia itadiavany vola tahak'n'inona... na @ ara-dalana io na tsia. 

Ny olana dia ilay elite mba tokony hanirina no tena mampivandravandra, miroboka @ io surconsommation (tandrefana) io.

Ka rehefa mampivandravandra ny elite gasy, aiza moa ny any ambanivolo tsy hanenjika ny randrana ao "antananarivo mirehitra jiro" koa.. (na misy delestazy azany ao).

Haja Razafitrimo Izaho dia mahatoky fa @ izao andron'ny interinety izao dia hipariaka haingana ny fahalalana. Mbola mi-dérape aloha izao, @ ilay "fake news"-ndozan'i Trump, fa efa miha-milamina io izao; efa miha-kôpy daholo ny olona. 
Ary ny Ankizy ankehitrio dia efa kinga tsara loatra, ka dia mi-google dia mahita sy mahay.
Koa na isika miresaka eto @ interinety izao fotsiny azany dia efa zava-dehibe.
.
Fa dia efa tsisy mihidy ao @ vohitrakely intsony izao. Ny traikefan'ny hafa efa voamarina dia afaka alaina ary ampiharina haingana. 
MIla kingakinga daholo, satria dia tena mandeha haingana ny kodiaram-piainana izao. 
.
Raha variana mijery foatra ao, hoe ny "antsika", dia eritrereto tsara ao, fa (mety) resaka mihatra t@ izany fotoan'andro sy zava-misy "taloha" izany ilay "antsika" ao izany. Hafa ny ankehitrio. Hafa dia hafa.
.
Dia fantaro tsara koa, fa tsy isika "irery" anie no manao zavatra original sy manja be tahak'n'inona, fa ny fiaraha-monina sy kolotora hafa dia tena mahavita ary (mety) mahery lavitra.
.
Raha izaho manokana ho'a, dia mila izay traikefa efa voamariina fa mahomby no japiana... ary japiana haingana.


No comments:

Post a Comment