Menu

Feb 22, 2017

Inona no tsy mampandroso

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)

Haja Razafitrimo

Hoy ny fanontaniana : "inona no (tsy) mampandroso"

Na hoe, inona no (tsy) mampiala antsika @ teboka A ka (tsy) hirosoantsika @ teboka B, sy mihoatra akoriny aza, teboka D sy E.


Toa ny zava-drehetra, na ho an'ny @ tsirairay na ho an'ny sosaity, dia azo rasarasaina ny dingana irosoana:

0- fantatra ve aloha ilay teboka B ho aleha?

1- dia misy ve koa aloha ny fitiavana na faniriana hiroso ho any? 

2- misy ve ny finiavana sy fizotoana? misy ve fahasahiana?

3- misy ve ny fahaizana sy fahafahana manao?

4- etsetra...

Raha ny fahitako azy, dia (tokony) misy ireo rahefa tadiavina ny hisiany. Ary azo halalinina tsara izany.

Fa ny hitako sakana (blocage), hevitro manokana ity, dia ... "ao ifotony". Any ho any, ao anaty lalina ao, dia hotry ny tsy miraikitra tsara ao fa
- miovaova anie ny zava-misy; tsy hoe miovaova ho azy eo, fa misy (olona hafa) manovanova ary izany dia misy antony, na hoe azo asiana fanazavana. 
- ary ny zava-dehibe, dia @ izay fiovaovana izay, dia ny tenabenao indrindra koa anie dia afaka manova.

Izay no n(ampif)andraisako ny resaka "creationisme" sy Siansa @ ity resaka ity. 

Raha ao anatinao lalina ao

- dia misaina, na "mino", fa rigide, figE sy fixE, na hoe efa voafaritra ny fiainana, @ ilay fiteny hoe efa voasoratra dia voasoratra (creationisme), dia ... tsy an-kihetsika ao ianao izany. Izay ilay blocage.

- fa raha misaina indray ianao, hoe, ny omaly mety hiova, ary ny ampitso koa, ary mety tsy mbola hay akory aza izany, (siansa), izany hoe "dynamique" ny sainao, ary indrindra moa, ampian'ilay hoe, ny tenabenao koa afaka manova, dia efa dingana lehibe, dingana voalohany, ho @ fiovana, na "fandrosoana" izany.

Dia ilay teboka 4 etsy ambony afaka halalinina sy rasarasaina @ izay.


Haja Razafitrimo

Iverenako ary amafisiko kely ilay sakana (blocage). Tsy latsa-paka lalina ao anaty ilay hoe :

- ity fiainana ity anie ka miovaova, mitohy mivoatra na mivoatra mitohy, ary (mety) misy fanazavana (foana) ny anton'izany.
- ary ny tsirairay, indrindra ny tenabe, dia afaky ny manova sy mampivoatra azy koa.

Ny venti-kevitra lehibe @ io, dia hoe, ao anatinao lalina ao, dia
- ny fo, saina, vatana aman'eritreritra, na ny tenabe, dia manaiky fa hiova sy hivoatra,
- ary hiova sy hivoatra manaraka ny fiovana sy fivoaran'ny fiainana sy zava-misy koa,
- na akoriny aza, ny tenabe no (hanampy) hitondra ny fiovana sy fivoaran'io zava-misy io.

Ny mifanohitra @ io izao dia, rahefa ny fo/saina/vatana/eritreritra dia "mionona" @ zava-misy, ary dia tavela tsy ankihetsika ao, na manaiky entin'ny onjany ao fotsiny. 

Inona izany no mahatonga ity "fiononana" ity
1- Mety hisy hilaza fa "tsy afa-manoatra", satria "atody miady amim-bato". Izaho mihevitra fa misy foana no azo atao ary tokony atao. 
2- Ny hitako olana be, dia rehefa ilay "fiononana" io ka dia vohizin'ny "Finoana". Na hoe, ilay "Finoana", izay latsa-paka, dia manosika @ "fiononana".

Resaka lavabe ireo teboka roa ireo, fa dia samia mamisavisa aloha, ary ndao iarahana mamahabaha... @ manaraka...



Tonga dia tohizako kely. Raisiko izany eto ilay teboka 1 : 
"mionona satria atody miady amim-bato"

Ny fiovana, na fivoarana, dia tsy hoe, indray mipoaka dia tratra ny teboka B, fa mila raisina hoe, misy dingana maromaro ny ahatongavana any. Alohan'ny hanova, dia ny (isan'ny) dingana voalohany, dia ilaina aloha (ny miezaka) ny hipetraka amina toerana (se positionner) ahafahana manova. 

Ohatra, rahefa milalao basikety. Tsy tonga dia mieritreritra hoe, avy @ misy ahy izao, tonga dia mijijy dia tsisy taolana raha vao injay azoko ny baolina. Fa mbola alohan'ny ahazoako ilay baolina akoriny aza, dia efa tilitiliako, ary bahanako, ilay toerana (position), izay efa fantatro fa ahazoako mampiditra baolina mora kokoa. Mety hoe, raha etsy @ 5 metatra dia efa haiko fa mahatafiditra 30%, fa raha 2 metatra dia 60%. Tsy mila lazaina koa ny hoe, alohan'ny lalao akoriny aza, dia efa betsaka ny fiomanana, nanatanja-tena, nisakafo tsara h@ stratejia sy fahalalana ny tantaran'ny (filalaovana) basikety sns...

Koa averiko kely, fa raha ny tanjona dia ny "manova na miroso", ny dingana voalohany dia ny "miezaka ny hahazo ilay toerana (se positionner) ahafahana manova na miroso." Koa raha lasa mieritreritra ohatra ianao eto fa hoe, "atody miady amim-bato", dia ny fahitako azy, dia (matetika) satria mihevitra ianao fa tonga dia "hijijy dia tsisy taolana". Ka satria sarotra io, dia iny ianao fa lasa "mionona", ary dia lasa resy tsy miady. 

Ka inona azany ilay toerana (position) ho tratrarina aloha, mialohan'ny "handraisana ny baolina", mialohan'ny (miresaka ny) "hampandroso an'i Mkara"??


Resaka an-jorony, fa efa h@ 1992 (mbola tsy teraka ny maro aminareo) no nisy ny Malagasy, niserasera teto @ interinety teto, izay nitapatapak'ahitra ny @ ... "hampandroso an'i Mkara". Nisy tamin-dreo no lasa ministra, ilay iray izay azany VPM; misy lasa mpandraharaha mahay. Fa ny ankamaroanay, izaho anisany, dia ... tena enti-kafanam-po fotsiny. Matetika loatra, dia TSY takatro akoriny ny "tena zava-misy" sy ny salanisa na koa ny $$ mifandraika @ izay resaka na zava-misy eo. Izany hoe, tsy mbola amina toerana (position) maneho hevitra am-pahalalana akoriny aho, mainka moa fa "hampandroso raha". Izay no isan'ny nanapahako hevitra, fa aleo hatevenina ary ifampizaraina ny vaovao amam-pahalalana momba an'i Mkara aloha, ahafahana ahatongavana @ toerana azahoana mitapatapak'ahitra am-pahalalana (dia io ilay hoe "mila miresaka isika").
Ka dia entre-pa aloha fa dia vangivangio izany ilay bilaogy toratorahako ato eee... 
http://gasy-mkm.blogspot.ca

Haja Razafitrimo "atody miady amam-bato".. na koa, "tany mena ve hirehatra", hoy Tsimba Harson.. Marina fa tena latsaka an-katerena tokoany ny Malagasy. 

Fa io ho'a tsy hoe ny Malagasy irery ee... Ny aty @ tany mandroso koa anie ka misy ary betsaka koa no "latsaka an-
katerena" eee.. 

Ary misy koa @ Malagasy tafavoaka, mahavita mi-debr.. "ady gasy" hoy ny resaka indray mandeha. Mampiaiky!..

Ka mila dinihina izany ee... aiza no anombohana azy.. atomboka @ fifanakalozan-dresaka eto ve? fifanakalozana fijery sy fahalalana na traikefa?

Ohatra izao i Bill Gates dia nihorakoraka be farany teo hoe, tena ameo portable ny tantsaha eee... Dia samy nifampijerijery ny olona.. kay ny tantsaha izao, ilay ranamana avy ao Afrika io, nifandray tamina forum-na tantsaha hafa, ary dia ny olana t@ voly voatabiany lasa voavaha fa nahitany hevitra avy t@ ilay forum-tantsaha..

Fa dia mahereza eee... Tokony misy ahafahana mivoaka foana eo.. ny génie-ndraolona anie mahavita foana ee...


Haja Razafitrimo 

Fa ny fomba fijeriko aloha (raha ny @ Finoana) dia:

1- raha izay "inoanao" ao no maha-sambatra anao ao

2- raha tsy ambakain'ilay "mpitarika" ao ianao, mandoa ekolazy be, na hoe, tsy miasa-miaina sahala @ izay olona intsony fa mikobona an-trano ao, mievoka boky ao, sns...

3- raha mba misokatra SY manaja ny (finoana) an'ny hafa koa ianao, fa tsy toa ireny mpanao amboletra "mampino" ny hafa @ anaran'ny "finoany" an'azy manokana ao

dia ... eny azany fa dia reveo ao izany eee...

Fa ny tena zava-dehibe, soso-kevitra na toro-hevitra ho anao, dia, araka ny fantsin'i Obama ho'a, dia hoe:

4- ny "finoanao" ao, dia ataovy "inspiration".. Fa rahefa miroso @ fiainana, dia amarino/amafiso/.. @ fahaizana amam-pahalalan-draolona @ izao taon-jato izao : amarino ara-psikaolojia, sosiolojia, fizika, ... amarino ara-tsiansa ee... Ary tsy ny votoatiny fotsiny ihany io, fa ny fisainana na fiasa iatrehana fiainana (methode scientifique) koa


Haja Razafitrimo Raha (isan'ny) nanao "resaka ambony vavahady" aho, dia ialako tsiny azany. Namaly resaka izay nandalo aho, satria tsy haiko ny hijery fotsiny, nefa ... ilay vilany toa mitongilana beeeee... Dia mbola miala tsiny ihany koa aho, fa ho "lavabe-gazetibe" ihany koa ny valin-teniko.

Koa raha manontany ianao ny @ hoe "hampandrosoana ny firenena", dia, ny fahitako azy aloha, satria eto @ internety isika (fa tsy any an-tanimbary), dia fifampitaizana sy fifampianarana no atao. Efa t@ 1992 ho'a ny Malagasy no niserasera dia nifanapatapakahitra teto @ interinety teto, ary nisy t@ ireo no lasa mpandaharaha mahery, na koa azany VPM. Mino aho (fa tsy manana porofo) fa (nety) nahazoan-drizareo aingam-panahy (inspiration) ny niseraserana teto, satria ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona, sady @ izay samy Malagasy, misy tadin-dokanga iraisana.

Ny @ "fifampitaizana sy fifampianarana" indray, dia ekena fa ilaina ny ifampizarana
1- ny votoatiny (siansa, finansa, agronomie...),
2- sy izay traikefa (experience vue et vecue...),
fa ny tena zava-dehibe, izay (mety) tavela miraikitra ao @ tsirairay, dia
3- ny fomba fiasa/fisainana (methode)
4- ary indrindra, ny any ifotony.. na izay iantsoanao azy, na filozofia io na finoana.

Ary anaty fonosana, na ny "miresaka" aza anie, na eny ambony vavahady io, na any ambany tetezana, dia tena ilaina @ fiainana koa (ary ampiasaina rahefa "hampandroso firenena"). 
- mila mahay mandamina hevitra ianao. Izaho izao eto no andaminako ny eritreritro, @ izay vonona tsara aho rahefa hiresaka "tena izy" @ zanako ohatra
- mila mahay mandresy lahatra ianao, na miaro, na mampandroso ny hevitrao. Ilaina io na any am-piasana, na rahatrizay lasa politisiana ianao
- mety hoe, eto no handrarianao ny tambazotranao (network/reseautage)
- koa na ny mba (mahay) miara-monina (socialisation) fotsiny aza dia efa zava-dehibe, na hoe, na ifampikotikoty eto ny sasany, dia manja eee....


Fa io dia mifandray @ resaka atsy @ ilany ihany. Hoe, hoy i Gandhi, 
"You Must Be The Change You Wish to See In The World",
na hoe,
"ianao ihany no tokony hitondra ny fiovana tianao ho hita eto @ ity tany ity", 
ka dia... ento eto azany re ry Tsimba ny resaka "hampandrosoana ny firenena" nefa "tsy ambony vavahady"... Fa efa mitondra ihany tokoany moa ianao @ io tsikera fanairana ataoanao io.. dia efa isaorana anao io










No comments:

Post a Comment