Menu

Apr 3, 2017

Filàna Tsy Voafehy (Addiction)



rhaj0 - 03/04/2017 02:54
Raha ny fahazoako azy, ny toaka, toa ny sigara na koa ny daina, dia, @ olona sasany, dia mety lasa ho addiction, izany hoe, tena lasa mila ilay izy ny vatana, ary tsy voafehin'ny saina na koa ny finiavan-tena mihintsy izany filàna izany.

Izany hoe, azo eritreretina toa ny aretina na "virus" ilay izy, ka hoe, "marary" ilay "voan'ny addiction" (fa tsy hoe "sitrapo adala" fotsiny io).

Ka dia mila fanampiana izy izany, hivoahany @ izay aretina "addiction" izay. Ny fanafody anefa aloha dia tsy misy mba hanoherana ilay filàna an'ilay vatana izay tsy voafehy mihintsy izay.

Ka ny fahitako azy, dia toa ny rehefa marary nefa tsy mampiasa fanafody, dia misy ihany no azo atao:
- mila resy lahatra aloha izy fa hoe, "toa ny aretina" io, fa tsy hoe, dia hadalana, na hoe sitrapo adala.
- ny manodidina azy koa mila resy lahatra fa toa ny aretina izay ilay izy, ary vonona ny hanohana azy, am-pitiavana, @ izay ezaka mila ataony hivoahana @ ilay "aretina"
- mila tsapany koa, fa ny vokatr'ilay fisotroana anie, tsy vitan'ny manimba ny vatana, fa koa manimba ny fiaraha-monina, indrindra ny fiainam-pianakaviana kely ao.
- ny manodidina azy koa, mila manaiky ho'a fa tsy dia tena hoe, tena fanahy iniany anie raha nahavanon-doza izy, fa izy koa izany aza mba manana "aretina"; koa dia mila vonona ny handefitra sy hanampy am-pitiavana ny hanarenana izany rehetra izany

- Dia mila manao ezaka lehibe izany izy ny hampihena, na ny fatrany, na koa ny fotoana isotroana.
- mila ampiarahiny "hygiene de vie" izany ezaka izany, mba hitaizana ilay vatana hiala @ ilay filàna tsy voafehy izany. Ilay "hygiène de vie" dia misakafo mahasalama (tsy masirabe, na matavibe na mamibe), manao fanatanjahan-tena, miaina tsara sy matory tsara ary tsy mi-stress, ary miana "be fitia".
- manaraka sy manohana ary mampirisika azy @ izay ezaka ataony eo foana ny manodidina azy, ohatra, tsy mampirisika azy hisotro, na miara-manao fanatanjahan-tena miaraka aminy, na fotsiny, miara-mitafatafa aminy.

Tsy misy fahagagana io, fa ezaka lavidavitr'ezaka ihany, ary mety mivarina miverina misotro izy, fa dia mila faharetana sy fitiavana betsaka sy fanohanana avy @ manodidina azy ao.


Mba teoria ny ahy, fa hevitra hita sy mba voadinidinika io dia mba zaraina, raha toa ka misy azo ampiharana azy tokoa...

rhaj0 -
Ny Toaka no resaka io ambony io, mampatsotra ny resaka, fa Ilay "Filàna Tsy Voafehy" dia mety ho:

- "zavatra" hafa, toa ny sakafo tsy mahasalama (sirabe na mamibe ...)
- hetsika atao, toa ny sex koa ohatra, na hoe ilay "obsédé" @ fanatanjahantena ...
- na fitondra-tena na fiaina andavanandro, ohatra fialam-boly toa ny shopping na gambling na mijery baolina ...

MIsy aloha "zavatra/hetsika/fitondra-tena/fiainana andavanandro" dia efa hita fa manimba ny vatana/fiaraha-monina @ 90%. Fa ny "Filàna Tsy Voafehy" sasany koa anefa dia mety manimba eo @ 10% eo ihany.

Raha ny fahitako azy, dia @ izay atao rehetra,
- ny manao be loatra (exagéré) no ratsy,
- fa raha atao mahalana kokoa, ary
- amina dozy kely,
izany hoe VOAFEHY ILAY FILÀNA, dia tokony tsy maninona.



No comments:

Post a Comment