Menu

Jan 14, 2016

Apte à vivre en société

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 14/01/2016 11:26
Fony nareo tany @ garabola ve, dia tsy mba nanana ilay sertifica de santé izay, dia misy case ao mila cocher-na hoe: "apte à vivre en société". Raha ny fahitako azy, ny an'i Strong3 sy Gasy1zay dia tena mbola tsy voa-cocher ilay izy tao, ary tsy ho voa-cocher mihintsy mandrakizay, raha izao finoanoany izao no mitohy..

Rahefa miaina anaty sosaity re ry Gasy1zay sy Strong3, dia misy soatoavina roa ohatra
- "vivre et laisser vivre": samia manao izay mahasoasoa azy, ary mazava ho azy, mifametra ny soasoa @ andaniny sy ankilany
- "mutualité sy réciprocité": samy manana ny TSY tiatiany, ka dia eo no miainga ny compromis.

Ohatra: raha "mangalatra" ianao, dia "mangalatra" koa ny hafa, dia kOpy ianao fa hikorontana ny sosaity, ka dia TSY mangalatra ianao. Dia raha mangala-badin'olona ianao, nefa ny vadinao koa angalarin'ny hafa, dia kOpy ianao izany hoe, ahoana ny fomba fiainana anaty sosaity eee...

Ka ny olona rehetra "apte à vivre en société" dia manana izay reflexe sy reflexion izay, fa TSY mila, toa ny zaza eny @ garabola, eny ho'a, TSY MILA "teny-midina-nakapoka-t@-vato" izany.. 

rhaj0 - 14/01/2016 15:47
Ny olana @ fomba kristiana anie, efa noresahina teto, dia "interdits" foana no ventesinareo eee..

Toa ny zaza eny @ garabola, raha ohatra ka "interdits" no eritreretinao hoe hampa-hendry azy, dia eritrereto tsara fa ny mifanohitra @ izany no hitranga. Vao tsy eo ilay affiche-na interdits, dia tapa-kofehy ny soavaly.

Ny ankizy nozarina hieritreritra, tsisy affiche-na interdits erak'izay alehany, ireny no ho "apte à vivre en société" haingana ary mahomby kokoa.


Dia efa samy lehibe izao izany nareo, dia mbola avy ihany izany i Gasy1zay mandrangaranga ny "interdits" sy ny "teny-midina-nakapoka-t@-vato".

rhaj0 - 14/01/2016 16:19

gasy1zayfa olona toa inona zany no hitanao fa "apte à vivre en société" ?

Raha ny mba fahatakarako azy, dia ny olona dia mahalala hoe, ao anaty sosaity, dia misy ny soatoavina (iombonana) izay mampilamina ny fiarahana. Ary hajaina izay soatoavina izay.

Dia misy koa ny lalàna sintomina avy @ izay soatoavina izay. Fa ny fahalalanao ny soatoavina, dia efa ahalalanao ny @ lalàna.

Ohatra hoe fantatrao fa "laisser vivre" no ady eo, ka dia TSY handeha hanandevo olona ianao.
Dia io ilay hoe, misy ny lalàna hoe, "tsisy manandevo eto", fa TSY izay lalàna izay no arangaranga sy ventesina lava eo, fa efa kOpy ianao fa TSY atao izany fanandevozana izany.

rhaj0 - 14/01/2016 17:08
Dia fantatrao fa ny lalàna dia nataon'ny legislateur, ary dia miova io araky ny fivoaran'ny fiaraha-monina.

Ohatra indray izao ny malaza aty, tonga ny teknolozia, ary dia mizara fiara ny olona (Uber) na mizara trano (airbnb). Dia ny lalàna taloha nefa ho an'ny taxi sy ny hotely. Dia misy cafouillage kely, fa ny olona izay "apte à vivre en société", dia miezaka ny manaja ny soatoavina hoe tokony ho vivre (ny taxi) et laisser vivre (ny Uber)...


Dia hitanao @ io ohatra hafa io indray izany, hoe mba hotrhotry ny ahoana i Rakrisy-garabola sy ny "boky tonta"-ny.

No comments:

Post a Comment