Menu

Jan 3, 2016

Samy (manana ny) Masina an-Taniny

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 03/01/2016 19:43
Rahefa tena ataoko ny bilan-dresaka eto, dia izay no fahitako azy:
Samy (manana ny) Masina an-Taniny : ny tsirairay dia samy manana ny Masina aminy.

- Ny Kristiana toa an-dry Strong3 na Gasy1zay, na koa ry Bor2lais sy ry Hery ohatra, ka h@ RBNIR izany, dia ny Testamanta vaovao sy i Kristy no masina aminy.
- Fa ny an'i RBNIR dia i Herinirina koa dia Masina.
- Ny an'i Hery dia ny Papa (Ray Masina) sy ireo masin-dahy amam-bavy koa dia Masina.
- Ny an-dry Yahl indray ohatra dia i Episcopo. Ny an'ny mpanaraka azy, dia Profeta Tsaratsara koa Masina.
- Ny an'i Tealala moa dia ny Torah indray ny azy no (Boky) Masina.
- Ny an'ny Malagasy dia... ny Razana koa masina


Ka eo foana ny fanontaniana: "Afaka Miara-Miaina Ve Isikana eeee???? "


Raha mba mijanona @ resaka sy fifanakalozan-kevitra na adi-hevitra moa izany, na hoe, mitoetra ao @ imagination-n'ny tsirairay ao fotsiny izany "Masina" aminy izany, dia tsisy ny olana, fa dia tena "Afaka Miara-Miaina Isikana", ary mifanaja fotsiny hoe, eny azany fa ""Samy (manana ny) Masina an-taniny sy any an-tsainy na any @ imagination-ny any.



Fa ny olana mantsy, raha ny fahitako azy, dia ireo tsirairay ireo, na ny sasany @ ireo, dia
- samy mitady hampiditra amboletra ny Masina azy, mba ho Masina @ hafa koa. Ary dia savisavihany ny hafa mba ho ao @ ilay lojikan'ny Masina an'azy irery ao koa.
- Fara-fahatsarany, dia tena considerer-ny hoe fara-faikany na farahidiny @ samy izay olona izay tsy manamasina ny Masina an'azy irery ao, na manana Masina tsy mitovy ny an'azy.
- Ary ny sasany azany moa dia ny manimbazimba ny Masina an'ny andaniny mihintsy koa no ataony.


Izay ny anareo "mino" rehetra ireo... dia io ilay rabirabiako hoe "(tena) mody miady" ve inareo Mpino ireo, samy vohizin'ny Masina anareo ao io, sa "(mody) tena miady" ?? Ianareo no miady (sy sain'ady), sa ve dia ilay Masina aminareo mihintsy no (mampirisika) miady io???


Fa ho an'ny Atheista (ohatra toa ahy) indray dia:

- tsisy Masina masina (inoanoana) tsisy adi-hevitra izany; fanefa kosa aloha dia hajaina fotsiny ihany anefa izany rehetra izany ee... Rahefa hoe mila ampazahoana toaka ny an-joro-trano, dia tairo izany kouh. Rahefa mila milalao saribakoly ny andro noely, dia reveo ao izany eeee... Fa raha nahipy tanana any an-danitra, na iankohokohoka @ tany, na koa hikipy maso sahala @ ireny constipé ireny kosa ianareo ao, dia .. izaho kosa aloha tsy hanao an'izany eee...

- Ny Atheista (toa ahy) koa ohatra, dia ny hi-se moquer an'ireo "finoana"(-mpoana) dia ataony tokoany. Izay ilay militant atheist. Mahatsapa ireo fa mila mijoro ho an'ny Ankizy sy ny Ho Avy, mila arovana toa anakandriamaso ny firosoana @ fahalalana sy fahalalahana. Ka raha mitsivalambalana @ fahalalana sy fahalalahana ny finoana, dia atao "mahazo" mihintsy... ivanitihana fotsiny mantsy eeee... 

rhaj0 - 04/01/2016 14:49
tealalaKa eo foana ny fanontaniana: "Afaka Miara-Miaina Ve Isikana eeee???? "
Afaka tsara ka, fa mbola any aorina any, aleo aloha mbola tsy maika, fa mety tsy ho tinareo ilay fomba fiaraha-miaina anatin'ny imagination anay ko.

Ka tianao hiaina @ "fomba fiaraha-miaina anatin'ny imagination"-nao izany ny olona an...

Dia ahoana ny ao @ "imagination"-ny izany paiso sa tain-tsaka??

Raha mba guerre des imaginations moa no atao, dia mijanona any anaty imagination any moa ho'a ny resaka, dia tsy maninona ihany.. ary io ho'a, na torturer-nao kitikitika-faladia ao @ imagination-nao ao azany aho dia .. Ok izany eee...

Fa raha @ fiainana "tena izy", raha mbola anaovanao an'ilay hoe, "- samy mitady hampiditra amboletra ny Masina azy, mba ho Masina @ hafa koa. Ary dia savisavihany ny hafa mba ho ao @ ilay lojikan'ny Masina an'azy irery ao koa", dia tairo ao izany eee... izaho ve moa afaka haninona rahefa mitady "ady" na mila "miady" unilateral nareo izany ...

Ka.. " Ianareo no miady (sy sain'ady), sa ve dia ilay Masina aminareo mihintsy no (mampirisika) miady io???" ho'a eee???

rhaj0 - 05/01/2016 11:39
Strong3saingy ny filazantsara dia aeliko araka izay nanirahana ahy

Ny Masina an'ny Kristiana izany dia "naniraka" ny mpanaraka azy hi-... harasser ny olona hafa tsy manaraka ny revin-drizareo (irery) ao.

Io ho'a ilay nopetahan'ilay Hindu ny Kristiana, nony nampihaonina zareo: avelao zahay handeha @ lalanay, hoz'izy, na dia diso azany izany; samy manana ny lalany ny miakatra ny Himalaya, hoz'ilay Hindu. Fa ny Kristiana moa dia ny manao amboletra ihany ny azy no nobaikona taminy, dia tsy te-ahalala an'izany izy fa ny azy foana no sesefany.

Dia inona koa moa izany no maha-samy hafa anao Strong3 @ Temoins de Jehovah eee ??? Samy mi-harasser olona ianareo, fa ny an-dretsy tena tonga dia dondominy mihintsy ny varavarana; ny anao kosa ahoana?

Io no isan'ny mampadaginina ny (militant) atheist.. Dia ny maty lolon'ny harassement moa, ireo marefo (fragile) na ara-batana, na ara-pilàna na ara-tsaina, dia tonga dia pemponareo ao. Ka dia raha vao manao ny "nanirahana" anareo ianareo Kristiana, ka hoe hanesika dia hanao amboletra, dia ho avy (foana) koa aho @ vanitika gilady:
Bien sûr qu'on peut se moquer des religions

rhaj0 - 19/01/2016 13:21
raha ny fahitako azy, dia mila mi-compr ny hoe, inona ny siansa sy izay ataony ao @ ity fiainana ity. RAha ny fahazoako azy, dia ny siansa dia miezaka ny hanazava ny zava-misy rehetra eto. Tsy hary ho efa voazava daholo ny zava-drehetra, fa "work in progress'" foana ho'a io :

- Rahefa manaiky ianao (sy ny sainao) fa ny work #123, dia mifototra @ work #1 h@ #122, dia nefa indray ilay #124 mety nandiso ny #123-nao teo, dia OK izany eee... Fa izany tsy midika hoe, ho arianao daholo ny work #1 h@ #122 ho'a.

- Rehefa manaiky ianao (sy ny sainao) fa ny work #130, izay mbola tsy vita, dia (mety) hitondra fanazavana bebe kokoa, ary dia "mandry" ny sainao" eo ampiandrasana an'izay, dia OK izany eee...


Fa ny (anareo) ao @ Finoana, raha ny fahitako azy ihany, dia ny affirmation #123 ohatra, izay consequence-n'ny affirmation #122, izay nololohavina an-tampon'ny loha, dia hita fa tsy mitombona. Dia nefa ikiriana biby ao, na koa, spin-ner-na gaigy ao, dia mbola ifikirana ao foana, fa hoe "affirmation" io, ary ny filazana hoe, "hita fa tsy mitombona", dia incomprehension-n'ilay "affirmation", fa ny "affirmation" dia "affirmation" tsisy iadian-kevitra?


Fa raha "mahasambatra" ana(re)o (sy ny sainareo) ao moa izany, dia OK ho'a eee. Ifalio dia reveo ao.. Fa rehefa manomboka mandrangorangotra ny fiainan'ny fiaraha-monina, indrindra koa ny fi(s)ainan'ny Ankizy, na koa ireo fragile (ara-fo-saina-fahalalana-filana-...), dia tsy maintsy miteny aho eee...

No comments:

Post a Comment