Menu

Dec 17, 2015

Inona ny resolution 2016 nareo

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 17/12/2015 17:09
mifohaza @ izay rizareo a... mba ataovy resolution @ taona vaovao io.. hoe, tena mba ampiasaina @ izay ilay saina fa tsy ampiesonan'ny fivavahana ao foana.. efa lehibe iana(re)o izao, ary ny interinety hanampy anareo hampitombo fahalalana.

Averiko foana.. hafa ho'a ny taloha, ka hoe nihidy tao amina vohitrakely tao iana(re)o, dia izay lazain'i Belazao, Mopera/Pasitera/Gourou, dia inoana ao daholo tokoany. Ampanantenainy tsy misy sy voa tsy hary ao.. ampihorohorony @ izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao... dia ao tokoany.. dia mamerimberina eo tsy am-piheverana eo koa..

Mampivanitika ilay izy, fanefa, mampalahelo mampahonena ihany... hoe, dia tena "wasted" ilay fi(s)ainan'ity olona...

rhaj0 - 17/12/2015 17:10
(dia mbola akisako eto koa ny resaka tatsy)

Efa be dia be ho'a ny resaka teto, fa dia avadibadiho ao k'lou eee..

http://forum.serasera.org/forum/message/m5612821e54573#m56151292e5611
http://forum.serasera.org/forum/message/m5654a11b99604#m565db66090a68
http://forum.serasera.org/forum/message/m5621211dd9e65#m5639690c0f828
http://forum.serasera.org/forum/message/m554225b62dd79#m5568432116b30

Fa raha feheziko eto dia, toatoa ny resako t@ Strong3 ihany, dia hoe...
- ampiasao ho'a ilay saina, hanao dihy miverina (rewind na rembobiner) ny fotoana ee...
- dia eritrereto tsara ao, ary itadiavo reference @ interinety hoe, ahoana ny "evolution"-njavatra eo, araka ilay "rien ne se perd, rien ne se crée, tout se transforme"
- ohatra hoe, ianao, t@ 1990 mbola ianao no ianao, dia t@ naterahanao, tao an-kibon-dreninao, dia taloha kelin'izay, tao @ kitapon'ain-drainao.. dia talohan'izay ets...
- dia... raha takatrao izay t@ taona 2010, dia tohizo 2000... 1990 ets... hatrany @ 1900... -2000 .. -50000 ... hatrany @ millions d'années sy milliards d'années lasana.

Dia raha à certain moment, TSY takan'ny hoza-dohanao intsony ny resaka, dia ... izay izany ee... TSY takatry ny hoza-dohanao. Na koa hoe, raha (mbola) tsy takatry ny hoza-dohan-draolona, dia izay izany: tsy takatry ny hoza-dohan-draolona ankehitrio.

Fa izany ho'a, raha tena honnete (intellectuellement) ianao, dia tsy izay "tsy fahatakaran'ny hoza-dohanao ny zava-misy" izay ho'a, no iantsampazanao amina finoanoam-poana. Ianao no TSY mahatakatra, fa ny zanakao, any aoriana any, dia hahatakatra.


Ka torak'izany ny @ big-bang. Araka ary hain'ny Siansa ny fandehan'ny particules elementaires sy interactions, rahefa atao dihy miverina ny fotoana. Dia à certain moment, tonga @ ilay hoe "big-bang"... eo izany isika izao... Fa ny "taloha kelin'ny big-bang", dia mbola tsy takatra. Satria TSY fantatra hoe, inona ny particules sy interactions misy @ izay karazana concentration-na matières izany.

Fa TSY izany akory no hanariana ny fahalalana (siantifika) voahangona h@ izao, ary dia ivarinana indray amina finoanoam-poana, ka hoe, magie-magie-miracle, dia nisy tampoka teo ny namorona an'izao sy izao (Atra hono), ary tsy izao sy izao ihany no noforoni'ilay Atra, fa IZY tenany mihintsy koa.

Izay reflexe-nao mivarina amina finoanoam-poana izay no mampihisatra ny firoson'ny fahalalana (siansa). Fa raha ianao sy ny sainao ao moa diavolana @ izany, ao @ fiainanao ao, dia anao ny anao ao izany eeee...

rhaj0 - 17/12/2015 17:18

rhaj0Ianao no TSY mahatakatra, fa ny zanakao, any aoriana any, dia hahatakatra.

Tadidio fotsiny Idadabenao ao... Izy dia (nety) "nino" tanteraka fa izao Andriamanitra izao mihintsy no mandraraka rano avy "ao ambony ao", ka izay no mandena ny tany namokarana vary io.

Ary dia ho takatrao tsara, fa ho hoy Izafikelinao hoe, Idadabe sy Inenibe azany koa kay hono nino hoe, izany Andriamanitra (toa ny endriny) izany hono no ... nanao an'izao sy izao.

rhaj0 - 17/12/2015 18:10
Ilay "Bokinao" anie efa nohalalin'ny mpino toa anao ihany, ary nisintomany hoe, raha atao ny adisaina, dia atao ny adisanina (addition), dia rahefa atambatra ny fotoana niainan'ireo olombe ao @ ilay Boky, manomboka @ Adama sy Abela ka h@ Abrahama, dia ... eo @ 6000 taona lasa izay, dia nobolabolana avy t@ fotaka i Adama.

TSY handany andro ny handinika an'izany akoriny ny Siansa...

Izay no mba takatry ny olombe fahiny, dia nosoratany tao.. dia ny taona ve ho'a ry Tealala efa 2015, dia ny taonanao ikoa ity efa mandroso, dia mbola ao ihany ve nareo eee ???
Efa ivanitihana foana fa hoe, ka dia nisy vavolombelona nahita izany ve hono i Andrmntra namorona an'izao sy izao, ary dia io noraketina tanaty Boky io??... 

rhaj0 - 22/12/2015 21:16
Ka ity koa izany resolution, tsy 2016 fa efa h@ izay, noresahina tatsy fa akisako eto


rhaj0Fa eny azany ho'a fa dia "miady" koa hono izany izaho eto e... misaotra an-dradoko ihany aloha manome tamberina 

Nieritreritra mafy aho, ary dia rahefa nandini-tena elabe dia elabe, à l'infini io... dia hoe...
- ka "miady" @ tsy-fahalalana (ignorance) sy ny finoanoam-poana (crédulité) aho,
- satria rahefa marefo (fragile) ny namana, na émotionellement io na ara-pahalalana, na fotsiny aza hoe filàna fototra (besoins fondamentales),
- dia robodroboka @ ity finoana/fivavahana ity,
- ary izany dia manimba ny fi(s)ainany... tsy ny azy ihany fa ny an'ny fiaraha-monina ankapobeny mihintsy.

Fa ny fomba "fiadiko" dia... hi hi hi... am-pivanitihana hatrany, na ve hoe...
"Vanitika dia Ampy" http://smileys.smilchat.net/smiley/music/danser/danser11.gif

rhaj0 - 31/12/2015 15:30
Fa izao ry Tealala... ataovy resolution 2016 koa ity, mba soso-kevitra ny ahy..

Rahefa mandalina sy mandinika dia perplexe ao izany ianao, dia mba ilay personnalite na zavatra atao tsara mba avoiboitra eee... mba positive fa ny fiainana ity efa sarotra...

tsarovy foana hoe, raha ianao mieritreritra ratsy ho an'ny hafa, dia hevero tsara hoe
- ny Andrmntrao ve no mampieritreritra anao ratsy ho an'ny hafa
- sa dia ianao, ary ianao ihany mihintsy no efa ratsy fo sy loha?

bonané eee...

haj0 - 03/01/2016 05:17
Raha "mieritreritra" izany nareo hoe, mankany @ Helo ilay olona, na inona na inona (tsy) nataony na inoany, tsy (maniry) "ratsy" ve izany?

Ka io hoe, maninona ho'a rahefa "mi-imaginer" ao ihany nareo, maninona raha hoe, (tsy) nanao ny (tsy) tokony nataony ilay olona, fa kosa, tena be famindra-po @ ora farany izany IZY (na nareo), ary dia "avotra" daholo isika mianakavy eee... @ izay "salanitra" daholo isika rehetra "ao @ imagination"-nao ao ee..

(fa efa sambatra ihany foana k'lou ny tsirairay ao @ imagination-ny eee...)

No comments:

Post a Comment