Menu

Dec 22, 2015

Ny nahaterahan'i Jesosy marina

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 22/12/2015 12:15
Nakisako eto ity resaka ity, fa hotrahotran'ny mila avoitra mazava tsara 

rhaj0http://lmgtfy.com/?q=how+old+was+mary+when+she+gave+birth+to+baby+jesus

Na Kristiana na tsy Kristiana dia samy milaza daholo fa 12 taona, na fara-fahabetsany 16 taona, i Maria nony bevohoka.. Dia i Josefa indray efa hitovy taona @ renin'i Maria, any @ 80 taona akoriny azany hoy ny sasany.

Dia i Josefa dia maty vady, efa manan-janaka. Ary misy azany mitantara fa mbola vao karazan'ny fiancailles ny an-dry Josefa sy Maria nefa dia bikina i ramatoa. Ny pretrabe no nampiaraka an'izy roa (mariage arrangé).

Fa io moa, dia izay no fomban-tany t@ izany fotoan'androny, ka tokony TSISY mahamenatra (ny Kristiana) mihintsiny io.



Fa miresaka ny "Indray andro hono tany an-danitra" ianao, dia .. ilay "kintana" narahin'ny Magy iny andro sy alina iny, dia tsy inona fa fifandrifian'i Regulus sy Jupiter. Ny mouvement-n'ny planet/etoile moa efa hay ny mekanikany, ka dia izay ilay izy.
- i Regulus dia kintana any @ 79 années-lumières, izany hoe efa ho 790 milliards de km avy eto @ Tany
- i Jupiter dia planeta ato @ systeme solaire-ntsika, any @ 0.8 milliards de km avy eto @ Tany

ka rahefa nifanojo ireo roa ireo, rahefa jerena avy ety an-Tany, dia namirapiratra be...



rhaj0 - 22/12/2015 12:45
Lioka 2:5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.

Io izany, na i Lioka azany dia nitantara fa mbola vao "fofom-bady" i Maria fa tsy "vady", io "efa bevohoka" io.

Techniquement izany, dia "teraka TSY nanambady" i Maria io andro io.

rhaj0 - 22/12/2015 13:29
Dia rehefa mitetitety google eo ianao dia ahita fa:

- be ny probabilité fa tsy desambra i Jesosy no teraka.. ka mangatsiaka hono ny ao moyen-orient ao ka tsy ho hary ho teraka any an-tranon'omby i Jesosy.. Dia ny recensement koa toa ny automne no fanaovana azy..

- be ny probabilité fa tsy tao an-tranon'omby akoriny i Jesosy no teraka.. ary toa tsisy biby koa moa manodidina ny ao @ tantara ao @ Baiboly ao

- ary tsy t@ l'an 0 koa i Jesosy no teraka, fa toa 7 taona talohan'izay


fa na izany na tsy izany, dia ataovy @ izay anaovanareo azy ao izany ny fankalazana eee... ny légende izany io arahana io, fa ny historic facts dia ... tsy mampirevy eee...

No comments:

Post a Comment