Menu

Dec 1, 2015

Izay voasoratra dia... toa mifanipaka

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera


rhaj0 - 12/01/2016 14:41
Aleo alamina dia asesy eto azany ny samy resaka mifanipaka atsimo sy avaratra, ambony sy ambany, anatiny sy ivelany, ao anaty Baiboly, araka ny navoitran'ity Quiz ity..

https://youtu.be/RB3g6mXLEKk

Ka mandrakizay sa TSY mandrakizay ny fahatezeran'Andrmntra (Kristiana) ??


Mika 7:18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindrampo.

Jeremia 17:4 Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao hianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.

rhaj0 - 12/01/2016 14:48

Ka ho "ho hamarinina TSY @ asan'ny lalàna" sa ho "tandremana ny didy" ?


Galatiana 2:16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.

Matio 19:17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’ izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

rhaj0 - 12/01/2016 14:56

Dia ahoana no andraisana an'ity... mila mifanaraka zareo samy lehibe ireo kah...


Romana 3:28 Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.

Jakoba 2:24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.

rhaj0 - 12/01/2016 16:28
Averiko kely ilay kiboribory vetaveta tianao mamy ery io...

(R)- finoana no anamarinana ny olona...
(J)- fa tsy amin’ ny finoana ihany...
(J)- hamarinina amin’ ny asa ny olona...
(R)- fa tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy...
(R)- fa ny finoana no anamarinana ny olona...
(J)- tsy amin’ ny finoana ihany...
(J)- fa hamarinina amin’ ny asa ny olona...
(R)- tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy...

rhaj0 - 12/01/2016 15:39

gasy1zayIreo lasa any @ helo zany no iharan'ny fahatezerana mandrakizay

Ka ilay "famindra-po" izany dia ho an'izay tiaNY ihany. Fa TSY asiany "famindra-po" ireo TSY tiaNY.

Nataok'ty hoe, ny dikan'ny "tia famindra-po" dia "amour inconditionnel", sahala @ Idada sy Ineny, ka raha constipé ny zaza, ok, exagéré... ka raha tena tsentsin'orona ny zaza, dia hozy ny dadako izay hoe, tena notrohany t@ vava hono, fa t@ ireny moa tsy nisy ilay pompe irony..

No comments:

Post a Comment