Menu

Dec 22, 2015

Ny Jiosy

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 21/12/2015 12:02
(akisako eto ny resaka tatsy, fa ny resaka jiosy tokoany mila sainina tsara..)


Ilay namako Jiosy dia avy any Maroc. Niparitaka tokoany rizareo Jiosy avy tao @ vallée de Canaan tao. Fa tsy ny Jiosy ihany no vahoaka niparitaka, fa toa izany koa ohatra ny peuple Roms (gitan, bohémien, tzigane...) izay toa niainga avy tany Inde.

Ny Jiosy dia namikitra @ fivavahany. Ny Roms indray dia niainga t@ hindouisme, fa kosa, tany @ izay nalehany, dia nandray izay fivavahana tany izy.

FA ny Jiosy, raha ny fahatakarako azy, na hoe préjugé, dia (mahay) mpanao z'afera. Ny Roms indray, dia ... mpanao cirque?

Dia hoy ianao Tealala hoe, "maninona i Israely"? dia hoy aho hoe, satria ny leader-ny fesse fesse sy be vola. Fa ny Roms izao dia mbola io tsy an-tany tsy amparafara io.

Ny Palestiniana izao dia voadakan'ny Israeliana, dia lasa miparitaka koa, hatraty zamerika koa.


Fa ianao izany pro-israeliana raha ny fahazoako ny fanontanianao. Izaho ho'a nanana namana Palestiniana koa. Dia tena ory ilery, mitantara tamiko, fa ny trano nahalatsahan'ny tavoniny, dia nodongian'ny Israeliana, ary dia voadaka ny fianakaviany, @ alalan'ny fivavahana sy finoana israeliana, na koa ny Torah io, voadaka tany @ camp, ary tany zamerika no niafarany.

Dia nahita aho taty aoriana, documentaire onusien, dia hozy ilay renim-pianakaviana Palestiniana hoe... iiieeee... io trano io dia trano nahalatsahan'ny tavoniko, ary misy Israeliana mipetraka ao io izao. Fa izaho ity nodakan'ny miaramilaa israeliana dia tsy an-tany tsy am-parafara.


Ka dia ao ianao sy ny conscience-nao izany ry Tealala aaa... mi-s'identifier @ Jiosy ianao, fa tsy mba manana compassion @ Palestiniana.. nefa ny Palestiniana dia colonisé sahala aminao no-coloniser-n'ny frantsay.

Ary izany dia @ anaran'ny Finoanao (sy ny Torah) fotsiny... bravo.. bravo. Voninahitra ho anao.

rhaj0 - 21/12/2015 12:11
Satria mantsy OLANA be ity olona pro-israeliana ity, ary pro-israeliana satria izay hozy ny Torah sy Baiboly fotisny, fa tsy mba hoe, noho ny idealin'ny taona 2000, dia ny rariny sy ny hitsiny, na koa ny zon'olombelona fototra fotsiny...


izao izao tonga ity ny noely, dia mody hozy ny Israeliana hoe, betlehema sy jodia, dia mihazakazka toa akohokely manenji-drehoka tokoany ny Kristiana, ary dia pro-israeliana, ary dia tsisy consideration-ny ny Palestiniana..

Ny tena hitako mampalahelo mampahonena, dia .. hihomehezan'ny Jiosy fotsiny nefa ireo Kristiana, satria dia miaro ny interet Jiosy ireto izy, nefany... angaha ny Kristiana handova ny "lanitry ny Jiosy" na oviana na oviana... ka TSY anaty tetiharana akoriny ireo koa "handova" inona hono... Nisy olombem-Baiboly nilaza fa "mandova" daholo hono ny rehetra... dia, ha ha ha! hozy ny Jiosy:n'engage que celui ou celle qui le croit.. 

rhaj0 - 21/12/2015 15:01
Tsy haiko hoe, rahefa miondrana aty ivelany ve vao mahatsiaro ny sandan'ny maha-gasy... fa rehefa ao Dago dia mitady ny tsy hita indray.. tsy haiko.

Fa rahefa aty koa ianao, ka mahita na israeliana io na palestiniana.. na boudista io na atheista.. ets... dia mety hafa indray no an-tsainao. Ka ny hotry ry Tealala gasy manana "sipiritoalitia israeliana"-ny izao hono, dia mety hampivanitika gaigy ny olona hafa rehetra tokoany... na israeliana io na palestiniana.. na boudista io na atheista


Ankoatr'izany, mba hevereo anie, raha ohatra ka raikitra ilay tetik'i Hitler hoe, nahondrana tany Dago daholo ireo Jiosy ireo t@ 1940s tany ee... Dia ho sahala ny nahavoa ny Palestiniana ny ahavoa ny Gasy ao : avy ny miaramila, ary ilay tranon-drazanao nahalatsahan'ny tavoninao tao io mihitnsy ho'a, no hipetrahan'iretsy Jiosy.. na ny fandriananao tao azany mety mbola ampiasainy...

rhaj0 - 28/04/2014 15:44
Izaho nanana namana Jiosy.. Toa izao no fandinihako an'ilay ranamako io :

- tsy ilay orthodox tena manaraka ara-baki-teny izay voavakiny tanaty Torah tao izy, h@ fiankajoana io ka h@ fandraisana ny vehivavy/ankizy, sy koa h@ ity manava-tena (secte) tsy mifandray aman'olona fa mihidy ao @ samy jiosy ao ihany, fa olona toa izaho sy ianao izy..

- ary izy koa aza dia tsy manaraka ireo fombafomba hafa isan-karazany, h@ mankany @ sinagaogy ka h@ fanajana ny sabata sns...

F'izany hoe hotry ny mirehareha (fier) ihany izy fa hoe Jiosy ny kolotorany. Ny fahitako azy, dia aty Amerika avaratra moa, dia misy ilay hoe "melting pot", izany hoe ny mpihavy dia "miempo" (fusionner) miaraka @ izay eo, ary dia tokana ny vahoaka amerikana. Fa izy dia mahatsiaro fa manana ny kolotorany (Jiosy) izay miavaka. Dia koa moa, ny tambazotra (reseau/network) Jiosy dia tena mazanabe, ka ahitany tombony.


Ka ahoana ry Moustaraf... raha ny fahazoako anao izany dia Jiosy izany hono ianao hoy ianao.

1. Ka ahoana moa izany, raha gasy ianao, no nahalasa anao ho Jiosy ?
Raha ny kely fantatro dia tsy hoe Jiosy izay te-ho Jiosy fa lovaina @ reny izany... fa toa misy fombafomba, dia afaka ho ekena ho Jiosy rahefa manambady Jiosy (mila ho jerena indray google ny antsipirihan'ny @io)

2. dia manaraka ilay fomba sabatan'ny Jiosy koa ve ianao ao io ?
Raha ny kely fantatro @ io sabata io, dia manomboka zoma alina dia efa tsy mahazo mitana lakile intsony, ary tsy mahazo manao lahasa intsony koa...

3. dia misy sinagaoga koa ve any Mada any izao ? Dia mahay mamaky Torah izany ianao ao io (soratra hebreu) ?

rhaj0 - 28/04/2014 16:11
Ilay sabata Jiosy ity anie ry Moustaraf raha tena arahina ara-baki-teny ka tena tsy an-jaza e..
Jereo anie eto e (http://fr.wikipedia.org/wiki/Chabbat) :
- Il commence le vendredi, 18 minutes avant le coucher du soleil et se termine le samedi après l'apparition de 3 étoiles moyennes
- La loi juive interdit toute forme de melakha (au pluriel melakhot) à chabbat. Cette occurrence, qu'on traduit généralement par « travail »... Chaque melakha entraîne des prohibitions dérivées. Par exemple, « produire un feu » s'étend à toute forme de courant..


Notantarain'ilay ranamako fa tsy mikitika lakile (vy) intsony hono ilay dadatoany iray izay manomboka ny zoma alina io, satria voarara, ary dia tsy afaka ny hidiana akoriny aza ny trano.

Dia ity koa izao ohatra iray : tsy mahazo manapika jiro..
Autre exemple, utiliser un interrupteur tombe sous l'activité de « construire » ou « démolir » (le mot hébreu pour définir cela peut être interprété comme « détruire en vue de reconstruire »). La solution classique est l'emploi de minuteries pré-réglées

Fa soa ihany izany fa mba misy koa ny azo atao, ka dia faly ary tena faly ao izany nareo ao ry Moustaraf f'izany no voasoratra ao @ Torah 
Activités permises (...) Avoir des rapports conjugaux avec son épouse, en particulier le vendredi soir.

rhaj0 - 28/04/2014 16:19
Farany ry Moustaraf ..

ianao moa izany, raha ny fahazoako azy hoe Jiosy, sa ve hoe te-ho Jiosy...

Raha gasy anie ianao re ry Moustaraf dia "black" izany e... Ary raha atao aza hoe Jiosy izany ianao io, dia mbola "black Jews" izany re ianao ry Moustaraf.

Inty izao vaovao farany momba anareo "black jews". Ity dia mifandraika @ ilay fahafam-baraka (scandale) an'ilay patabe @ NBA (basket amerikana) izay sirika fa rasista...

http://www.timesofisrael.com/clippers-owner-black-jews-treated-like-dogs-in-israel/
Clippers owner: Black Jews treated like dogs in Israel.
His girlfriend, known only as V. Stiviano, asks him, “And are the black Jews less than the white Jews?”
“A hundred percent, fifty, a hundred percent…” the man in the recording, said to be Sterling, says


No comments:

Post a Comment