Menu

Apr 6, 2016

Bokin'ny Apokalipsy

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 06/04/2016 14:27
Ny bokin'ny Apokalipsa moa no ifotoran'ny fi(s)ainanao ao ry RBNIR...

Dia io ho'a, mba mivoaha kely aloha @ ilay box-kely, dia vakivakio ny lazain'ny mpandinika ny @ io Boky io.. Ary jereo tsara fa Kristiana namanao ihany no mamahabaha, ngo dia lazaina fa ny tsy-mpino indray no mandoto rano eo.
http://lmgtfy.com/?q=book+of+revelation+criticism
- the Book of Revelation has always been more politics than prophecy..
- ... views of critics who deny any spiritual value to Revelation at all...
- The Book of Revelation has terrified and confused readers...
- The book of Revelation has also been used by many religious fanatics, who ....
- Was the Book of Revelation based on Real Visions OR was it just a fake literary...




Dia araho tsara ny tantara sy jeogirafia t@ nanoratana io Boky io..

http://www.pbs.org/wgbh/pages/frontline/shows/apocalypse/revelation/white.html
The Book of Revelation was written sometime around 96 CE in Asia Minor. The author was probably a Christian from Ephesus known as "John the Elder." (..) It was Titus who led the siege and destruction of Jerusalem in 70 CE. When Vespasian died in 79 CE, Titus became the next Emperor... That the "beast from the sea" is the Emperor himself is made clear in a later passage in Rev. 17...


Dia eritrereto tsara @ izay. Io boky io dia ao anatin'ny hoe "apocalyptic literature".. Ireny no isan'ny style-na boky fanoratra t@ fotoan'androny. Ka dia mba nanoratra koa izany i John the Elder. Dia kisarisari-teny ao no namoahany ny frustration-ny @ Emperora Romana...

Dia izay boky izay no handrianao ao, dia avalaninao, dia lazainao fa miresaka Izao Tontolo Izao, ary @ izao fotoana izao koa???

ntssss... manofy ratsy ao fotsiny, dia hi-pipi pataloha lava ao ny farany f'ataovy ao ihany..

Mifohaza @ izay RBNIR aaa... literatiora t@ taona zero fotsiny iny...

rhaj0 - 03/09/2016 14:15
Loza iray ao @ Apaokalipisia ao hono dia hoe, ny ranomasina sy ny ranomamy dia lasa rà..

hi hi hi.. dia hozy i Lahindroy hoe, nitaveravera ilay anjely faha-3 tany an-danitra, ary dia niraraka tety an-tany daholo ny rà tanaty loviany, ary dia ho diba-drà hono ny tany eeee..
Fa hoy aho hoe, i Latera, izay la mère (nourricière), no toa tonga fotoana tao @ imagination-n'ny taloha tao, ary dia hoe, ho lasa rà menamenabe hono ny rano eee...
Na koa hoe, i Betsiboka angambany no hitan'ny voamason'ireo t@ l'an 0, ary dia lazainy fa ho toa izany koa hono no hitranga @ izay rano mandeha rehetra eee..


Hadinoy any izany imagination nandra de l'an zero izany, fa ndao dinihina ny ranomasina, @ niveau de connaissance 2016 eee...


Raha ny fahatakarako azy, dia ny olana ny @ ranomasina dia hoe, ny CO2 vokarintsika lava io, dia mitsonika ao an-dranomasina. CO2 + H2O === H2CO3. Miha-lasa acide kokoa ny ranomasina. Fa ilay miha-"lasa acide" dia tena miandalana miadana dia miadana. Ka dia sahala @ izay miova acidité rehetra, toy ny tany, dia mi-réagir arak'izany koa izany ny zava-maniry sy biby ao anaty ranomasina.

Ny tenantsika izao dia hitrangan'io équilibre chimique io koa. Ny malazalaza indray izao, dia hoe, rahefa plus acide toa izany koa ny vatantsika, dia lasa sompitra ho an'ny homamiadana ohatra. Ka efa voatanisa any ireo sakafo izay mampalasa acide ny tsiranoky ny vatantsika (toa ny siramamy), ary ampirisihina isika ny ampihena ny fihinanana ireny (jereo eto). Ary ireo manao méditation (respiration profonde sns..) hono, dia lasa manana vatana moins acide, ary dia tsaratsara kokoa ny fahasalamany.


Ka inona no atao @ ranomasina noho ity CO2 ity. Io no hiadiana lava @ sehatra iraisam-pirenena. Fa misy boaikely izay nahita fikabe, hoe io CO2 anaty ranomasina io, no anaovany traitement (scientifique) izany, ary dia sady mamokatra angovo no mampihena CO2. Boaikely no nampiana ary naneho ny fetezan'io, à petite échelle. Averiko indray, SCIENTIFIQUE io fa tsy rediredy. Mila tadiaviko ny artikla @ io, fa tena mahavelom-panantenana iilay izy.

Ka hoy aho hoe, hianaro ilay boaikely, na fara-faharatsiny araho ny fivoatran'ny Siansa sy ny fahalalan-draolona eeee... Dia izany no andaniana ny ron-doha sy ny jiro, fa TSY izao imagination rediredy nandran'ny l'an zero sy izao Apaokatsymisy izao foana no ventesina sy ivavahana mba ho tanteraka eo. Izany ry RBNIR aaa...


rhaj0 - 06/09/2016 17:44
RBNIRLoza fahafito :
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy...

Hono ho'a ry RBNIR, misy ifandraisany ve ny "horohoron-tany" sy ny "kotrokorana" ??

Efa hainao tsara @ io fa ny "horohoron-tany" dia ny plate tectonic "any ambany any" no mikisaka; ary ny "kotrokorana" dia ny rahona mampiborotsaka orana sy misy electrostatique kely "ao ambaony ao"


hi hi hi.. dia tsy kopy ve ianao ry RBNIR, fa ilay olombe-nao de l'an zero dia TSY mahatakatra an'izany, ka dia nafangaroarony tao daholo izao phenomene mahavalaka rehetra izao, ampitahorina ny zazabelelo ? 

rhaj0 - 10/09/2016 17:12
Dia loza iray koa izao dia hoe voan'ny VAY "daholo" hono ny olona.. Dia matahotra ery ry RBNIR, dia minobe fa izany no ho famantarana.

Dia mbola tsy kOpy ve ianao ry RBNIR hoe, izany VAY izany no mba takatry ny hoza-dohan'ny taloha, l'an -3000, dia izany no nampitahorina ny zazabelelo ho'a??

Hadinoy any aloha izany imagination nandran'ny taloha izany, fa ndao azany dinihina hoe, inona ny aretina mety tena mba maharavarava ny zanak'olb. Jereo ato ohatra ny tantara, fa tao ny pesta, cholera, variole, gripa espaniola.. Ilay variole izao namely mafy ny amerindiana, ary ilay gripa espaniola (karazan'ny H1N1) namely ny atsimon' Eoropa t@ 1918, nahafaty efa ho 30 millions

Fa efa misy fanefitra sy fitsaboana azy daholo izao ireo. Dia izay no halalinina sy fantarina ary andaniana ny jiro sy ny ron-doha ho'a, fa tsy izao fampitahorana-zaza-belelo tantarain'i Apoakatsymisy izao foana no ivavahana mba ho tanteraka ao eee... Izany ry RBNIR aaa...


Ny aretina mandringana koa dia matetika mamely anaty. @ izao fotoana izao izao, dia ny homamiadana hono no aretina voalohany mamono, efa 8 millions isan-taona izy teo. Ny aretina aty (foie) sy rein betsaka voany dia maty; tsy lazaina ny tapaka lalan-dra...

Ka ny handaniana ny ron-doha sy ny jiro dia mianatra mba ahalala kokoa an'ireo, dia mitaiza-tena isorohana azy, sy mitady fanefitra ets .... 

No comments:

Post a Comment