Menu

Apr 20, 2016

Ny sakafo sy ny filàna

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Resa-Behivavy ao @ Serasera

rhaj0 - 20/04/2016 16:39
Izao indray no reko farany...

Ny vatana dia mila sakafo hamenoana ireto filàna
1- filàna enerzetika : mila angôvo ny vatana.. io dia alaina any @ siramamy sy ny matavy sy ny sisa.
2- filàna nutritionely : mila raha ny sela sy ny hozatra sns... io dia alaina any @ piroteina sy ny mineraly sy ny sisa.

Fa ity izao nasiany fanin-3
3- filàna emosionely...

Izany hoe, ny filàna emosionely dia ho fenoin'ny sakafo.

Ka dia normal be mihintsy ianao, rahefa sorendrena iny, dia te-hihinana sôkôla, na rahefa te-hifalifaly, dia te-hihinana fen'akoho.
Toa ny hoe, rahefa hanao fanantajahan-tena iny ianao, ka hihazakazaka lavitr'ezaka, dia mahafantatra fa mila mihinana pasta (hanome angovo); na hoe hanabokona hozatra, dia mila provandy (hanome piroteina).


Ka dia eo hono izany isika izao.


Fa ny zava-misy aloha h@ izao, dia mbola tsy voafaritra ny habetsahana (quantification). Ohatra anefa, ny Dietetisiana mikarakara ny mpanao baolina na mpanao boksa, dia efa mahafantra ny habetsahana ilain'ny vatana raha hanao ity fanantanjahan-tena.

Fa mbola tsy tonga any @ fahalalana hoe, mila sôkôla firy vao afaka ilay sorendrena 

rhaj0 - 20/04/2016 18:10
Ka ny nametrahako an'ity aty @ resa-behivavy, dia hoe...

ka raha renim-pianakaviana mikarakara ny ankizy ao, dia aza mba masiatsiaka izany ee.. na ohatra hoe, mahatsiaro meloka ianao fa manome sôkôla rahefa tia hanambitamby.

Dia ianao andriambavilanitra te-hahia lava ao koa, dia... mety hoe, mety hampatavy ny vatana ny sôkôla, fanefa kôpy ianao izany fa "mila sôkôla" ilay vatana rahefa sorendrena ny fo aman-tsaina eee .. 

Io dia atao fampitaha @ hoe, kôpy ianao fa mila provandy raha te-hanabokona hozatra.

Fa ny hany sisa ilaina fantarina izany dia ny habetsahana.


Ka io hono mbola samy tsisy mahalala, fa ny hany azo atao, dia hoe

- raiso ny sôkôla, ary dia hankafizo, izany hoe mila mahatsapa-saina (consciente) tsara ianao mihinana ny sôkôla, fa tsy hoe, sady mijery fahita-lavitra dia misesika ao... (izay ilay mampatavy).

- tsy voatery ho sôkôla koa anie no manala fahasorenana eee.. @ ankapobeny, dia io dia samy manana ny antsoin'ny aty hoe "comfort food".. sakafo manafana fo izany eee... Mety hoe ovy endasina sy fromazy, mety hoe gatô, mety hoe voamadilo sy sakay 

rhaj0 - 20/04/2016 18:42
Ka io izany dia hoe, raha tsy mihinana sôkôla ianao rahefa manana olana emosionely, na hoe tsy ampy sôkôla, dia.. raha atao fampitaha @ filànao mineraly sy vitamina ohatra, dia rahefa tsy mihinana izany ianao dia hisamboaravoara (déséquilibré) ny vatana.

Fa raha mihinana be loatra koa moa izany, dia.. raha atao fampitaha @ filànao angôvo, ka hihinanao siramamy (sy kaloria), dia ... lasa matavy izany eee...


Io k'lou ny teoria vaovao reko, fa dia samia ... mitsakotsako 


No comments:

Post a Comment