Menu

Apr 29, 2016

Ny Tontolo Manontolo

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 29/04/2016 15:29

https://www.youtube.com/watch?v=BdWuU-epZ6c


Eo izany isika izao.




Inona ny ifandraisan'ny Astrolojia sy Astronomia. 

Ara-pamaritana dia :

- Astrology is the study of the movements and relative positions of celestial objects as a means for divining information about human affairs and terrestrial events.

- Astronomy is the scientific study of the universe and the objects in it, including stars, planets, nebulae, and galaxies. Astronomy deals with the position, size, motion, composition, energy, and evolution of celestial objects.

Marina fa samy mandinidinika ny kintana sy izay vainga "any ambony any" izy roaroa ireo, fa ny Astrolojia dia mamorona, manampy ka mampisy dikany "masina" (asan'Andriamanitra na koa mazia-mazia) ny fipetraky ny kintana "any ambony any", ary ampifandraisiny @ fiainan'ny olona "ety ambany ety an-tany", ary tsipihina mazava fa izany dia mifototra @ Finoana.

Ny Astronomia, @ maha-Siansa azy (fa tsy Finoana), dia tsy mampifandray izay misy "any ambony any" sy ny amintsika "ety ambany ety", satria moa, taratry ny (tsy-)fahalalana ity "any ambony" sy "ety ambany" izany.

Ivereno indray ilay youtube video "io ambony io" manazavazava ny tontolo manontolo "hatrety ambany ety" 


No comments:

Post a Comment