Menu

Nov 12, 2015

Ny Katolika sy ny Katolisisima

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 12/11/2015 17:36
Ndao hoe mba (iarahana) halalinina kely ny @ Katolika sy ny Katolisisima...

Rahefa mi-google eny, dia ahita fa 1/6-n'ny olona eran-tany no Katolika:
40%-n'ny Gasy (hozy L'Express),
- dia 24%-n'ny Bekintana, 39%-n'ny Kanadiana Beravina, 60%-n'ny Frantsay Bemanga,
- ary 0.5%-n'ny Japoney sy 0.01%-n'ny Sinoa

Izay Katolika eto moa izany dia afaka milaza ny mahakanto sy izay mahatamana azy ao @ Katolisisma ao, fa ny ahy indray dia ny critiques no tiako avoitra..

https://en.wikipedia.org/wiki/Criticism_of_the_Catholic_Church

rhaj0 - 12/11/2015 18:14
Dia statisitika iray lehibe, ny tena zava-dehibe aminy, dia ny ... vola sy harena.

Jereo kely ny tabilao

http://lmgtfy.com/?q=how+much+is+the+catholic+church+worth+2015

na koa, http://www.therichest.com/rich-list/world/the-10-richest-religions-in-the-world/

i Vatican no manan-karena indrindra (#1) @ samy "mpampivavaka".. tena amina an-tapitrisantrisany...


rhaj0 - 13/11/2015 16:28
Nisy resaka reko t@ radio in-1 mandeha, dia hoe, ny fototra iorenan'ny (fahefana) Katolika hono, na ny fazahoany (emprise) ny mpanaraka azy, dia ilay @ hoe:
--- nampinoana ny (Katolika) mpanaraka azy fa izy, ny Leglizy/Vatican, no mitana ny fahalalana sy ny lakile.

Alaivo sary fotsiny hono ny fomba Katolika, izay mbola natao vao tsy ela akory : atao @ teny Latina ny lamesa, @ izay hoe, i Mopera ihany no mahalala ny lakile. Ny Protestanta anefa hono, dia toa samy mamaky sy mandalina ary miara-mamahabaha ao ny olona...

Izay no voalaza aloha fa asa ny fahitanareo azy.


Ka hoe, raha voahozongozona (misy doute) io "fototra iorenan'ny (fahefana) Katolika" io, ao an-tsaina sy am-pon'ny olona ao, dia ... bye bye Vatican.

Ka izany no maha-saro-piaro BE an'i Vatican, fa raha vao misy mi-contredire na mi-remettre en question ny olombe-n'ny Leglizy (na Papa io, na pretra io), dia na henjana be ny vali-ketsikany, na tena mody dondrona be izy dia manao bemarenina, na moa dia io manafi-keloky ny olony lava io zareo, h@ ireto pretra (sasany) mpanolana ankizy, ka h@ Curie (ahiahiana) nanolana vola...

rhaj0 - 19/11/2015 17:32
Ny critiques iray lehibe ny Leglizy (sy Vatican), koa na ny Katolika mpanaraka azy azany migenongenona ihany na dia tsy dia misy mahasahy itrena azany, dia ny @ SEX.

https://en.wikipedia.org/wiki/Criticism_of_the_Catholic_Church
The Church teaches the practice of chastity. It interprets this to mean that believers should eschew fornication,[67] and that no persons inside or outside of marriage may practice masturbation, sodomy and homosexual practices

Chastity means not having any sexual relations before marriage. It also means fidelity to husband or wife during marriage. 

Gilobalobalema izany, dia hoe:
1- tsy manao alohan'ny mariazy (virijiny)
2- tsy manao afa-tsy @ vady mariazy

Dia koa hoe
3- tsy manao matsirobasio
4- tsy manao sodomia


Ka hono ho'a... "teaches" = mampianatra fotsiny ve ireo?? Dia sahala @ any am-pianarana, ka hoe, rahefa tsy mahay ny mpianatra dia an'azy ny azy, fa izy ihany no tsy afa-panadinana.

Ary raha mbola manao ihany Rakatolika, dia inona no manjo azy ??? ataon'ny Leglizy inona izay olona manao ny 1,2,3 sy 4??


Misaotra ny namana Katolika (eto) mba manazavazava ho an'ny namana (eto) oooo...

rhaj0 - 25/11/2015 14:29
kay tato efa nisy resaka lavabe ny @ Katolika.. zahavo kely anie eeee...

http://forum.serasera.org/forum/message/m54329c4c20c84/
Ny Fampianarana Katolika sy ny Fianakaviana Ankehitrio 

rhaj0 - 10/12/2015 18:33
Une commission théologique du Vatican a estimé jeudi que les juifs pouvaient obtenir le salut éternel sans devenir chrétiens, et a invité les catholiques à ne pas chercher à les convertir.
http://www.lapresse.ca/international/europe/201512/10/01-4929814-leglise-catholique-ne-cherchera-plus-a-convertir-les-juifs.php

Hay va re ny Katolika koa namely ny olona tsy mitovy finoana azy taloha eee... Tsara rahefa tonga saina eee..

rhaj0 - 05/11/2015 11:31

bor2lais«...Je vous demande pardon!» s'était exclamé le pape

Izao ve izany ilay hoe "mibebaka"? Dia rahefa mba hoe "sincere" ilay mi-s'exclamer dia .. mitohy ny lanonana, sa ...

Io k'lou, raha ny fahitako azy, dia (tokony) tsy vitan'ny paridao paridao fotsiny, fa

1- ny redevabilitE dia zohina miakatra sy midina hatrany ifotony mihintsy hoe, hatraiza ny tompon'andraikitra,
- na olombe io
- na ilay structurel/organisationnel,
- na h@ ilay foto-kevitra ijoroana akoriny azany
ary iza aby no ni-profiter, na direct na ankolaka

2- ny compensation amena ny victime, sy izay dommage collateral rehetra, dia mipetraka mazava

3- ary izay tompon'andraikitra rehetra ao dia direction migadra.


Ary tokony atao ohatra manetriketrika mihintsy io, ampisehoana fa na debany be azany, rahefa fotsitra dia fotsitra, ary rahefa fotsitra dia tratran'ny alokany eo foana.

rhaj0 - 18/11/2015 12:02

Ny Papa anie mampome ee... Sa mampieritreritra tokoany, dia avy eo, mampihomehy???

http://www.romereports.com/homepage#.UjxtJhY5iMM
Pope Francis: Money is the Root of All Evil

Ny VOLA hono no fototry ny revin-devoly... Dia ahoana azany ilay volabe ao am-batan'i Vatican ao????

ntss... manenjika ny investisera sy spekiolatera ery i Fransisy, nefa i Vatican @ io mamely dia mandrango be mihintsiny, ary tsy @ fomba honnete akoriny azany, arak'io resaka naroson'i Strong3 eto io...

Mampieritreritra ihany e !, hozy tokoany i Bor2lais izay, ilay "l'hypocrisie de ces puissants de la Terre..."

rhaj0 - 18/11/2015 13:57
http://www.romereports.com/2013/09/20/pope-francis-idolizing-money-is-the-root-of-all-evil
He explained that the desire of making money at all costs corrupts the heart.

Raha adikako gilobaloba, ohatra hoe : ny finiavana mampiditra vola @ fomba rehetra dia mampalozotra ny fo...

hi hi hi... tsy "idoles" izany hono ny "making money at all costs" fa tena mba "instruments" fotsiny eee..

Dia ndana googler-o ho'a hoe, manao investisema sy spekiolasiO i Vatican, ary tena "fitiavan'ny fo" ve io sa...

http://lmgtfy.com/?q=vatican+investments
na akoriny azany hoe
http://lmgtfy.com/?q=vatican+investments+in+arms

Rahefa misikosikotra eny ianao dia ahita ohatra hoe:
"There IS a mention of 'evidence the Vatican had invested in...Udine, a military weapons manufacturer (there were also unconfirmed reports of church money in gunmaker Beretta, a Monte Carlo casino, and a printing firm that published pornographic magazines).' Footnote refers to Walter Scott, "Personality Parade", The Boston Globe, October 12, 1969, C2; Thomas and Morgan-Witts, Pontiff, 140; Lewin, "The Finances of the Vatican," 199; see also Hoffman, Anatomy of the Vatican, 177."

Dia halalino izany Udine sy Beretta ary Monte Carlo casino sy izay pornographic magazines raha misy trace-na Vatican eeee... Toa efa eraky ny boky aman-gazety io fa tsisy (minia) mahita.


Dia tena "Tokony miaraka ny mamaky tsara sy ny mieritreritra" tsara tokoany izany hozy Bor2lais, satria dia tena Mampieritreritra ihany ilay "hypocrisie de ces puissants de la Terre" ... sy ny oye-oye ataon'ny mpihoby azy...

rhaj0 - 18/11/2015 14:08

bor2lais. "N'oublions pas non plus l'hypocrisie de ces puissants de la Terre qui parlent de paix mais qui, en sous-main, vendent des armes" France soir 15/10/2015


Ka eto ianao izany ry Bor2lais raha hanao oye-oye aaa...

http://lmgtfy.com/?q=vatican+investments+in+arms
Who is the owner of Beretta?
Perhaps few people know that Pietro Beretta arms factory Ltd. (the largest arms industry in the world) and is controlled by the Holding SpA Beretta and the majority shareholder of the Beretta Holding SpA after Gussalli Ugo Beretta, is the IOR (Institute for Works of Religion [commonly known as the Vatican Bank]) ...


"N'oublions pas non plus l'hypocrisie de ces puissants de la Terre qui parlent de paix mais qui, en sous-main, (investissent et) vendent des armes"

bravo.. bravo 

rhaj0 - 18/11/2015 16:41
hi hi hi.. efa hay anie lay 3 eme etage ee...


http://smileys.smilchat.net/smiley/spiritual/noel/santa/santaclaus5.gifRahefa ny Papa no manao paridao, dia tonga dia madio ny rano hozy ny mpanao oye-oye satria Vatican manan-karem-be ... tsisy tsy vitan'ny vola.

Dia efa hita koa ho'a ny "valera"-n'ny 3eme etage ee... ohatra koa..

http://smileys.smilchat.net/smiley/spiritual/1eveque.gif Tena efa nampidirinay tany @ Paradisa Ikala Maria, satria dia tsy mihatra aminy ireo criteres be dia be ahafahana miditra any Paradisa... fa izy azany mba virijiny (mandrakizay) nefa niteraka..
http://smileys.smilchat.net/smiley/spiritual/eveque.gif Ary na ny vatan'Ikala Maria azany dia tafita any Paradisa koa; ny vatanao raolona kosany dia tavela ao ambany rangolahy, fa ny "fanahinao" ihany no hankany... raha ho tafita eo tokoany moa...
Pope Pius XII in Munificentissimus Deus

rhaj0 - 02/11/2015 14:16
Fa mampihomehy sa mahonena, sa mampihomehy mahonena ho'a... ny eglizy losiferiana izany nitombo isa 1

Fa jereo anefa anie, ny Leglizy Kristiana atsy Quebec, fa tena (mihena ampitoerana toa) fen'antitra e...

http://www.lapresse.ca/actualites/national/201510/31/01-4915934-patrimoine-religieux-la-debacle-des-clochers.php
Tous les 10 jours depuis 12 ans, le Québec voit (..) la transformation, la fermeture ou la démolition d'une église. (..) Faute de croyants et de revenus suffisants pour maintenir ces édifices d'une certaine majesté, on a cadenassé, vendu, recyclé ou carrément rasé 450 églises.

rhaj0 - 25/09/2015 15:02

Radavisonraha araka an'io fihevitrao io izany dia ny Banque Centrale, izay institution, no tokony hanontany tena haka recul hoe sao dia nohonry no fototry ny fisian'ny vola sandoka

ENY.. mila mijery ny fomba fiasany ao izy, ny procedure sy izay code d'ethique-n'ny institution sy ny mpiasa... Izany daholo ny ataon'ny olona sy organisation/institution-n'ny taona 2000 rahefa tonga ny olana, fa tsy mialahoala hoe, "olona" no olana fa tsy ny "systeme" eeee...

Jereo ohatra..

- nanolana ankizy ny mpanazatra baolina t@ U, dia noejehina any @ Fitsarana h@ pdt-n'ilay U, ary navadibadika nopasohana daholo ny fomba fiasa sy fanao tao @ U.

- nanolana ankizy ny pretra (sasany)... dia hoe, ilay pretra izany, hoz'ianao, fa tsisy hidiran'ny Leglizy, na Vatican, na koa ny fampianarana ao @ Baiboly na soatoavina andrianin'ny Kristiana eee...

Dia tsisy miova ny Leglizy/Vatican, dia nefa, dia (mody) ganga indray ianao fa afaka am-10 taonany, dia mbola mipoitra ihany ry mopera babany manolana ankizy...

ka @ io ohatra io, dia any am-potony ny olana eee. ao @ Fampianarana fototra ao, ao @ Finoana fototra ao... Rahefa poretinao ny sex ao @ saina sy fiainan'ny olona, avy atsy @ Fampianarana/Finoana FOTOTRA an'ny Xiana ao, dia izay no alehany. Rahefa TSISY transparence, tsisy redevabilite miolotra @ vahoaka ny systeme Katolikanao, dia aza ganga rahefa mivoaka ny scandale... Rehefa samy olona vory saina sy vory nofo nareo rehetra ao, nefany ny sasany no mitondra anao toa ny zazakely, dia ao ianao izany eeee...

rhaj0 - 31/10/2016 21:15
NIjery google news kely aho, dia inty koa misy resaka vaovao nomen'ny Papa

Le pape François déplore qu'"aujourd’hui, on apprenne à l’école à des enfants -à des enfants! - que **** fruit d'une "colonisation idéologique" menée par des "pays très influents".

Ka izao izany ee...

1- TSY falifaly ny Papa rahefa ampianrina **** ny Ankizy any am-pianarana

2- "colonisation" hono io fampianarana ny **** io eee...


Ka dia ao ianao izany Rapapa, fa ny olona misoka-tsaina. Mbola mitady hamehipehy sy hinindrindriny Rapapa an... Fa tsisy mpihaino intsony ianao Rapapa fa ny olona "hampianatra" foana aaa... Koa na tsy any am-pianarana azany no ampianarina an'izany, dia ho hitan'ny Ankizy eraky ny interinety io...

rhaj0 - 01/11/2016 11:40
Izao izany hono hozy Rapapa eee...
1- Rahefa rizareo Kristiana (Katolika) no "mampianatra" (hono), dia "evanzelization".
2- Rahefa ny Sosaity kosa no "mampianatra", dia soketain-dRapapa ho "colonisation idéologique"


Izao anefa, inona moa no "ampianarina"??
1a- ny an'ny Kristiana (Katolika) dia izao resa-Baiboly t@ l'an-3000 izao no (mbola) asesika sy anindriana ny Ankizy
2a- ny Sosaity anefa mampianatra ny fahaiza-miaina anaty fiaraha-monina 2016

=== Io izao, dia inona moa ny tanjon'ny Fampianarana fa tsy ny hahaizan'ny Ankizy miaina ao @ fiaraha-monina?? ka ny tanjona ve dia ny hahaizana miaina ny soatoavin'ny l'an-3000, sa kosa, ny zava-misin'ny 2016??


Dia iza koa no "ampianarina"??

1b- ny an'ny Kristiana (Katolika) dia ny anaovany evanzelization, dia ireo mponina mbola TSY nahalala izany Baiboliny ao izany
2b- ny Sosaity dia mampianatra ny zanany ao @ sosaity-ny.

=== Io izao, dia inona koa ity vavabe-ndRapapa hoe "colonisation"???


Ka manetsi-keloka ve i Rapapa, sa koa, heveriny toa azy daholo koa ho'a ny olona eee...

rhaj0 - 02/11/2016 14:49
Dia tena mahavalalanina tokoany eee.. Ao ambanin'ny Basilique St-Pierre ao Vatican ao izao ohatra ny sisam-patin'i Peter (fa tsy lavenona). Dia ny mahavalalanina, dia i Vatican mihintsy no manamarina fa ao koa, dia misy sisam-patin'olona 4 hafa, SY sisam-patim-biby.

https://en.wikipedia.org/wiki/Saint_Peter%27s_tomb
The remains of four individuals and several farm animals were found in this grave


Esy ee...
1- ao anaty fasan-drizareo izany misy sisam-patim-biby ee...
2- Dia ny fasan-drizareo ... itsakitsahan'ny olona mivezivezy ao @ Basilique ee...


Entre-pa fa t@ herinandro teo, dia nosokafana (mba hohavaozina) ny fasan'i Jesosy.
http://news.nationalgeographic.com/
All of this is perfectly consistent with what we know about how wealthy Jews disposed of their dead in the time of Jesus

Ny fipetraky ny zavatra tao hono izany tena toa atsy @ fasan'ny karana.. oops, fasan'ny Mpanan-karena manko ee...

hi hi hi... asa ho'a ilay revin'ny fanjaitran-dRameva raha mba mihatra @ JEsosy Mpanan-karena ee... 

rhaj0 - 04/11/2016 16:46
Ny didy "tonta" an'i Rapapa iray indray, ary didy tena mba misy fiantraikany @ fi(s)ainana 2016, dia ilay fizirizirina fa ny Lehilahy ihany no afaka mitondra ny Leglizy: lehilahy ihany no azo atao Pretra/Leveka/Karidinaly/Papa.

Inty ny antony voalohany, hozy Fransoa

http://www.cnn.com/2016/11/02/europe/analysis-pope-female-priests/index.html
because Jesus chose men as his apostles and because of their theological understanding that a priest, "acts in the person of Christ," so must be male. 

Io izany mila iarahana mamahabaha ee... Satria nampian'i Fransoa hoe :
Ary TSY ho pretra mandrakizay doria amena mihintsy ianareo viavy izany eee

"Forever?" the journalist asked. "Never, ever?"
"If we carefully read the declaration of St. John Paul II it goes in that direction, yes," Francis replied.

rhaj0 - 21/11/2016 18:49
Ka dia afaka mamela heloka ny mpanala zaza indray koa izany hono ny Mopera eee.. teo aloha, dia ny leveka ihany no afaka manao an'io. Ka dia voatsinjara ny fahefana izany eee...

http://www.cnn.com/2016/11/21/europe/pope-francis-absolve-abortion/index.html


@ ankapobeny anie, dia hozy i Fransisy hoe,
"there is no sin that God's mercy cannot reach and wipe away..."

izany hoe, raha ny fahazoako azy, hozy ny mpampianatra mahay hoe, izay ota rehetra dia afaka ny ho fafaNY foana eee...

Ka dia mazotoa manota izany eee... tena adalan'izay tsy manota io.

rhaj0 - 28/11/2016 16:42
Nahazo ny koestionema hono ho'a i Fransisy : nisy Karidinaly 4-dahy tena mba nametra-panontanina (fandrika) @ Papa, izay raha ny fahazoako azy dia hoe, inona tsara hoe ity "fampianaranao" ry Mpampianatra-Mahay fa toa misavoana sa ahoana?

https://www.lifesitenews.com/news/pope-fails-to-reply-to-4-cardinals-urgent-plea-for-clarification-so-they-go
Signed by Cardinals Walter Brandmüller, Raymond Burke, Carlo Caffarra, and Joachim Meisner, the letter tells the Pope of the “uncertainty, confusion, and disorientation among many of the faithful” stemming from Amoris Laetitia. 


Io izany fa ry Karidinaly miatrika ny olona, izay TSY paiso ho'a... nefa i Mpampianatra-Mahay toa ... mamoromporona revy hafahafa, hafa noho ny taloha moa izany eee...

rhaj0 - 28/11/2016 17:04
Entre-pa fa naheno an'i Justin trudeau, praiministra kanadiana daholo angamba ianareo. T@ io frankofonia io, dia niteny izy ny hanajana ny vehivavy sy ny LGBT sns...

Asa mba ahoana ny fandraisan'my... Katolika an'izany ohatra, fa .. ho @ fahalalanareo, dia efa nahazo ny diamanga avy t@ Lariseveka taty Ottawa i Trudeau, rahefa nanindrahindra ny safidy pro-choice
https://www.lifesitenews.com/news/ottawa-archbishop-on-trudeau-if-you-dissent-on-life-issues-youre-not-a-cath

hi hi hi.. TSY Katolika "tena izy" hono i Justin.. fa dia ihomehezan'ny olona fotsiny i Lariseveka, ary avela hiteniteny foana ao foana 

rhaj0 - 14/04/2014 15:09
Tsy an-tery marina ilay manao pretra. Ohatra ihany avy eto:
385-Pope Siricius left his wife in order to become pope.

Fa mampihomehy ho'a i Masina Augustin
401-St. Augustine wrote, ?Nothing is so powerful in drawing the spirit of a man downwards as the caresses of a woman.?
Hoe ny safosafon-dramatoa no mampikidingy ny fanahin-drangahy; nefa io indrindra ho mampakatra any an-danitra (faha-7) 

Soa fa namoaka ny heviny (interpretation) ny Papa Pius X1:
1930-Pope Pius XI: sex can be good and holy.

Fa ilay hoe tsy manambady (aman-janaka) ny pretra @izay tsy olana ny fandovana, dia kay izany toa izao:
580-Pope Pelagius II: his policy was not to bother married priests as long as they did not hand over church property to wives or children.


Fa fanontaniana ho an'i Hery. Hoe "tsy dogma" ny celibacy.. Nefa hotry ny didy/fanapaha-kevitry Vatican ny fahazoako azy.
325-Council of Nicea: decreed that after ordination a priest could not marry. Proclaimed the Nicene Creed.

Dia ahoana ohatra ny didy/fanapaha-kevitra hafa toa ito:
1869-First Vatican Council; infallibility of pope.

Ny fahazoako an'ireo rehetra ireo dia "dogma" (principe incontestable).

rhaj0 - 09/05/2014 18:41
Tena mba voalohany t@ fiainana aho no nanatrika lamesa (tena lamesa) tatsy @ Notre-Dame Cathedral Basilica aty Ottawa (jereo ato). Toa izao no hitako sy reko sy tsapako, miampy ny kaomaniterako...

1. Vao aty ivelany, ary hatrany tao anatiny, dia mamirapiratra sy mangilohilo ary goavana ilay toerana (fa mety tsinontsinona anefa aloha izany raha miolotra ny an'i Hery any Vatican). Izaho moa zatra ireny fiangonana tsotra (sy mahantra) ireny, ka dia nidawawa fa tambanivohitra vao niakatra e... Fa tonga dia nahatsiaro ny fifanakalozana teto aho, hoe ka dia inty tokoany ny "volamena sy vatosoa"... Ary dia mitohy @ resaka teto koa @ hoe ho any an-danitra, ary dia vaky vava anakampo aho hoe, izao angamba no (tian-dreo haseho hoe) "salle d'attente" mankany mankany...

2. Dia nanomboka ny fotoana. Dia inty ny Archbishop sy ny korteziny fa miditra. Ary dia voakaikitra ny foko, raha nahatsiaro ny resantsika teto koa hoe, tena rahefa nihetsika izany ny hadalan'ireo pretra sasany, dia ny toa an'ireto boaikely ireto no palany. Fa ilay kortezy aloha nampihomehy ahy kely ihany, fa sahala @ hoe Ratsiraka taloha na i TGV, fa tsy mitondra basy ny garde-de-corps fa lakroa sy raha hafa. Dia ny Archbishop sy ny tehiny hazolava ngezabe miaraka @ ilay satroka lehibe koa tena... mamono lolo e...

3. Dia nipetraka t@ seza manjabe (velours sady migodana) tetsy aloha sy ambony Ingahibe. Eo ankavanany Ingahikely, sefo protocol, angambany.. fa hotry ny hentitra be ilehio mandidy ireo boaikely hampirina ny tehina hazolava sy ny satroka lehibe.. Dia nihomehy irery indray aho, mahatsiaro ilay namako fahiny fony kely, hoe rahefa be faniraka hono ny rainy, hoe aiza ny kiraroko, ampirimo ny satroko, dia hoe, fa i bainina ve handicappE tsy mba mahavita-tena fa be faniraka e... Fa io koa izany ilay resaka hoe sezalava fiandrianana sy ny eo ankavanana sa ankavia. 

rhaj0 - 11/05/2014 13:11
4. Dia nihaminkamina tetsy aloha sady ambony tokoany izany Ingahibe (sy ny korteziny). Fa koa, ny laharan-dabilio 15 voalohany dia toerana voatokana... ka ilay lamesa sady ho fanombezam-boninahitra ny mpampianatra, ka dia natokana ho azy ireo sy fianakams-ny ireo fitoerana ireo. Dia nihomehy irery indray aho.. nahatsiaro ny adi-hevitra t@ namana fahiny : tsisy demokrasia (sy egalite) izany any am-piangonana, fa ny Deba be sy ny printsy atsy @ avo sy aloha, ary isika mavomavo sisa atsy afara sy ambany... izay izany angamba ry Hery ilay fombafomban'ny Eglizy (tsy hita izay maharatsy azy)

5. Dia sadaikatra koa aho t@ io fa... ka ny kanadiana aty moa, lavabe ilay ririnina (hiver), ka raha vao tonga lohataona, na vao 5 degree aza, dia efa t-shirt sy patalohy fohy daholo.. sady na any ampiasana koa moa dia tsotstra daholo.. Dia niaky aho hoe... zahay (mendrika ny) taty aoriana kosany dia tena mavomavo tokoany, mavomavo-fitafy tokoany.. fa iretsy printsy (toa kilemaina) sy ireo nahazo toerana voatokana (na dia tsy kilemaina aza) kosany dia tena raitra e.. raitra ny palitao, ny viavy sy ny akanjony mena dorehitra amina firavaka, ny kiraro mangirana sy mipoapoaka tsara manakoako ao @ilay katedraly rahefa mandeha... manja kosa e... mampierikerika an'ilay tanavo vao niakatra...

6. Dia raikitra ny fanompoam-pivavahana.. dia ny an'i katolika moa toa atao an-kira daholo izay resaka... dia nihomehy irery indray aho nahatsiaro ny hadalako taloha. Fony nampianatra aho tany Dago, dia in-1 mandeha, nataoko an-kira toa ny fanaon-dry mopera koa ny fanononana ny lesona. Ny boaikely moa tonga dia nivaninika gaigy daholo, fa nisy sipakely iray serieuse be tonga dia namely ahy hoe, maniratsira hono aho. Dia hoy aho t@ izay hoe, ka nareo mitabataba, dia nanandrana ny fomban-dry mopera aho, satria ny azy toa mahomby rahefa any ampiangonana...

7. miresaka hira ihany... fa nisy ankizy t@ choral nasaina nitarika kely.. dia manao sOlO izy, dia atsangany ny tanany, dia mamaly an-kira ny rehetra, dia ampidininy ny tanany dia manao sOlO indray izy... (faly ery izy nony nirava, fa hoe ... coooool... atsangako/ampidiniko ny tanako dia mihira/tsy mihira ny olona)

rhaj0 - 12/05/2014 18:37
Marihiko fotsiny aloha fa raha mizara ny hitako sy reko ary fahatsapako sy kaomaniterako aho, dia tsy hoe ny hi-crtique na hanaratsy ny lamesa/katolisisma... fa .. tia hizara fomba fijery hafan'ilay... mpitsapa elefanta avy aty kanada fotsiny... mba ho "recul" koa ho anao ao... Fa nisy resaka eo ambonimbony io, izay raha ny fahazoako azy, dia critique na fanipahana ny katolisisma : dia tsy manan-kambara indray aho raha ny @ izany...

(dia tohizako indray...)

7. Dia raikitra @izay ny "tena izy". Dia nandeha ny kabarin'ny Archbishop. Fa tena tsy azoko, fa ilay teny efa anglisy, nefa Ingahibe koa toa hotry ny miteny haingana sy mitelina teny ka dia... hoy aho anankampo hoe, toa izao angamba izany rahefa ataon-dreo teny latina ity resaka ity.
Fa dia voarotsirotsin'Ingahibe sy ny ngonongonony teo aho; soa ihany fa nasaina mitsangana/mipetraka/mandohalika zahay fa raha tsy izany angamba dia renoka teo.

8. Dia taitra tampoka aho, fa ilay rangahy (sy olona hafa vitsivitsy) tetsy ankaviako nitsangana dia nivoaka. Nataoko fa vita ny fotoana dia nijery ny fandaharana aho. Kay "collecte" : rakitra !! Dia sady notsindrian'ilay mpikabary tetsy aloha koa hoe, manomeza betsaka (be generous). Teo aho vao nikorapaka, fa izaho moa mampiasa karta ka tsy mitondra vola am-posy mihintsy. Nahita vola bokotra ihany, ary dia nasosa kintana izany teo ambonin'ireo volabe taratasin'ireo mpiangona hafa. Fa ilay ramatoa iray tao @ ankavanako indray dia nanao dondrona be tsy nanome. Avy eo izy vao nigonongonona hoe, efa nandoa parking aho... Fa ilay ramatoa io koa ka be resaka. Dia hoz'izy koa hoe, mba tsy mety koa izany safidina hira izany: fankalazana sy fanomezam-boninahitra (an'ny mpampianatra) no atao, nefa ny hira toa hiram-paty; ny fandehanany hono ny hira ka tena mihetsika...

9. Fa nony vita ny rakitra, dia niverina ilay rangahy tetsy ankavia nivoaka teo (tsy te-handoa rakitra izy ... angambany). Fa tena efa hoe mipetraka @izay, fanefa izy mbola nijanona nandohalika foana teo (manetsi-keloka... angambany e...)

10. Dia raikitra ilay mihinana sy misotro kely etsy aloha, ary dia mitandahatra nankeny aloha ireto olona. Izaho moa tsy anaty lalao, ka dia niforitra nipetraka tsy niala teo @ dabilioko, fa ny maso no mitsipelipelika mijery ireto pOzy... manja sy mavo..

11. Vita ihany ny lamesa. Ary dia nanontani-tena tokoany aho, sahala @ filazan'i Hery teo hoe, inona " zavatra lalina kokoa tao anatin'ny lamesa izay mety tokony ho nohenoinao"... fa tena tsy nisy. Mbola mieritreritra fanin-2 aho izao, fa tena tsy mbola misy... Raha tsy hoe angaha hoe, ireo hira kosa dia mba nahafinaritra (na dia nilantolanto foana tao aza)



Fa marina ny an'i Hery... lalina tokoany ilay hoe:
- "anatin'ny kolontsainy, fiaraha-moniny, hareny sns..""
- "Manana ny dikany sy ny fandraisany ny famantarana (na symboles) rehetra nitranga teo izy ireo."

Nisy fandalinan-kevitra hitako in-1 mandeha efa elaela, dia hoe... ireo atheists hono, dia (manomboka) mahatsapa fa misy banga ny fiainany, indrindra moa raha mpino izy taloha. Na dia mafy/mahitsy saina sy fo aza zareo @ fiainany/fisainany ao, dia mahatsapa ny mpandinika fa Ilay "miangona" dia hotry ny mbola mety ilain-dreo ihany, @ maha-olombeolna azy :
- ilay miaraka sy mihaona ny mpiara-monina (mitovy tadin-dokanga @ tena),
- ilay manaraka fombafomba (rite) izay toa mampilamina/mampandry ny fo sy ny saina,
- ilay mihaino (toriteny) fampianarana..

Ary dia hitako t@ ity taona ity, ao Etazonia ao, fa dia manomboka mivorivory tokoany koa zareo Atheists (ohatra jereo eto) : "godless congregation"... tsy "church" fa "congregation"... ary miara-mivorivory ao ,fa kosa, tsisy resaka "god"...


(miala tsiny fa lavabe ny resako.. ataoko fa tsy naha-monamonaina anao 


No comments:

Post a Comment