Menu

Nov 16, 2015

Pray for Paris

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 16/11/2015 15:30
Raha izaho no anontanianao, dia ny fahendren'i Mandela no averiko aminao:
“All that prayer stuff is, frankly, pretty useless.”
Loharano: http://www.theonion.com/articles/nelson-mandela-admits-thoughts-prayers-of-millions,32853/

Ny an'i Mandela izany io, efa "narary ho faty" izy, fa dia nilaza mazava fa "tsisy ilavana, na hoe tsisy ampiasana azy, izany vavaka izany".


Fa io k'lou dia samy manana ny fandraisany azy hoe, inona no manaikitra ny sainy amam-pony sy eritreritrany eee.. ny ahy izao ny manaikitra ny eritreritro dia hoe, misy zaza gasy anie ka maty isaka ny 10 minitra moa izy teo, ary ny tsy maty indray, dia fantatra koa fa ny zaza gasy aman'hetsiny, voan'ny malnutrition aigue, dia misy fiantraikany giravy @ fibeazan'ny sainy...

Ka raha izay mahavoa an'i Paris indray dia ... raha izaho aloha, dia tsoriko fa olon-dehibe sy manana ny fahazoa-manao zareo, na psy na pretra, mahay mi-debrouille samy zareo ao... Tsy ho zareo no hanariako ny torimasoko..

rhaj0 - 16/11/2015 16:36
Aleo aloha asiana reference an-gazety mihintsy ny resaka ngo dia hoe belazao eto fotsiny hono aho @ io ankizy gasy maty an'aliny sy tsy ampy sakafo an'hetsiny io..

http://www.midi-madagasikara.mg/societe/2013/11/20/defecation-lair-libre-10-400-malgaches-par-meurent-de-la-diarrhee/
Environ 10 400 Malgaches, dont 6 900 d’enfants de moins de 5 ans, meurent de la diarrhée tous les ans.

http://www.midi-madagasikara.mg/societe/2013/11/20/defecation-lair-libre-10-400-malgaches-par-meurent-de-la-diarrhee/
D’après l’Unicef, 48% des enfants malgaches de moins de 5 ans sont en proie à l’insuffisance alimentaire. Autrement dit, de la malnutrition. 


Ka "nivavaka" ho an-dreo koa va ianao?

Ary nivavaka ho an-dreo koa va ny Frantsay? sa "dommage collateral"-n'ny fanonganam-panjakana notohan-dry Sarkoko sy Claude Gueant fotsiny ireo, ka dia izay izany ny aminy?

rhaj0 - 16/11/2015 19:25
Raha mi-google ka tonga eto, na koa eto, dia hoz'izy hoe

- ny percentage-na "atheist convaincu" dia .. China(47%), Japan(31%), Tcheques(30%) ary France(29%)...

- ny percentage-na "religious man" dia ... Ghana(96%), Nigeria(93%), Armenia(92%)... Iraq(88%)

Ka tsy haiko hoe, aiza ho aiza izany lojikanao, ka hoe raha "tena nanankina ny fiainana 100%" t@ Andrmntra ilay firenena dia tsy hiharan-dozabe toa itony.. io mbola maro an'isa io ny Mpivavaka n'aiza n'aiza..

Fa ianao ve tsy mba hianatra ny fantsin'i Pastora Ravelojaona ny @ "Ny Japana sy ny Japoney"? Ny Kristiana any Japana dia 0.1% izy teo? 

rhaj0 - 17/11/2015 19:04
Ka "mitodika @ Andrmntra" izany ny olona (Kristiana), hozy Gasy1zay, dia ..
- "mora hoan'ny fianakaviana manamanjo ny fitondrana fahoriana"
- "ny maratra ho sitrana"
- sns...

Tsy haiko ny "sns... tian'i Gasy1zay ho lazaina, fa raha ny fahazoako ireo (faniriana) valim-bavaka lazainao ireo, dia ny (hany) ivavahan'i Gasy1zay, dia ny "manalefaka ny fahavoazana/faharavana/fahapotehana"...


hum... ny reflexe-n'ny olona @ fiainana anefa, dia "maka lesona", ary dia "mivoatra" hatrany ho @ tsaratsara kokoa, na fara-faharatsiny, tsy miverina na mamerina ny hadisoana sy faharavana/fahapotehana taloha. Ary azonao hita eo io ny "actions" sy "decisions" raisina, concrets sy reels..

ka .. ny "vavaka", raha arak'i Gasy1zay koa ve k'lou mba mitondra @ izany eee?? "actions/decisions izay concrets sy reels" ???


Ny fahitako azy, ny "vavaka", dia hoe, samy nigonongonona any antranony sy any ampiangonany any, ary TSISY actions/decisions izay concrets sy reels" @ io, fa iriana fotsiny hoe,
- misy FM (tsihitamaso) mamaha ny olana ao..
- na, tsy ny FM azany no mi-intervenir (direct), fa araka ny filazan'ny belazao aty, dia hoe, misy "energie"-mbavaka izany hono manetsika ny tendrombohitra... na lasa odi-bala-n'ny kalach-n'i ISIS izany eee...

No comments:

Post a Comment